Fizahan-teny

Ohabolana : miteny

Ohabolana 1Amboa mitomany valala: tova volana, fa lehibe no miteny. [2.558 #171, 2.653 #131, 2.415]
Dikanteny frantsayChien qui hurle la nuit aux sauterelles : accomplissez vos paroles, car c' est un grand qui parle. [2.415 #749]
Fanazavana frantsayLes grands ont les moyens de réaliser leurs exigences. [2.415 #749]

Ohabolana 2Aza atao fola-tana-manondro. [2.653 #348, 2.974 #304]
Aza atao fola-tana-manondro, na fotsy rora miteny. [2.558]
Dikanteny frantsayNe brisez pas le doigt qui indique. [2.974 #304]

Ohabolana 3Aza atao fotsy volo manara-dalana, na miteny fa tsy henoina. [2.558]
Aza atao fotsy volo mitozo-poana. [2.415 #1805]
Aza atao fotsy volo mitozo-poana, na miteny fa tsy henoina. [2.558]
Dikanteny frantsayNe les traitez pas comme des vieillards à cheveux blancs qu' on laisse aller à l' aventure. [2.415 #1805]
Fanazavana frantsayConseils du roi Andrianampoinimerina à Radama, son fils et successeur, sur la manière de traiter les chefs et les conseillers ; ces paroles sont proverbiales pour dire la manière de traiter les gens avec égards ; on s'en servait aussi pour stigmatiser les vieillards légers et indignes de leur âge, qui se laissent mener par de plus jeunes. [2.415 #1805]

Ohabolana 4Aza miteny hazo an-ala. [2.165 #1680, 2.653 #660]
Dikanteny frantsayNe parlez pas d' arbres (ou de bois) dans la forêt. [2.165]
Fanazavana frantsayProfitez de ce que vous y êtes pour en prendre, sans perdre votre temps à des remarques futiles. [2.165]

Ohabolana 5Aza miteny lango eo imason’ ny vary. [2.653 #661, 2.974 #150]
Aza miteny lango imason' ny vary. [2.165 #568, 2.558 #56]
Miteny lango eo imason' ny vary. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza izay mifosa na manaratsy olona eo imason' ny havany na ny sakaizany. [1.1]
Manakiana na manaratsy olona tsy eo, nefa misy havany na sakaizany manatrika. [1.1]
Dikanteny frantsayNe parlez pas du "lango" par devant le riz. [2.165]
Ne pas parler de lango en présence du riz. (Vouloir en remontrer à plus fort que soi.). [2.974 #150]
Fanazavana frantsayOn appelle "lango" des grains de riz encore tendres grillés et écrasés pour être mangés ainsi. Ce proverbe veut dire qu' il ne faut pas parler mal d' un absent en présence de ses parents ou de ses amis. [2.165]

Ohabolana 6Aza mitoe-poana ohatra ny vato: ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra. [2.165]
Aza mitoe-poana, toy ny vato: ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra. [2.653 #663]
Mitoe-poana toy ny vato : ny lehibe tsy miteny, ny kely tsy misy mpananatra. [2.415 #650]
Dikanteny frantsayC' est comme la pierre qui reste immobile : les chefs ne reprennent pas leurs inférieurs, les subordonnés n' ont personne pour les réprimander. [2.415 #650]
Ne soyez pas oisifs comme les pierres, les grands ne disant mot, les petits ne sachant que faire (litt. n' ayant pas de conseillers). [2.165 #686]

Ohabolana 7Ivadinao tsy miteny, ividiano andevokely. [2.415 #557, 2.653 #1155]
Ivadinao tsy miteny, ividiano mpanompokely. [2.558 #1456]
Vadinao tsy miteny, ividiano andevo kely. [2.165 #1777]
Dikanteny frantsaySi ta femme est muette, achète-lui un jeune esclave. [2.165]
Si votre femme ne parle pas, achetez-lui un petit esclave : cela la fera parler. [2.415 #557]
Fanazavana frantsayElle en aura plein la bouche. Il ne faut pas rester oisif. [2.415 #557]
Elle sera alors bien forcée d' ouvrir la bouche pour commander, gronder, etc. [2.165]

Ohabolana 8Izay manana-tsira, mahay mahandro, izay tiam-bady mahay miteny. [2.558 #103]
manana-tsira ka mahay mahandro. [2.165 #1600, 2.974 #284]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miresaka. [2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miteny. [2.653 #1523, 2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady, ka mahay miteny, be vola ka maro mpankasitraka. [2.558]
Tiam-bady, ka mahay miresaka; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady, ka mahay miteny; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady ka mahay miteny, tsara rafozana ka mihaminkamina. [2.558 #4132]
Dikanteny frantsayEtre bon cuisinier parce qu’on a du sel. [2.974 #284]
Qu' a du sel fait bonne cuisine, qui possède l' amour de son époux sait parler. [2.415 #1293]
Quand on a du sel, on peut faire la cuisine. [2.165 #1600]
Fanazavana frantsayOn réussit quand on a ce qu' il faut. [2.415 #1293]

Ohabolana 9Jamba mizaha fitaratra, ka mifampitsirika samy ratsy : ny iray mijery fa tsy mahita ary ny iray mahita fa tsy miteny. [2.558]
Jamba mizaha fitaratra, ka mifampitsirika samy ratsy : ny iray mijery fa tsy mahita, ny iray mahita fa tsy miteny. [2.653 #1210, 2.415]
Dikanteny frantsayAveugle qui regarde un miroir : ce sont deux malheureux qui sont en présence : l' un regarde et ne voit pas, l'autre voit et ne parle pas. [2.415 #2156]
Fanazavana frantsayIl faut s' entraider entre malheureux. [2.415 #2156]

Ohabolana 10Kabarin-tsaka : vao miteny dia omeo. [2.558 #1588, 2.653 #1220]

Ohabolana 11Manan-jara ihany ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy. [1.1 #22]
Manan-jara ny tsy miteny, fa ny miteny ihany no manana adidy. [2.415 #3265]
Fanazavana malagasySaika izay miseho ho mahavita ihany no voatsinin' ny maro matetika. [1.1 #22]
Dikanteny frantsayHeureux ceux qui se taisent, car ceux qui parlent sont responsables et encourent le blâme. [2.415 #3265]
Fanazavana frantsaySe disait des mauvaises affaires où il valait mieux ne pas paraître, ou se taire si on paraissait. [2.415 #3265]

Ohabolana 12Maty an-tsafo-dambo : maty tsy miteny. [1.147 #M98]

Ohabolana 13Maty tsy miteny. [2.415 #3177]
Dikanteny frantsayÊtre condamné, sans avoir parlé pour se défendre. [2.415 #3177]
Fanazavana frantsayL' expression : mort sans parler ou sans crier, s' appliquait aux hommes ou animaux étranglés sans pouvoir crier. [2.415 #3177]

Ohabolana 14Matokim-pihavanana ka tsy mataho-miteny. [2.558]
Matokim-pitiavana ka tsy mataho-miteny. [2.558]
Matokim-pitiavana, ka tsy matahotra miteny. [2.653 #1685]

Ohabolana 15Mba miteny intsony va aho, hoy ilay marenina, kanjo tsy mandre izy. [2.415 #4771]
Mba miteny intsony va aho? hoy ny marenina, kanjo tsy mandre izy. [2.653 #1698]
Mba miteny intsony ve aho, hoy Ramarenina, kanjo tsy nandre akory izy. [2.558 #2221]
Dikanteny frantsayMoi, dit le sourd, je ne dis plus mot ; le vrai motif, c' est qu' il n' entend pas. [2.415 #4771]
Fanazavana frantsayOn se servait de ce proverbe pour signifier : je cesse de parler. [2.415 #4771]

Ohabolana 16Miteny irery toy ny miresaka amim-Bazimba. [2.165 #57]
Dikanteny frantsayParler tout seul, comme celui qui cause avec un Vazimba. [2.165 #57]

Ohabolana 17Miteny ny iray toa novankonina, miteny ny iray toa nampalesina. [2.165 #541, 2.558 #2452, 2.653 #1865]
Dikanteny frantsayLes paroles d' un orateur semblent avoir été polies au rabot, et celles d' un autre polies au papier de verre. [2.165]

Ohabolana 18Mitsangana aho, toa meva ; mitalapetraka aho, toa hamabo : izaho miteny ihany no andrian’ ny adidy. [2.653]
Mitsangana toa meva, mipetraka toa hamabo, nefa izaho miteny ihany no andrian' ny adidy. [2.558 #2501]

Ohabolana 19Ny sola malahelo tsy mba Rangahy, na mahay miteny aza voailikilika. [2.558 #3251]

Ohabolana 20Niteny foana aho, hoy Rainilita. [2.415 #6518, 2.558 #2793, 2.653]
Dikanteny frantsayJ' ai parlé en pure perte, dit le père de Lita. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des conseils et avis donnés en vain, et du regret d' avoir parlé. [2.415]

Ohabolana 21Ny tsy miteny no odiny. [2.415 #4801]
Dikanteny frantsayLe silence est le remède. [2.415 #4801]
Fanazavana frantsayLe silence est souvent la meilleure justification. On employait aussi l' expression pour signifier : cessez de parler. [2.415 #4801]

Ohabolana 22Rafotsibe manandrana anana : tsy milaza ny hafiny, fa ny masony mangarika ihany. [2.415 #1899, 2.165]
Rafotsibe manandran' anana, tsy milaza ny tsantsony na miteny ny hafiny fa maso mangarika ihany. [2.558]
Dikanteny frantsayLa vieille goûtant aux herbes potagères (quelle fait cuire): elle ne dit pas qu' elles sont bonnes, mais ses yeux vous regardent de travers (pour que vous n' y touchiez pas). [2.165 #1971]
Vieille qui goûte des herbes qu' elle a fait cuire : elle ne dit pas que c' est bon, mais ses yeux regardent de travers pour qu' on n' y touche pas. [2.415 #1899]

Ohabolana 23Raha hianao no miteny : hetsika Andriananahary, fa raha olona kosa no miteny : tangena ambony varavarana. [2.558 #3570]
Raha hianao no miteny: Hetsika Andriananahary; fa raha olona: Tangena ambony varavarana. [2.653]
Raha ny tianao no hatao, hetsika Andriamanitra ; fa raha ho an' olona, tangena ambonin' ny varavarana. [2.415 #856]
Raha ny tianao no hatao, hetsika Andriananahary; fa raha ho an' olona, tangena ambonin' ny varavarana. [2.165 #78]
Dikanteny frantsayPour accomplir vos désirs Dieu se remue ; mais quand il s' agit d'un autre, le tanguin est au-dessus de la porte. [2.415]
Pour accomplir votre désir à vous, vous pensez que Dieu se remuera; mais pour un autre, le tanguin (poison) est au-dessus de la porte. [2.165]

Ohabolana 24Tsy misy lehibe noho ny vato, fa raha tsy miteny hitsahin' ny vorona. [2.165 #1389]
Tsy misy lehibe sy mafy tahaka ny vato; fa raha tsy miteny, hitsahin’ ny vorona. [2.653 #3520, 2.974 #383]
Tsy misy lehibe sy mafy tahaky ny vato ; fa raha tsy miteny hitsahin' ny vorona. [2.415]
Tsy misy lehibe toy ny vato, fa rehefa tsy miteny hitsahin' ny vorona. [2.558 #304]
Dikanteny frantsayLe rocher est ce qu’il y a de plus grand et de plus dur; mais s’il reste muet, un oiseau le piétine. [2.974 #383]
Rien n' est aussi grand et aussi fort qu' un rocher, mais comme il ne parle pas les oiseaux le piétinent. [2.415]
Rien n' est plus grand qu' un rocher, mais comme il ne parle pas, les oiseaux s' y posent (et le salissent). [2.165 #1389]
Fanazavana frantsaySe disait des gens bonasses ne sachant ni parler ni se défendre : ce n' est pas la grandeur du corps qui fait l' homme. [2.415 #3625]

Ohabolana 25Tsy miteny fa mahatahotra ohatra ny kiady. [2.558]
Tsy miteny ka mahatahotra, toy ny kiady. [2.415 #693, 2.653 #3552]
Dikanteny frantsaySans parole et cependant redoutable, comme le bâton surmonté d' une touffe d' herbe qui sert à marquer une défense ou une prise de possession. [2.415 #693]
Fanazavana frantsaySe disait des chefs qui ne parlaient pas, mais dont la présence suffisait pour mettre une affaire en train. [2.415 #693]

Fizahan-teny