Fizahan-teny

Ohabolana : miantsena

Ohabolana 1Andriandahin' i Malaza : miantsena, lanjaina ; nony mody, milanja ondry. [2.415 #470, 2.653]
Dikanteny frantsaySeigneur de Malaza : quand il va au marché, il est porté en palanquin ; quand il revient du marché, il porte un mouton sur ses épaules. [2.415 #470]
Fanazavana frantsayAllusion à un seigneur riche, mais original et de peu de tenue ; se disait en guise de moquerie. [2.415 #470]

Ohabolana 2Aza mitabataba miantsena, fa vahoaka no ho vantanina. [2.653 #643]
Aza mitabataba miantsena fa vahoaka no vantanina. [2.558 #782]

Ohabolana 3Badolahy miantsena: siramamy ka atoraka alika. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tsy ampy fiheverana, kely saina, ka tsy hainy akory ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny tsy ilaina. [1.1]

Ohabolana 4Bevohoka miantsena ka ny maharatsiana no am-bentin-dresaka. [2.558 #887]

Ohabolana 5Boka miantsena, tsy manam-barotra fa maty antoky ny fahalavoana. [2.558 #915]
Boka miantsena : tsy manam-barotra, ka maty antoky ny halavoana. [2.415 #962, 2.653]
Dikanteny frantsayLépreux qui va au marché : il a beau ne pas avoir de marchandises sur lesquelles il puisse perdre, il fait beaucoup de pertes par suite de ses nombreuses chutes. [2.415 #962]

Ohabolana 6Malahelo amoron-tsena : be sitrapo, fa tsy ampy fanaovana. [2.415 #2512, 2.653]
Malahelo monina amoron-tsena. [2.415]
Malahelo monina amoron-tsena: be sitrapo fa tsy ampy fanaovana. [2.165 #1448, 2.558 #1915, 1.1]
Tovolahy miantsena: be sitra-po, fa tsy ampy fanaovana. [2.653 #3165, 2.974 #231]
Tovolahy miantsena, ka be sitrapo fa tsy ampy fanaovana. [2.558 #4233]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona mahita sy maniry zavatra tsara isankarazany nefa tsy maharaka ny faniriany ny vola ananany, ka mipetraka ho faniriana fotsiny ny fitiavany hanana. [1.1]
Dikanteny frantsayJeune homme au marché : la volonté ne lui fait pas défaut mais ce sont les moyens qui lui manquent pour réaliser ses désirs. [2.415 #1591]
Jeune homme qui va au marché : ce ne sont pas les désirs qui manquent, ce sont les moyens. [2.974 #231]
Pauvre près d' un marché : il a beaucoup de désirs, mais peu de moyens de les réaliser. [2.415 #2512]
Pauvre qui demeure près du bazar : il voit beaucoup de choses qui lui plaisent, mais il ne peut les acheter. [2.415]
Un pauvre demeurant près d' un marché: il a beaucoup de désirs, mais manque de moyens. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas être excessif dans ses désirs. [2.415 #1591]
Se disait de ceux qui avaient trop de désirs. [2.415 #2519]
Trop de désirs. [2.415 #2512]

Ohabolana 7Malahelo miantsena: izay mangirana rehetra atao ho vola avokoa. [2.415 #2515, 2.653 #1448]
Malahelo miantsena : izay rehetra mangirana toa vola daholo. [2.558 #1916]
Dikanteny frantsayPauvre qui va au marché : tout ce qui brille dans la poussière, il croit que c' est de l' argent. [2.415 #2515]
Fanazavana frantsayIl est ébloui de tout. [2.415 #2515]

Ohabolana 8Malahelo miantsena; ka ny totohondry no arapaka. [2.558 #1917]
Malahelo miantsena: ny totohondry no arapaka. [2.653]
Malahelo miantsena: ny totohondry no asesika am-bava. [2.415 #2516, 2.653]
Malahelo miantsena : ny totohondry no asesika arapaka. [2.415 #2516]
Malahelo miantsena: totohondry no asesika am-bava. [2.165 #1449]
Dikanteny frantsayPauvre qui va au marché : c' est le poing qu' il s' enfonce dans la bouche, car il ne peut rien acheter. [2.415 #2516]
Un pauvre allant au marché: il ne peut que se fourrer le poing dans la bouche. [2.165]
Fanazavana frantsayDésespoir des pauvres. [2.415 #2516]
En signe détonnement et de regret. [2.165]

Ohabolana 9Malahelo tsy arahin' olon-trosa, ka miantsena miadana ihany. [2.558 #1923]

Ohabolana 10Ny mahantra tsy ananan' olon-trosa : miantsena miadana ihany. [2.558 #3089]

Ohabolana 11Rafotsibe miantsena : be zava-tiana ka tsy manan-kamidy. [2.415 #1904]
Dikanteny frantsayVieille qui va au marché : nombreuses sont les choses qu' elle désire, mais elle n' a pas de quoi acheter. [2.415 #1904]
Fanazavana frantsaySe disait des désirs qu'on ne pouvait pas réaliser. [2.415 #1904]

Ohabolana 12Ratsy tarehy miantsena : mividy maraina dia lasa. [2.415 #786, 2.558 #3730, 2.653 #2772]
Dikanteny frantsayFemme laide qui va au marché : elle achète vite ses provisions de bon matin et elle se hâte de rentrer. [2.415 #786]
Fanazavana frantsayElle a honte. [2.415 #786]

Ohabolana 13Tsy satry ny mitafy lambamena miantsena fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.558 #310]
Tsy satry no mitafy lambamena miantsena, fa tiana mba ho hitan' ny mana-marary. [2.415 #4411, 2.653 #3576]
Dikanteny frantsayCe n' est pas de gaîté de coeur qu' on va au marché drapé dans un lamba de soie rouge, mais c' est pour être vu de ceux qui ont des malades. [2.415]
Fanazavana frantsayLe lamba de soie rouge est le linceul malgache ; le sens est qu'il faut montrer ce qui est mis en vente. [2.415 #4411]

Fizahan-teny