Fizahan-teny

Ohabolana : mifanary

Ohabolana 1Fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary! [2.558 #1195]
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary? [1.1 #25]
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany, ka adrisa vao hifanary. [2.165]
Tsy mety raha fony tsimbotry niara-nandady, ka rehefa adrisa dia hifandao. [2.653 #3412]
Tsy mety raha fony tsimbotry niara-nizehozeho, ka nony adrisa hifandao. [2.558 #4581]
Tsy mety raha tsimbotry niara-nandady, ka nony adrisa àry elatra kosa vao hifandao. [2.558 #4684]
Fanazavana malagasyEntina hilazana olona nifankatia sy nifanampy fony samy kely – amin' ny lafin-kevitra rehetra – nefa nony lehibe toy ny tsy mifankahalala intsony. [1.1 #989]
Fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin' ny tena? [1.1 #25]
Dikanteny frantsayIl n' est pas bien de s' entendre quand on est petit pour se séparer (se rejeter) quand on est devenu grand. [2.165]
Fanazavana frantsayLe mot "tsimbotry" désigne la sauterelle "adrisa" quand elle est encore petite. [2.165]

Ohabolana 2Toy ny rano sy ny vary, ka tsy mahay mifanary. [2.415 #4610]
Toy ny vary sy ny rano : ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao. [2.974 #432]
Dikanteny frantsayComme le riz et l’eau : unis dans les champs, inséparables dans la maison. [2.974 #432]
Eau et riz vont ensemble : ils ne se séparent pas. [2.415 #4610]
Fanazavana frantsaySe disait de deux personnes ou choses inséparables. [2.415 #4610]

Ohabolana 3Tsy hifanary na an-kasoavana na an-karatsiana. [2.415 #5313]
Tsy mifanary Tsimahafotsy na an-kasoavana na an-karatsiana. [2.415 #498]
Dikanteny frantsayOn ne s' abandonnera ni dans la prospérité ni dans l' adversité. [2.415 #5313]
Soit dans la prospérité, soit dans l'adversité, les gens de la caste des Tsimahafotsy ne se rejettent pas. [2.415 #498]
Fanazavana frantsayCe proverbe fait allusion à la bonne entente des Tsimahafotsy l' une des castes hova ; se disait de tous ceux qui restaient unis dans la bonne et la mauvaise fortune. [2.415 #498]
Paroles prononcées par les Tsima-hafotsy, caste de Hova ; elles sont passées en proverbe. [2.415 #5313]

Fizahan-teny