Fizahan-teny

Ohabolana : mioty

Ohabolana 1Izay miringiringy no potraka : izay mioty manta no leony. [2.653 #1197, 2.974 #264]
Mioty manta, ka leony; miringiringy, kapotraka. [2.653 #1801]
Ny miringiringy no potraka; ny mioty manta no leony ; ny tsy mahandry ny sisa no mahia. [2.653 #2350]
Dikanteny frantsayEtre haut perché, c’est risquer de tomber; cueillir des fruits verts, c’est chercher l’indisposition. [2.974 #264]

Ohabolana 2Mioty manta ka leony. [2.165 #1714]
Dikanteny frantsayCueillir (et manger) ce qui n' est pas mûr, et se rendre malade. [2.165 #1714]

Ohabolana 3Ny mioty manta no leony, ny tsy mahandry masaka no adala. [2.558 #202]

Ohabolana 4Tsy mety raha izahay no miasa, ka hianareo no hioty ny voany. [2.558]
Tsy mety raha izahay no miasa, ka hianareo no mioty ny voany. [2.415 #3878, 2.653 #3417]
Dikanteny frantsayIl ne sied pas que nous travaillions et que vous récoltiez les fruits. [2.415 #3878]

Fizahan-teny