Fizahan-teny

Ohabolana : mieritreritra

Ohabolana 1Halatra akoho mirahavavy : an-kibo no mieritreritra. [2.558 #1252]

Ohabolana 2Mieritreritra atao indray miserana, ka nony manenina mandavan' ny taona! [2.558 #2294]

Ohabolana 3Toy ilay mihinana ontsy, ka am-bava homana, am-po mieritreritra. [2.165 #1159]
Toy ilay nihinana ontsy, ka am-bava homana am-po mieritreritra. [2.558 #4243]
Dikanteny frantsaySemblable à celui qui mange une banane (volée?): la bouche l' avale, mais le cœur a des doutes. [2.165]

Ohabolana 4Voahangy raraka ka ombay mitsimpona, ombay mieritreritra. [2.558 #321]

Fizahan-teny