Fizahan-teny

Ohabolana : mpivady

Ohabolana 1Adin' ankizy: miady maraina, tsara hariva. [1.1 #416]
Miady maraina fa tsara hariva, toy ny adin' ankizy. [2.558]
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina : toy ny adin’ ankizy. [2.653]
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady. [2.165 #1797]
Mpivady miady maraina, tsara hariva ; miady hariva, tsara maraina. [2.415 #1306]
Mpivady miady maraina, tsara hariva ; miady hariva, tsy miloaka ny andro maraina. [2.415 #1306]
Fanazavana malagasyEntina milaza ny olona miady tsy mba manana otri-po na fankahalana maharitra fa mora mifankahazo na mihavana indray. [1.1 #416]
Dikanteny frantsayEn guerre le matin, en paix le soir; en guerre le soir, en paix le matin, comme des époux. [2.165]
Époux qui se disputent le matin, le soir ils sont réconciliés ; s' ils se disputent le soir, le lendemain matin ils sont réconciliés. [2.415 #1306]
Fanazavana frantsaySe disait des disputes incessantes mais sans conséquences. [2.415 #1306]

Ohabolana 2Kitapo mora feno : vady miara-mihary. [2.415 #1199]
Mpivady miara-mihary mora feno kitapo. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny fifanampian' ny mpivady amin' ny fitadiavana dia mety hahangonany harena haingana. [1.1]
Dikanteny frantsaySi le sac se remplit promptement, c' est que le mari et la femme travaillent ensemble. [2.415 #1199]
Fanazavana frantsaySe disait des ménages diligents, prospères, en bon accord. [2.415 #1199]

Ohabolana 3Lokan' ny mpivady. [2.415 #1201]
Dikanteny frantsayPromesses de peu de valeur que celles faites par le mari pour calmer sa femme ou les parents de sa femme. [2.415 #1201]

Ohabolana 4Miada-matavy tsy narahi-nenina, mifaly mahia tsy nisy latsa, toy ny mpivady mifanara-tsaina. [2.558]

Ohabolana 5Mitranga matetika, hoatry ny fifandiran' ny mpivady. [2.415 #1303]
Mitranga matetika ohatra ny fifandiran' ny mpivady. [2.165]
Dikanteny frantsayQui se produit souvent, comme les disputes entre époux. [2.415 #1303]
Qui se produit souvent, comme les querelles, disputes) entre époux. [2.165]

Ohabolana 6Mpivady be dinidinika ka mitombo fifankatiavana am-po. [2.558 #2632]

Ohabolana 7Mpivady iray lainga, faty no isarahana. [2.415 #1383, 2.653 #1996]
Mpivady iray lainga ka faty no isarahana. [2.165 #1746, 2.558 #2633]
Dikanteny frantsayDes époux qui sont unis dans le mensonge, la mort seule les séparera. [2.165]
Deux époux complices d' un même mensonge : la mort seule les séparera. [2.415 #1383]
Fanazavana frantsayExagération malicieuse qui fait allusion à la grande facilité du divorce. [2.415 #1383]

Ohabolana 8Mpivady iray raharaha: ny lahy malemy fihosy, ary ny vavy mateti-panetsa. [2.653 #1997]
Mpivady iray raharaha : ny lahy malemy fihosy, ny vavy mateti-panetsa. [2.558 #2634]
Ny lahy malemy fihosy ary ny vavy mateti-panetsa. [2.415 #1310]
Dikanteny frantsayC' est parce que le mari piétine bien la terre, que la femme peut faire bien serré le repiquage du riz. [2.415 #1310]
Fanazavana frantsaySe disait des ménages où il y avait bonne entente. [2.415 #1310]

Ohabolana 9Mpivady miray saina : fo tokana ihany. [2.558 #2635]

Ohabolana 10Ny adin' ny mpivady tahaky ny tokoam-bary am-bilany. [2.415 #1212]
Dikanteny frantsayDisputes entre le mari et la femme : l' un dit qu' il faut mettre beaucoup d' eau dans le riz et l' autre peu. [2.415 #1212]
Fanazavana frantsaySe disait des disputes incessantes mais sans gravité, sur des riens. [2.415 #1212]

Ohabolana 11Ny akoho no maty dia tenieranan' ny mpivady. [2.558 #2840]

Ohabolana 12Ny mpivady no miady : ny hitsiny no aolaka. [2.558 #3164]
Ny mpivady no miady, ny to no aolaka. [2.415 #1225, 2.653 #2359]
Dikanteny frantsaySi les époux se disputent c' est qu' il y a quelque injustice. [2.415 #1225]

Ohabolana 13Ny mpivady tsy ananan' olom-bola : miheby tsy arahin-tebaka. [2.558 #3165]

Ohabolana 14Ny tokoanam-bary aza iadian' ny mpivady. [2.558 #3304]

Ohabolana 15Raha fanambadiana ratsiratsy, aleo mianadahy mifanaja. [2.415 #1160]
Raha fanambadian-dratsy, aleo mpianadahy mifanaja. [2.558 #3562]
Raha tsy mifanaja ho mpivady, aleo mifanaja ho mpianadahy. [2.165 #1830, 2.415 #1401]
Dikanteny frantsayCeux qui ne s' entendent pas comme mari et femme, feraient mieux de s' entendre comme frère et sœur. [2.165]
Mieux vaut un frère et une soeur qui s' aiment et se respectent, qu' un mariage qui tourne mal. [2.415]
Si vous ne vous entendez pas comme époux, il vaut mieux vous entendre comme frère et soeur. [2.415]
Fanazavana frantsayIl faut vous séparer à l'amiable. [2.415 #1401]
Ils devraient se séparer à l' amiable. [2.165]

Ohabolana 16Raha mpivady mikorontan-dava, aza mihambo miadana, fa lainga. [2.558 #3629]

Ohabolana 17Raha mpivady tsy hifanaja, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia: ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.558 #3630, 2.653 #2701]
Dikanteny frantsayLorsque des époux ne s' aiment plus et ne se respectent plus, il vaut mieux que le divorce soit prononcé et que la femme redevienne la soeur respectée et protégée de son frère. [2.415]

Ohabolana 18Raha mpivady tsy mifandefitra, fandravana harena no farany. [2.558 #3631]

Ohabolana 19Toy ny adin' ny mpivady, ka ny tokoam-bary aza iadiana. [2.165 #1796]
Toy ny adin' ny mpivady : ny tokoam-bary aza iadiana. [2.415 #1336, 2.653]
Toy ny adin' ny mpivady : ny tokonam-bary aza iadiana. [2.558 #4245]
Dikanteny frantsayC'est comme les disputes entre époux : ils se disputent même sur le riz qui cuit sur le feu. [2.415 #1336]
Pareil à une querelle d' époux, la marmite qui est sur le feu suffit à la provoquer. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des disputes incessantes et sans gravité. [2.415 #1336]

Ohabolana 20Toy ny adin' ny mpivady : kely niandohana fa mahavaky vovonana. [2.558 #4245]

Ohabolana 21Tsy ny donak’ afo no mahafana ny trano, fa ny mpivady mifanara-draharaha. [2.653 #3560, 2.974 #133]
Dikanteny frantsayCe qui réchauffe la maison, ce n’est pas la chaleur du foyer, mais l’entente mutuelle des époux. [2.974 #133]

Fizahan-teny