Fizahan-teny

Ohabolana : mivadibadika

Ohabolana 1Aza mivadibadika, toa lela may. [2.653 #679]
Mivadibadika toy toy ny lela may. [2.974]

Ohabolana 2Aza mivadibadika toy ny andro ririnina. [2.415 #5329]
Mivadibadika ohatra ny andro ririnina. [1.1]
Mivadibadika tahaka ny andro ririnina. [2.558 #2511]
Mivadibadika toy ny andro ririnina. [2.653 #1911, 2.974]
Fanazavana malagasyIlazana toetra mora miovaova toy ny andro ririnina, izay mafana kely dia tonga mangatsiaka indray avy eo. [1.1]
Dikanteny frantsayNe changez pas souvent comme le jour en hiver. [2.415 #5329]

Ohabolana 3Aza mivadibadika toy ny lela may. [2.165 #533, 2.415 #5330]
Mivadibadika ohatra ny lela may. [2.558]
Dikanteny frantsayNe tournez pas à tout vent, comme la langue qui se tourne et se retourne sans cesse lorsqu' elle se brûle. [2.415 #5330]
Ne vous retournez pas de tous les côtés comme une langue qui s' est brûlée. [2.165]

Ohabolana 4Mivadibadika toa lela may. [2.974 #77]
Mivadibadika, toy ny lela may. [2.653 #1912]
Mivadikadika karaha lela may. [1.147 #M122]
Dikanteny frantsayTourner et virer comme une langue qui s’est brûlée. [2.974 #77]

Fizahan-teny