Fizahan-teny

Ohabolana : omeo

Ohabolana 1Hajao ny vovonana, omeo voninahitra ny haratra, fandrao menatra ny olona tsy hajaina. [2.415 #634, 2.558 #86, 2.653]
Dikanteny frantsayRespectez les poutres du faîtage, honorez les pannes du toit de peur que vous ne soyez couvert de confusion devant les hommes que vous ne respectez pas. [2.415 #634]
Fanazavana frantsayCe proverbe s' appliquait aux chefs qui sont comparés au faîtage, et aux supérieurs subalternes qui sont comparés aux pannes du toit. [2.415 #634]

Ohabolana 2Kabarin-tsaka : vao miteny dia omeo. [2.558 #1588, 2.653 #1220]

Ohabolana 3Raha manao ka tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa, avelao hivarina amin-tany. [2.165 #667]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo, fa raha miraviravy tanana tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.415 #3967]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo ; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.653 #2688, 2.974]
Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa izay miezaka – na tsy ambinina aza – dia mendrika ny hampiana, fa izay mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina. [1.1]
Dikanteny frantsayLe travailleur qui n' a pas de chance doit être secouru, car c' est un parent malheureux ; mais le paresseux, il faut le laisser enterrer sans linceul de soie. [2.415 #3967]
Si le succès ne couronne pas ses efforts, aidez-le, car c’est un frère qui souffre ; mais s’il laisse pendre ses mains dans l’inaction, laissez-le choir. [2.974 #191]
Si quelqu' un travaille, mais sans profit, prêtez-lui, car c' est un malheureux; mais s' il se croise les bras sans rien faire, laissez-le souffrir. [2.165 #667]

Fizahan-teny