Fizahan-teny

Ohabolana : miefitra

Ohabolana 1Toy ny harefo, ka mahitsy ivelany fa miefitra anatiny. [2.558 #276]
Toy ny harefo : mahitsy eo ivelany, fa miefitra an-kibo. [2.415 #4958]
Toy ny harefo: mahitsy ivelany, fa miefitra an-kibo. [2.653]
Toy ny harefo: mahitsy ivelany fa miefitra an-kibony. [2.165 #498]
Toy ny harefo: marotsaka ivelany, fa miefitra an-kibo. [2.653]
Dikanteny frantsayLes fourbes sont comme le jonc harefo qui a l' air droit extérieurement, mais a des noeuds à l' intérieur. [2.415]
Pareil au "harefo" (petit jonc): il est bien droit au dehors, mais tout cloisonné en dedans. [2.165]

Ohabolana 2Zozoro anie aho, ka tsy mba mitomany handidy toa herana na hiefitra anaty toa harefo. [2.558 #5108]

Fizahan-teny