Fizahan-teny

Ohabolana : mpantsaka

Ohabolana 1Aiza hianao no hahita izay mpantsaka tsy mba ho lena? ary aiza hianao no hahita izay mpisoron' afo tsy mba ho tsemboka? ary aiza hianao no hahita izay mpandeha tsy mba ho sasatra? [2.415 #1603]
Dikanteny frantsayOù trouverez-vous un porteur d' eau qui ne se mouille pas, un allumeur de feu qui ne soit pas en sueur, un marcheur qui ne soit pas fatigué? [2.415 #1603]
Fanazavana frantsayCes paroles disaient la certitude qu'une chose arriverait ; les jeunes gens s'en servaient pour dire à une jeune fille qu' elle finirait par se laisser prendre aux sollicitations. [2.415 #1603]

Ohabolana 2Aza manao resaky ny mpantsaka : lany enti-mandroso fa tsy misy ho enti-miverina. [2.558]
Aza manao tafan’ ny mpantsaka: lany enti-mandroso ihany, fa tsy hisy ho enti-miverina. [2.653]
Aza manao tafasirin' ny mpantsaka, ka ny lasa ihany no averimberina. [2.653]
Aza manao tafasirin' ny mpantsaka : ny teo ihany no averimberina. [2.558]
Tafasirin' adala, ka ny lasa ihany no averimberina. [2.165 #1631, 2.558 #3963]
Tafasirin' adala : ny lasa ihany no averimberina. [2.415 #2112, 2.653]
Tafasirin' ny mpantsaka : ny lasa ihany no averimberina. [2.415 #2112, 2.653]
Dikanteny frantsayConversations de sots ou de porteuses d' eau : c' est sans cesse la répétition de ce qui a été déjà dit. [2.415 #2112]
La conversation d' un nigaud, il répète toujours les mêmes choses. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des redites perpétuelles. [2.415 #2112]

Ohabolana 3Mpantsaka mahay mikabary: handry ihany fa tsindrian' ny tavim-bilany. [2.165]
Mpantsaka mahay mikabary : hendry ihany, fa ambanin’ ny siny. [2.653]
Mpantsaka mahay mikabary : hendry ihany fa ambanin' ny tany. [2.558 #2603]
Dikanteny frantsayUn porteur d' eau grand discoureur: il parle bien mais sa tête est pressée par un têt de marmite (c. à. d. la cruche). [2.165]

Ohabolana 4Mpantsaka rano tratr' orana : hihazakazaka toa maninana ny lanitra, hidarona kotsakotsa. [2.558 #2604]

Ohabolana 5Mpantsaka vaky siny: ny siny vaky leoko ihany, fa ity hitondra voro-damba lena mody no tsy toha. [2.653]
Mpantsaka vaky siny : ny siny vaky leoko ihany, fa ny mitondra voro-damba lena no tsy tanty. [2.558]

Ohabolana 6Salasala toa mpantsaka tratr' orana : miadana, toa miandry loza ; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.415 #791]
Salasala toy ny mpantsaka tratr' orana: miadana, toa miandry ny loza; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.165 #988]
Salasala toy ny olona mantsaka tratr' orana : mandeha mora toa miandry loza, mihazakazaka toa maninana ny lanitra. [2.558 #3819]
Salasala, toy ny olona mantsaka tratr’ orana: miadana, toa miandry loza ; mihazakazaka, toa maninana ny lanitra. [2.653 #2851]
Dikanteny frantsayIndécis comme le porteur d' eau surpris par la pluie : s' il va lentement, il s' expose au malheur ; s' il court, il a l' air de rivaliser avec le ciel. [2.415 #791]
Qui ne sait trop que faire comme un porteur d' eau atteint par la pluie; s' il continue à marcher lentement, il semble attendre le malheur; mais s' il se met à courir, il paraît vouloir rivaliser avec le ciel. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui étaient chez les seigneurs ou les chefs et ne savaient comment faire pour les contenter ; et aussi des gens perplexes qui ne savent comment faire parce qu'ils ont toujours tort. [2.415 #791]

Ohabolana 7Tsy mahaleo mora, ohatra ny mpantsaka. [2.165]
Tsy mahaleo mora, toa mpantsaka. [2.558 #4514, 2.653]
Tsy mahaleo mora toy ny mpantsaka. [2.415 #3992]
Dikanteny frantsayCelui qui ne sait pas choisir le moment favorable, est semblable aux porteuses d' eau qui renvoient au soir ou au dernier moment pour aller chercher de l' eau, alors qu' il y aura encombrement ou mauvais temps. [2.415 #3992]
Qui ne peut pas résister à ce qui est faible, comme un porter d' eau. [2.165]
Fanazavana frantsayCe qui est faible, c' est l' eau, le fluide qu' on porte sur la tête, dans une cruche; c' est donc l' eau qui occupe la position la plus élevée, de là le proverbe. [2.165]
Laisser passer le moment favorable, par paresse ou négligeance. [2.415 #3992]

Fizahan-teny