Fizahan-teny

Ohabolana : misitrika

Ohabolana 1Fandiorano : hisitrika izy ihany, hiseho izy ihany. [2.558 #1100]

Ohabolana 2Fandiorano ratsy, ka miseho tsy valahara, milentika tsy vaky atatra. [2.415 #3002]
Fandiorano ratsy, ka mitranga tsy menatra, misitrika tsy valahara. [2.415 #3002]
Toy ny fandiorano ny ratsy: koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [2.165]
Toy ny fandiorano ny ratsy : miseho tsy vaky afero, misitrika tsy valahara. [2.558 #4276]
Toy ny fandiorano ratsy : koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [2.653]
Dikanteny frantsayLe méchant est comme le gyrin: quand il se montre, il n' a pas honte; et quand il disparaît, il ne rougit pas. [2.165]
Vilain gyrin nageur : il se montre impudemment, il plonge effrontément. [2.415 #3002]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne savent pas rougir. [2.415 #3002]

Ohabolana 3Tsy misy fatra-piahy tena ohatra ny tsindretra, fa famaky kely iray sy katsomanta telo no entiny, fa raha tamy ny tandroho misitrika. [2.653]
Tsy misy fatra-piahy tena, toy ny tsindretra, fa famaky iray, katsomanta telo. [2.558 #4707]

Ohabolana 4Vovo miara-milona sy tandroho miara-misitrika. [2.165 #1211]
Vovo miara-milona, tandroho miara-misitrika. [2.558 #5055]
Dikanteny frantsay(Nous sommes comme) des nasses trempant ensemble et des paniers à pêche qui plongent ensemble. [2.165]

Fizahan-teny