Fizahan-teny

Ohabolana : moka

Ohabolana 1Aza manao vono moka. [2.165 #386, 2.558 #641]
Dikanteny frantsayNe tuez pas (quelqu' un) comme on tue un moustique. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. facilement ou en cachette. [2.165]

Ohabolana 2Aza mila voatsiary ka tandroky ny moka no tadiavin-ko sotro fotsy. [2.558 #778]
Aza mila voa tsy ary : tandroky ny moka, ka "ataoko sotro fotsy". [2.415 #2072, 2.653 #627]
Dikanteny frantsayNe cherchez pas un fruit qui n' existe pas et ne demandez pas l'impossible, comme celui qui voit les antennes d'un moustique et dit : avec ces cornes je ferai des cuillers blanches. [2.415 #2072]

Ohabolana 3Ela niandrasana ka lanin' ny moka. [2.558 #1029]

Ohabolana 4Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay izay vaza-mihetsika. [2.653 #1317]
Lambolahy mitsako moka: sitrany ahay vaza-mihetsika. [2.558 #1715, 1.1]
Lambolahy nitsako moka, ka sitrany ahay izay vaza-mihetsika. [2.165 #1446]
Lambo mitsako moka, ka sitrany ahay vaza-mihetsika. [1.1]
Fanazavana malagasyIzany hoe hararaotina izay hita, na dia kely dia kely aza, fa aleo homana kely toy izay handry fotsy. [1.1]
Mifaly amin' ny kely hita ambara-pahazo izay tadiavina, aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy. [1.1]
Dikanteny frantsayUn sanglier ayant mâché un moustique: mieux ça que rien. [2.165]

Ohabolana 5Mandrohy moka, mamatotra aloy : ary tongotra aman-tanana fa tsy misy tena hodidiana. [2.415]
Mandrohy moka, mamatotra aloy: ary tongotra aman-tanana, kanefa tsy misy tena hodidiana. [2.653 #1596, 2.165]
Mandrohy moka, mamatotra aloy, àry tongotra, fa tsy misy tena hodidiana. [2.558 #140]
Dikanteny frantsayAttacher un moustique, lier un moucheron: les deux ont bien des pieds et des mains (les pattes) mais n' ont pas de corps à découper. [2.165]
Garrotter des moustiques, attacher des moucherons, c' est butin de pattes et d' ailes, mais de substance à partager, point. [2.415]
Fanazavana frantsayIl n' y rien à prendre, ce n' est pas comme un bœuf (que l' on attache pour le tuer). [2.165]
Se disait des poursuites engagées contre des gens qui n' ont rien : on en est pour les frais. [2.415 #3353]

Ohabolana 6Mandrohy moka, mamatotra aloy : izay any ny tena kely enti-mitia havana. [2.653 #1597]
Mandrohy moka, mamatotra aloy : izay an' ny tena kely enti-mitia havana. [2.415 #1097]
Dikanteny frantsayGarrotter un moustique, attacher un moucheron : le peu qu' on a, on s' en sert pour s' attacher les parents. [2.415 #1097]
Fanazavana frantsaySe disait des attentions et petites choses qui prouvent l' affection et entretiennent l'union entre parents. [2.415 #1097]

Ohabolana 7Misamonina andro aman' alina toa moka. [2.558 #2401]

Ohabolana 8Mitady hivelona amin’ ny ran’ ny sasany ohatra ny moka mitsentsitra. [2.974]
Dikanteny frantsaySe nourrir du sang d’autrui comme le moustique qui suce. [2.974 #62]

Ohabolana 9Moka mitsentsitra, ka tra-tehaka. [2.653 #1945, 2.974 #222]
Dikanteny frantsayA force de sucer, le moustique finit par se faire aplatir. [2.974 #222]

Ohabolana 10Nahoana no dia mitady hivelona amy ny ran’ ny sasany, ohatra ny moka mitsentsitra ? [2.653]
Nahoana no dia mitady hivelona amin' ny ran' ny hafa ohatra ny moka ? [2.558]
Nahoana no dia mitady hivelona amin' ny ran' ny sasany, hoatry ny moka mitsentsitra ? [2.415 #725]
Dikanteny frantsayPourquoi donc chercher à vivre du sang des autres comme les moustiques qui sucent le sang ? [2.415 #725]

Ohabolana 11Nitondra ny tsy araka ny aina, hoatry ny moka voateha-tsofina. [2.415 #2731]
Nitondra ny tsy araka ny aina, ohatra ny moka voateha-tsofina. [2.653]
Nitondra ny tsy eran' ny aina, ohatra ny moka voateha-tsofina. [2.558]
Dikanteny frantsayRecevoir ce qui est au-dessus de ses forces comme le moustique qui a reçu un soufflet. [2.415 #2731]
Fanazavana frantsayAllusion à la manière de tuer les moustiques. [2.415 #2731]

Ohabolana 12Sakelidrano fandrian' ny voay. [2.415 #735, 2.653 #2840]
Sakelidrano fandrian' ny voay, lohasaha fandrian' ny moka. [2.558 #3820]
Dikanteny frantsayLes affluents des rivières sont des nids de crocodiles. [2.415 #735]
Fanazavana frantsaySe disait des repaires d'exacteurs ou d' avares. [2.415 #735]

Ohabolana 13Tendrombohitra, fandrian’ ny zavona ; lohasaha, fandrian’ ny moka; sakeli-drano, fandrian’ ny mamba; izaho kely, fandrian’ ny saina. [2.653 #3069, 2.974 #331]
Dikanteny frantsayLa montagne est le lit des brouillards ; la vallée est le lit des moustiques ; le repli du fleuve est le lit des caïmans; et mon humble apparence est le lit de l’intelligence. [2.974 #331]

Ohabolana 14Tsy misy mafy noho ny maty anaka ; fa raha kekerin' ny moka, mitehaka. [2.415 #952, 2.653 #3523]
Tsy misy mafy ohatra ny maty anaka, fa raha kaikerin' ny moka mitehaka. [2.558]
Dikanteny frantsayRien n' est pénible comme de perdre son enfant, et cependant quand on est piqué par un moustique on frappe de la main. [2.415 #952]
Fanazavana frantsayLe chagrin doit parfois céder ; ce proverbe fait allusion au geste pour tuer le moustique. [2.415 #952]

Fizahan-teny