Fizahan-teny

Ohabolana : miherina

Ohabolana 1Akoho naratr’ afo : harivariva laha miherina. [1.147 #A24]

Ohabolana 2Aza manao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana. [1.1]
Tsobo-dranon-dRamiangaly : marivo mihanana, lalina miherina. [1.147 #T170]
Tsobo-dranon-dRamiangaly : raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana. [2.558 #4466]
Fanazavana malagasyIlazana ireo olona tsy mety manao zavatra sarotra fa ny mora ihany no ataony. [1.1]

Ohabolana 3Bory nito tady : lasana tsy miherina. [1.147 #B10]

Ohabolana 4Manao vilaniben' Amboanjobe : tsy miherin' andro akory dia vaky. [2.558 #134]
Manao vilanin' Amboanjobe, vao miherina andro ka vaky. [2.415 #2613]
Tefy vilanin' Amboanjobe : malady ihany fa mora vaky. [2.415 #3820, 2.653]
Dikanteny frantsayFaire comme la marmite d' Amboanjobe : à peine l' a-t-on gardée une semaine qu' elle est cassée. [2.415 #2613]
Marmites façonnées à la manière de celles d' Amboanjobe : elles sont faciles à s' échauffer mais elles sont fragiles. [2.415 #3820]
Fanazavana frantsayAmboanjobe avait la réputation de ne pas faire les marmites solides ; ce proverbe se disait des bonheurs et des biens de peu de durée. [2.415 #2613]
Se disait d' un travail fait rapidement mais pas soigné. [2.415]

Ohabolana 5Salohy natora-bato : dora laha miherina. [1.147 #S11]
Salohy natora-bato: tonga añy laha-miheriña. [2.165]
Fanazavana malagasySalohy natoraka amim-bato: tonga any vao miverina. [2.165]

Fizahan-teny