Fizahan-teny

Ohabolana : ovana

Ohabolana 1Antova ka nova, sahafa ka hafa. [1.147 #A87]

Ohabolana 2Ny tarehy no tsy azo ovana, fa ny toetra mora ovana. [2.558 #3269]
Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana. [2.415 #3053, 1.1]
Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa raha ny fanahy mora foana. [2.415 #3053]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny bika aman' endrika dia sarotra ovana satria efa izao no nanaovan' ny Nahary azy, fa ny toetra amam-panahy kosa dia miankina amin' ny sitrapon' ny tena ny mahatsara na maharatsy azy. [1.1]
Dikanteny frantsayUne vilaine figure ne peut pas être changée mais une mauvaise conduite peut facilement être changée. [2.415 #3053]
Fanazavana frantsayOn peut corriger sa conduite. [2.415 #3053]

Ohabolana 3Ny vintana tsy azon' olona ovana, fa didy avy amin' Andriamanitra. [2.415 #101]
Dikanteny frantsayLe destin ne peut pas être changé par les hommes, car c' est Dieu qui l' a fixé. [2.415 #101]
Fanazavana frantsayParoles des astrologues pour dire que le destin s'accomplira malgré tout. [2.415 #101]

Fizahan-teny