Fizahan-teny

Ohabolana : mitsaika

Ohabolana 1Fihavin-javona ka tonga tsy re mingadona, lasa tsy re mitsaika. [2.558 #1156]

Ohabolana 2Ny tenin' andriana tsy mba mitsaika, fa mingadona. [2.415 #241]
Ny tenin' andriana tsy mba mitsaika fa mingodona. [1.1]
Ny tenin' Andriana tsy mitraika fa mingadona. [2.558 #3276]
Ny tenin' andriana tsy mitsaika fa mingodona. [2.165 #1405, 2.653 #2500]
Fanazavana malagasyNy kabarin' ny mpanjaka tsy mba heno toy ny bitsibitsika fa manehoeho eran-tany. [1.1]
Dikanteny frantsayLa parole royale ne glisse pas sans bruit, mais elle retentit avec éclat. [2.415 #241]
Les paroles (c.à.d. les ordres) du souverain n' arrivent pas en cachette mais ouvertement. [2.165]
Fanazavana frantsayElles sont publiées partout, et on ne peut les ignorer. [2.165]

Fizahan-teny