Fizahan-teny

Ohabolana : miketraka

Ohabolana 1Mihinjihinjy sarotra hihavanana, nony miketraka ambakain' ny sasany. [2.558 #2325]

Ohabolana 2Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ny ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa. [2.165 #806]
Tsy misy henjana hoatry ny lambo : fa raha mahita ny ampombo, miketraka ho kisoa. [2.415 #4636]
Tsy misy henjana ohatra ny lambo, fa raha mahita ny ampombo miketraka ho kisoa. [2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayIl n' y a pas d' animal aussi vigoureux que le sanglier ; mais quand il voit du son, il s' amollit comme un porc. [2.415 #4636]
Se vanter d' être un sanglier, puis, en voyant le son pâteux, descendre au rang de truie (en le mangeant, comme un porc domestique). [2.165 #806]
Fanazavana frantsayLes passions et l' intérêt amollissent. [2.415 #4636]

Ohabolana 3Miritirity ho lambo sa miketraka ho kisoa? [2.653 #1819, 2.558]

Ohabolana 4Raha dobo tsy ho sahy siny aho, dia miketraka ho renirano. [2.165 #907]
Raha dobo tsy sahy siny aho dia miketraka ho renirano. [2.558 #3559]
Raha ho dobo tsy sahy siny aho, dia miketraka ho renirano. [2.653 #2657]
Dikanteny frantsaySi je suis un étang qui craigne la cruche, que je devienne ruisseau. [2.165]

Fizahan-teny