Fizahan-teny

Ohabolana : rano

Ohabolana 1Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ary ny any an-danitra andrandraina koa. [2.974 #301, 2.653]
Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ny any an-danitra koa andrandraina. [2.415 #6200]
Akoho misotro rano : ny eto an-tany jerena, ny lanitra andrandraina. [2.558]
Toy ny akohokely misotro rano, ka izay azo andrandraina ny lanitra. [2.558 #4248]
Dikanteny frantsayPoule qui boit de l'eau : elle regarde la terre, elle regarde aussi le ciel. [2.415 #6200]
Poule qui boit: un regard vers la terre, puis un regard vers le ciel. [2.974 #301]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait qu'il faut, avant d'agir, envisager non seulement le présent mais l' avenir, qu' il faut réfléchir ; ainsi la poule après avoir pris une gorgée, lève la tête vers le ciel. [2.415 #6200]

Ohabolana 2Amalona an-drano ny olombelona, ka be siasia. [1.1]
Amalona ka be siasia amin-drano. [2.558 #148]
Ny olombelona toy ny amalona aman-drano, ka be siasia. [2.415 #2740, 2.558 #3176, 2.653 #2367]
Ny olombelona toy ny amalona an-drano ka be siasia. [2.165 #3]
Fanazavana malagasyTsy maharitra ary miovaova ny olombelona, toy ny amalona ao anaty rano mitsoriaka atsy mitsoriaka aroa. [1.1]
Dikanteny frantsayLes hommes changent facilement et errent çà et là, comme les anguilles dans l' eau. [2.415 #2740]
Les hommes vont de-ci de-là comme les anguilles dans l' eau. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. ils errent, se trompent. [2.165]
L'homme est inconstant ; ce proverbe se disait surtout de ceux qui dévient du droit chemin et tombent dans une faute. [2.415 #2740]

Ohabolana 3Amalona tompon' ny rano hianao, izaho railovy tompon' ny ala, ka samia mahari-monina. [2.558 #149]

Ohabolana 4Antibavy kendan-drano : lany raha niangonana. [1.147 #A81]
Antidahy kendan-drano: lany raha niangoana. [2.165]
Fanazavana malagasyAnti-dahy kendan-drano, lany rehaka. + Ny rano no sisa zavatra ireharehan-drangahy, fa hany sisa laniny, fa ny zavatra rehetra efa tsy omby ny tendany avokoa; nefa io indray aza nahakenda azy. [2.165]

Ohabolana 5Arivo tatatra, zato renirano; faran' ny rano Ikopa ihany. [2.165 #456, 2.653]
Renirano zato, sakeli-drano arivo : Ikopa ihany no farany. [2.974 #165]
Renirano zato, sakeli-drano arivo : Matsiatra ihany no farany. [2.974 #165]
Renirano zato, tatatra arivo, fa Ikopa ihany no farany. [2.558]
Renirano zato, tatatra arivo: Ikopa ihany no farany. [2.653]
Tatatra zato, sakelidrano arivo, faran' ny rano any Matsiatra. [2.558 #4113, 2.653 #3048]
Dikanteny frantsayMille canaux, cent rivières: leur fin à tous est l' Ikopa. [2.165]
Fanazavana frantsayLe mensonge finit toujours par être dévoilé. [2.165]

Ohabolana 6Ataovy fitian-dranon' erika: madini-pihavy fa mahatondra-drano. [2.165 #200]
Aza manao fitian-dranon' erika: fa aoka hasesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ranonorana ho lany. [2.558 #499]
Aza manao fitian-dranon’ erika : madini-pihavy, fa mahatondra-drano ; fa aoka hasesiky ny fitia tanteraka, ka tsy mahalala ranonorana ho lany. [2.653 #444]
Dikanteny frantsayQue votre amitié soit comme la bruine: elle tombe fine, mais elle peut faire déborder les rivières. [2.165]

Ohabolana 7Aza atao fitia rano-trambo : be fihavy ka mora ritra ; fa ataovy tahaka ny rano am-pasika : tsy nampoizina hisy ka nahazoana. [2.974]
Aza ataonao fitia ranon-trambo : be fihavy, ka mora ritra ; fa ataovy tahaky ny rano am-pasika : tsy nampoizina hisy, ka nahazoana. [2.415 #5074]
Aza ataonao fitia rano-trambo: be fihavy, ka mora ritra; fa ataovy tahaka ny rano am-pasika: tsy nampoizina hisy, ka nahazoana. [2.653 #375]
Aza dia atao toy ny ranotrambo ny fitia, ka be fihavy fa mora tankina. [2.558 #434]
Aza manao fitia ranotrambo: be fihavy, fa mora mianina. [2.653 #443]
Aza manao fitia ranotrambo: be fihavy, fa mora ritra. [2.653 #443]
Aza manao fitia rano trambo: be fihavy, ka mora lasa. [2.165]
Dikanteny frantsayQue l’amour n’imite pas les fortes ondées : abondantes mais vite épuisées; mais qu’il soit comme l’eau cachée dans le sable : on n’y comptait pas, et l’on en trouve. [2.974 #9]
Que votre amitié ne soit pas comme l' eau d' un torrent: elle vient en grande abondance, mais disparaît en peu de temps. [2.165]
Que votre amour ne soit pas comme le torrent qui se déverse à grands flots et tarit vite ; mais qu' il soit comme l' eau dans le sable : on n' espérait pas en trouver et cependant on a pu en recueillir. [2.415 #5074]

Ohabolana 8Aza atao fitia savony : tiana ihany fa navalana rano. [2.558 #390]
Aza atao fitia savony : tiana ihany ka avalan-drano. [2.415 #5326]
Aza atao fitia savony: tiana ihany, ka avalan-drano; fa ataovy fitia foza kely, ka lany mbamy ny tongony. [2.653]
Dikanteny frantsayNe faites pas de l'amitié ainsi qu' on fait du savon, qu' on aime, mais qu' on laisse partir au courant de l' eau ; faites de l' amitié ce qu'on fait pour les jeunes crabes, dont on mange jusqu' aux pattes. [2.415 #5326]
Fanazavana frantsaySoyez constant dans vos affections et prouvez-le. [2.415 #5326]

Ohabolana 9Aza atao toy ny angady, ka ny lelany mitomboka tany, sasana amin' ny rano, fa ny zarany tsy mikasi-potaka, hosorana menaka. [2.558 #418]

Ohabolana 10Aza mahery an-drano. [2.415 #873]
Dikanteny frantsayNe soyez pas dur et cruel envers les vôtres dans la maison, et mou et lâche au-dehors envers les étrangers. [2.415 #873]

Ohabolana 11Aza manaiky lempona ihandronan' ny rano. [2.558 #482]
Manaiky lembenana ka ihandronan' ny rano. [2.165 #918, 2.653 #1493]
Manaiky lempona ka ihandronan' ny rano. [2.558 #1971, 2.653 #1493]
Nahoana no manaiky lempona ihandronan' ny rihitra (rano) ? [2.558 #176]
Dikanteny frantsaySe montrer d' accord par politesse et en souffrir ensuite. [2.165]
Fanazavana frantsayLitt. consentir à être un creux où l'eau reste à croupir. [2.165]

Ohabolana 12Aza manao rano dikain’ ny zinga. [2.165 #1391, 2.415 #5500, 2.558 #555, 2.653 #489]
Nahoana no manao rano dikain' ny zinga ? [2.558]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme il en est de l' eau franchie par la coupe à puiser. [2.415 #5500]
Ne faites pas comme l' eau franchie par la coupe à puiser. [2.165]
Fanazavana frantsayIl s' agit de l' eau qui se trouve dans une des grandes cruches qui servent de réservoir et de l' ustensile en fer blanc servant à y puiser. Les Malgaches considèrent qu' il n' est pas convenable que cet ustensile passe par-dessus une des cruches quand on puise dans une autre à côté. Ce proverbe veut dire qu' il n' est pas bon de ne pas suivre la filière, en s' adressant à un supérieur sans passer par les intermédiaires. [2.165]

Ohabolana 13Aza manao rano lalina ila. [2.415 #4980]
Dikanteny frantsayNe cachez pas des pièges et des artifices comme l' eau qui est profonde d' un côté seulement. [2.415 #4980]

Ohabolana 14Aza manao rano lalina ila ; ka raha marivo, hotsobohina ; fa raha lalina, hihemorana. [2.165 #940, 2.415 #5790]
Dikanteny frantsayNe dites pas (à propos d' un travail à entreprendre) que c' est comme une eau qui est peut-être profonde d' un côté et que, si elle est basse vous y entrerez, mais que si elle est profonde, au contraire, vous reculerez. [2.165]
Ne dites pas que c'est comme l' eau qui est profonde d' un côté, et que si elle est basse, vous entrerez ; mais si elle est profonde, vous reculerez. [2.415 #5790]
Fanazavana frantsayC. à. d. entreprenez résolument votre affaire, au lieu d' hésiter à en considérer les risques,. [2.165]
N' hésitez pas dans votre entreprise. [2.415 #5790]

Ohabolana 15Aza manao rano manindao namana. [2.165 #294]
Nahoana no manao rano manindao namana ? [2.415 #3128, 2.653 #2050]
Nahoana no manindao namana ohatra ny rano ? [2.558]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme l' eau d' une rivière emportant sa pareille. [2.165 #294]
Pourquoi faites-vous comme la pluie qui emporte ses compagnes ? [2.415 #3128]
Fanazavana frantsayOn appelait ainsi la pluie qui arrive vers la fin de la saison sèche, parce quelle provoque une évaporation subite qui dessèche la terre et emporte toute humidité ; ce proverbe se disait des rapports avec les parents et amis. [2.415 #3128]

Ohabolana 16Aza manao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana. [1.1]
Tsobo-dranon-dRamiangaly : marivo mihanana, lalina miherina. [1.147 #T170]
Tsobo-dranon-dRamiangaly : raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana. [2.558 #4466]
Fanazavana malagasyIlazana ireo olona tsy mety manao zavatra sarotra fa ny mora ihany no ataony. [1.1]

Ohabolana 17Aza milaza ho tetezana ka tsy sahy mita. [2.558 #780]
Aza milaza tetezana ka tsy sahy mita. [2.165 #935]
Tsy mety raha milaza rano marivo tsy sahy miroboka, na milaza tetezana fa tsy sahy mita. [2.558 #4647]
Tsy mety raha milaza tetezana, ka tsy sahy mita. [2.653 #3464, 2.974 #36]
Dikanteny frantsayNe parlez pas d' un pont sur lequel vous ne voulez pas passer vous-même. [2.165 #935]
Ne pas parler île pont, si l’on n'ose pas traverser. [2.974 #36]

Ohabolana 18Biby tsy mandeha tsy amin' ny lohany, hazo tsy maniry tsy amin' ny fakany. [2.558 #897]
Biby tsy mandeha tsy ny lohany ; hazo tsy maniry tsy ny fakany ; rano tsy mita tsy ny fandrana. [2.415 #965, 2.653 #764, 2.974 #319]
Mañalihale biby an-davake. [1.68]
Dikanteny frantsayChercher un animal dans son trou. [1.68]
L’animal ne marche que la tête en avant, l’arbre ne pousse que grâce à ses racines, l’eau ne s’écoule que par un canal. [2.974 #319]
Un serpent ne va pas sans sa tête, un arbre ne pousse pas sans ses racines, l' eau ne franchit pas un fossé sans qu' un tronc de palmier creusé lui serve de conduit. [2.415 #965]
Fanazavana frantsayChercher des problèmes. [1.68]
Se disait des enfants et des inférieurs que des gens malveillants montaient contre leurs parents ou leurs chefs et détachaient d' eux. [2.415 #965]

Ohabolana 19Efa nadio izay ny rano nitany. [2.558]

Ohabolana 20Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo ka misy mpanarina. [2.165, 2.558]
Faly raha tonga ny rano fanala kenda, raha malahelo ka misy mpanony, raha lavo no misy mpanarina. [2.415 #808, 2.653 #889]
Dikanteny frantsayNous sommes heureux, car l'eau est arrivée pour dégager le gosier obstrué ; malheureux nous avons un consolateur ; tombés à terre, nous avons quelqu' un qui nous relève. [2.415 #808]
On est content de trouver de l' eau quand on étouffe, un consolateur quand on a du chagrin, quelqu' un qui vous relève quand on est tombé. [2.165]
Fanazavana frantsayParoles dites aux protecteurs. [2.415 #808]

Ohabolana 21Fidiny ve ka ho tranon' amalona (rano) no laoka. [2.558 #1163]

Ohabolana 22Foza halohalo, tsikovo-dri-drano, lalina fisaina fa ho ritra ny rano. [2.558 #1213, 2.653 #993]
Lalina fisaina fa ho ritra ny rano! [2.558 #1690]
Tsikovo-drano, foza voatango : lalina fisaina fa ho ritra ny rano. [2.415 #6135, 2.558 #4428, 2.165]
Tsikovo-dri-drano, foza halahala, lalina fisaina, fa ho ela no hitoerana. [2.415]
Tsikovodrindrina, foza voatango: lalina fisaina, fa ho ritra ny rano. [2.653 #3300, 2.415]
Dikanteny frantsayAttention! dytiques, et crabes ayant perdu les pattes; voyez ce qu' il y a à faire, car l' eau va tarir. [2.165]
Dytiques et crabes qui avez perdu les pattes, réfléchissez bien car l' eau va tarir. [2.415 #6135]
Insecte aquatique et crabe à la saison sèche : il faut réfléchir profondément, car cela durera longtemps. [2.415 #6156]
Insecte tsikovodrindrina et crabe sans pattes, réfléchissez profondément, car l' eau va tarir. [2.415 #6157]
Fanazavana frantsayExhortation à la réflexion pour prévoir et organiser. [2.415 #6157]

Ohabolana 23Gaga aho, hoy ny vorombazaha, fa ny rano nandroako no nahamasaka ahy. [2.558 #1220]

Ohabolana 24Herin' ny jiro : menaka, fahosan' ny afo : rano. [2.165 #862, 2.558 #1311]
Dikanteny frantsayLa force de la lampe c' est le suif (qu' on y brûle), la faiblesse du feu c' est l' eau (qui l' éteint). [2.165]

Ohabolana 25Hitsikitsika tompon' ny dihy, vivy tompon' ny rano. [2.558 #1347]
Kitsikitsika tompon’ ny dihy, vivy tompon’ ny rano. [2.653 #1275, 2.415]
Vivy tompon' ny rano, kitsikitsika tompon' ny dihy. [2.415]
Dikanteny frantsayA la crécerelle la danse dans les airs, et l' eau à la poule d' eau. [2.415 #2262]
Fanazavana frantsayA chacun son bien. [2.415 #2262]

Ohabolana 26Horakoraka foana no an' ny sahona, fa ny tsiboboka ihany no tompon' ny rano. [2.165 #749]
Horakoraka ny an' ny sahona fa ny tsiboboka no tompon' ny rano. [2.558 #91]
Horakoraka no any ny sahona, fa ny tsiboboka ihany no tompon’ ny rano. [2.653]
Horakoraka no an' ny sahona, fa ny tsiboboka ihany no tompon' ny rano. [2.415 #843]
Dikanteny frantsayLe coassement est le partage des grenouilles, mais c' est le têtard qui est le maître de l' eau. [2.415 #843]
Les grenouilles font beaucoup de tapage, mais les vrais maîtres de l' eau ce sont les têtards. [2.165]
Fanazavana frantsayChacun doit se contenter de son sort sans envier ni dénigrer les autres ; les têtards sont les maîtres de l' eau parce qu'ils n'en sortent pas comme les grenouilles. [2.415 #843]
Parce qu' ils n' en sortent pas comme les grenouilles. [2.165]

Ohabolana 27Hosy be rano : izay mitranga loha voasolatra. [2.558 #96]

Ohabolana 28Hosy be rano ka mahavery bainga. [2.558 #95]
Hosy be rano ka mahavery ny bainga. [2.165 #1215]
Hosy be rano, mahavery ny bainga. [2.653 #1103]
Lainga tsara lahatra, mahavery rariny, hosy be rano, mahavery bainga. [2.558 #1681]
Dikanteny frantsayDans une rizière trop inondée d' eau, les mottes sont cachées. [2.165]
Fanazavana frantsayEt il est difficile de les briser, puisqu' on ne les voit pas. L' excès est nuisible en tout. [2.165]

Ohabolana 29Ilazany ny ampitsolava, ka misafo rano matetika. [2.415 #4196]
Dikanteny frantsayOn lui dit toujours à demain, et il se lave souvent pour se bien présenter. [2.415 #4196]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui sont toujours trompés. [2.415 #4196]

Ohabolana 30Indro soa, indro tsara, dia ny rano avara-tanàna no androana. [2.558 #1435, 2.653]

Ohabolana 31Ka manao Belalanda : mañirike rano mban-taola maike. [1.68]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme Belalanda : il plonge dans l'eau peu profonde. [1.68]

Ohabolana 32Ka manao sajoa feno rano likan-kôpe. [1.68]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme la cruche pleine d'eau au-dessus de laquelle la calebasse passe. [1.68]

Ohabolana 33Kely ny fitiavana ka tsy tafita ny rano. [2.558 #110]

Ohabolana 34Lany an-tetiny toy ny rano am-paladia. [2.165 #2239, 2.415 #2711, 2.558 #1730]
Dikanteny frantsayQui disparaît (est épuisé) petit à petit, comme de l' eau sous la plante des pieds. [2.165]
Qui s' épuise peu à peu comme l' eau sous la plante des pieds. [2.415 #2711]

Ohabolana 35Lany an-tetiny toy ny rano an-kitsaka akoho. [2.558 #116]

Ohabolana 36Lomotra ambony rano tsy mba mamotraka. [2.558 #138]

Ohabolana 37Lozoka toa hisy biby, rano toa hisy mamba, raha ny fo itokisana no lany. [2.558 #1820]

Ohabolana 38Mahantra indrindra aho, hoy ilay rombina : homan-tsosoa, raraka ivy ; homa-maina, latsaka hota ; homam-bary, misasaka amin' ny akoho ; misotro rano, very sasaka. [2.415 #2609]
Mahantra indrindra aho, hoy ilay rombina: homan-tsosoa, raraka ivy; homa-maina, latsaka ota; homam-bary, misasaka amy ny akoho; misotro rano, very sasaka. [2.653 #1407]
Mahantra indrindra ilay rombina, fa homan-tsosoa, rarak' ivy, homa-maina, latsak' ota. [2.558]
Dikanteny frantsayJe suis le plus malheureux des hommes, dit l' homme qui a un bec-de-lièvre : quand je mange du riz cuit avec beaucoup d' eau, ma salive coule ; quand je mange de la nourriture solide sans bouillon, je laisse tomber des parcelles déjà mastiquées ; quand je bois de l' eau, j' en perds la moitié. [2.415 #2609]
Fanazavana frantsayPlaintes de l' homme au bec-de-lièvre : on les appliquait à la perte des biens. [2.415 #2609]

Ohabolana 39Mahantra lahy, fa maka ny anaty rano, hanin' ny mamba, maka ny an-tanety hipoaham-baratra. [2.558]
Mahantra lahy : maka ny anaty rano, hohanin' ny mamba; maka ny an-tanety, hipoaham-baratra. [2.165]
Dikanteny frantsayQui est bien à plaindre: s' il va prendre ce qui est dans l' eau, il sera pris par les crocodiles; et s' il prend ce qui est sur la terre ferme, il sera frappé par la foudre. [2.165]

Ohabolana 40Mainty ambanin' ny rano hoatry ny tsikovoka. [2.415 #4240]
Mainty ambanin’ ny rano, toy ny tsikovoka. [2.653 #1438]
Mainty ambonin' ny rano toa tsikovoka. [2.558 #1901]
Dikanteny frantsayNoir sous l'eau comme les dytiques. [2.415 #4240]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne parviennent pas à se disculper. [2.415 #4240]

Ohabolana 41Maizina ny andro azo tsilovina, lalina ny hady, azo toharina, rangavina ny rano, azo lakanina. [2.558]
Maizina ny andro azo tsilovina, lalina ny rano azo lakanina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra. [1.1]
Maizina ny andro, azo tsilovina ; lalina ny rano, azo lakanina ; lalina ny hady, azo toharana ; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra. [2.415 #3021, 2.974 #446]
Maizina ny andro, azo tsilovina; lalina ny rano, azo lakanina; lalina ny hady, azo toharina; fa ny ratsy atao tsy mba azon-kevitra. [2.165 #135]
Dikanteny frantsayQuand le jour est obscur on peut éclairer avec des torches ; quand l' eau est profonde on peut la passer en pirogue ; quand les fossés sont profonds on peut se servir d' échelles ; mais le mal qu' on fait, on ne peut pas le réparer avec des expédients. [2.415 #3021]
S’il fait nuit, on prend un flambeau; si l’eau est profonde, on prend une pirogue ; si le fossé est profond, on prend une échelle ; mais si le mal est commis, il est irréparable. [2.974 #446]
S' il tait sombre, on peut éclairer; si l' eau est profonde, on peut la traverser en canot; si le fossé est profond, on peut y descendre par une échelle; mais une mauvaise action est sans remède. [2.165]

Ohabolana 42Malahelo be sampon-kanina ohatra ny mpanakalo rano. [2.558]
Malahelo be sampon-kanina toy ny mpanakalo rano. [2.165 #1451, 2.415 #2514]
Dikanteny frantsayPauvre qui a des victuailles extraordinaires, comme la vendeuse d' eau. [2.415 #2514]
Un malheureux possédant toutes sortes d' aliments, tel un débitant d' eau. [2.165]
Fanazavana frantsayEn échange de l'eau, elle recevait des morceaux de viande, des fruits, du miel. [2.415 #2514]
Quelquefois un pauvre se met à offrir de l'eau aux gens sur un marché, en échange de ce qu' on veut bien lui donner: petits morceaux de viande, morceaux de manioc, poignées de riz, etc., de sorte qu' il se trouve au bout de la journée possesseur d' une étrange collection de bagatelles. [2.165]

Ohabolana 43Mamba tsy maty anaty rano fa eny an-tanety. [2.558]

Ohabolana 44Manao vavan' ny maty an-drano, nony afa-doza lasa nitsaitsaika. [2.558 #2021]

Ohabolana 45Mandainga ity rano, hoy ilay boka nizaha tandindona. [2.558 #2050]
"Mandainga ny rano" , hoy ilay boka nizaha ny tandindony. [2.165 #2021]
Mandainga ny rano, hoy ilay boka nizaha tandindona. [2.415 #2006, 2.653 #1577]
Dikanteny frantsayL' eau est menteuse, dit le lépreux qui est allé voir son ombre dans l' eau. [2.415 #2006]
"L' eau ment" , s' écrie le lépreux en y voyant son image. [2.165]
Fanazavana frantsayIl est tellement enlaidi par la maladie qu' il ne peut presque pas croire que ce soit bien lui. [2.165]
On s' aveugle sur son propre compte. [2.415 #2006]

Ohabolana 46Mandà lem-body, koa sonzo rano. [1.6]
Dikanteny frantsayNe pas reconnaître avoir le derrière mouillé, tel un taro dans l'eau. [1.6]
Fanazavana frantsayPour quelqu'un qui nie sa culpabilité alors qu'elle est évidente. [1.6]

Ohabolana 47Manehin-drano: arakaraka an-tañana; manehim-pañahy: fañahy zahana. [2.165]
Fanazavana malagasyRaha mitsapa rano: hazo lava raisina; fa raha mitady fahendrena: fanahy jerena. [2.165]

Ohabolana 48Marary manetsa, ka mifidy na haka kitay na hantsaka rano. [2.558 #2135]
Marary manetsa : mifidy na hantsaka na haka kitay. [2.165 #2000, 2.415 #2808]
Dikanteny frantsayCelui qui est malade au moment du repiquage: il faut qu' il choisisse s' il veut aller chercher de l' eau, ou aller chercher du combustible. Le travail est tellement pressant à ce moment-là, que personne ne doit rester à rien faire, pas même les malades. [2.165]
Malade à l'époque du repiquage du riz : il faut qu'il choisisse entre l' eau ou le combustible à aller chercher. [2.415 #2808]
Fanazavana frantsayLe travail presse. [2.415 #2808]

Ohabolana 49Mba mipiapiaka ihany ny akoholahy, fa raha tratry ny rano mafana miraraka ompana. [2.558 #2220, 2.653]

Ohabolana 50Mihorakoraka foana ny sahona, fa ny tsiboboka ihany tompon' ny rano ; fa raha ritra ny rano, mitsipika ny sahona, fa ny tsiboboka dia amin' ny rano ritra. [2.415 #4050]
Dikanteny frantsayLes grenouilles coassent, mais les têtards sont les maîtres de l' eau ; quand il n' y a plus d' eau, les grenouilles sautent et les têtards restent dans l' eau desséchée. [2.415 #4050]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des hôtes et des visiteurs : c' est bien tant qu' il y a des vivres, mais quand il n' y en a plus, les visiteurs partent et ce sont les hôtes qui restent sans vivres. [2.415 #4050]

Ohabolana 51Miloloha rano roa siny. [1.1]
Fanazavana malagasyMisahana asa maso ka tsy misy vita tsara tomombana. [1.1]

Ohabolana 52Mipararetra rano an-dravina. [2.415 #5708]
Dikanteny frantsayTrembler de peur ou de froid, comme les gouttes d' eau sur les feuilles. [2.415 #5708]

Ohabolana 53Miriorio foana ny angidina fa any anaty rano ihany no iafarany. [1.1]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany ny iafarana. [2.653]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no farany. [2.165 #857]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no hiafarana. [2.974 #220]
Miriorio foana ny angidina fa any an-kady ihany no hiafarany. [2.558 #154]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no iafarana. [2.415 #4016]
Mivezivezy hoatry ny rano miriorio hoatry ny angidina. [2.415 #3043]
Mivezivezy ohatra ny rano; miriorio ohatra ny angidina. [2.165]
Mivezivezy toa rano, miriorio toa angidina. [2.558 #2521]
Fanazavana malagasyNa inona na inona atao, ny hiafarana dia any amin' izay efa faleha araka ny fombany avy ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayAller de côté et d' autre comme un cours d' eau, rôder comme une libellule. [2.165]
Errer de côté et d' autre comme l' eau, rôder comme une libellule. [2.415 #3043]
La libellule vole çà et là en vain, car elle finira quand même dans le fossé. [2.165]
La libellule voltige à droite et à gauche, mais elle finira par le fossé. [2.974 #220]
Les libellules ont beau errer partout, elles finissent bien par aller dans le fossé. [2.415 #4016]
Fanazavana frantsayIl faut travailler. [2.415 #3043]
Se disait des marchands qui finissent par revenir dans leur patrie ; se disait aussi de ceux qui, après bien des errements, reviennent dans leur famille. [2.415 #4016]

Ohabolana 54Misalasala hoatry ny mitoetra amin-drenikely : manoza tanana, mandany rano ; mitoetra amin' izao, zaza veta. [2.415 #5812]
Misalasala, ohatra ny mitoetra amin-drenikely : manoza tanana, mandany rano; mitoetra amin’ izao, zaza veta. [2.653]
Misalasala ohatra ny mitoetra amin-drenikely : mioza tanana lazaina ho mandany rano, mitoetra amin' izao, lazaina ho voretra. [2.558]
Dikanteny frantsayÊtre dans l'embarras, comme l' enfant qui habite avec sa marâtre : s'il se lave les mains, elle dit qu' il gaspille l' eau ; s' il reste sans se laver, elle dit que c' est un enfant malpropre. [2.415 #5812]
Fanazavana frantsaySe disait des gens toujours blâmés, quoi qu' ils fassent. [2.415 #5812]

Ohabolana 55Misotro rano an-tanam-bazo : tsy hetaheta fa angolangola. [2.415 #1417, 2.558 #2420]
Sotro-rano an-tanam-bady: tsy hetaheta fa angolangola. [2.653 #2945]
Sotro rano an-tanam-bazo tsy hetaheta fa angolangola. [2.558, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza haitraitra kely mba hamalifaliana ny hafa fotsiny fa tsy zavatra tsy maintsy ilainy akory. [1.1]
Dikanteny frantsayBoire de l' eau dans la main d' une amante, ce n' est pas la soif qui vous pousse, mais la passion. [2.415 #1417]

Ohabolana 56Misotro rano eny ambony lakana : ny tsy afa-po mamerina. [2.558 #2421]

Ohabolana 57Mita rano havozona, ka sarisarin-domano. [2.653 #1845]
Toy ny mita rano hatenda, ka manao sarisarin-domano. [2.165 #1218, 2.415 #3763]
Dikanteny frantsayComme de traverser de l' eau qui vous va jusqu' au cou, on nage presque. [2.165 #1218]
Traverser de 1' eau qui arrive jusqu' au cou, c' est presque nager. [2.415 #3763]
Fanazavana frantsayChose difficile. [2.415 #3763]

Ohabolana 58Mita rano saro-mamba. [2.415 #2628, 1.1]
Fanazavana malagasyMandalo fotoan-tsarotra. [1.1]
Dikanteny frantsayPasser par une épreuve dangereuse, c' est passer à gué une rivière peuplée de caïmans. [2.415 #2628]

Ohabolana 59Mitoko miefa-madinika toy ny rano an-kitsak' akoho. [2.415 #3710]
Ny fanompoana hoatry ny rano an-kitsak' akoho : mitelo miefa-madinika. [2.415 #385]
Ny fanompoana ohatra ny ranoan-kitsak’ akoho : mitelo miefa-madinika. [2.653]
Ny fanompoana tahaka ny rano an-kitsaka akoho, ka mitelo miefa-madinika. [2.558 #190]
Dikanteny frantsayLa corvée est comme l' eau dans la trace laissée par une patte de poule : ça se partage en trois puis en quatre. [2.415 #385]
Se partager en quatre comme l' eau dans l' empreinte laissée par une patte de poule. [2.415 #3710]
Fanazavana frantsayDans la corvée il y a toujours plus de travail qu' on ne l'avait annoncé. [2.415 #385]
Se disait de la corvée ou autre travail où il y a plus à faire qu' on ne l' avait dit ou pensé. [2.415 #3710]

Ohabolana 60Mitolona anaty rano ka samy lena. [2.165 #326, 2.558 #2461]
Mitolona anaty rano : samy lena. [2.415 #3495, 2.653 #1873]
Dikanteny frantsayLutte à mains plates dans l' eau : les deux combattants sont mouillés. [2.415 #3495]
Quand deux se battent dans l' eau, les deux sont mouillés. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des disputes où les deux partis étaient atteints. [2.415]

Ohabolana 61Mitrehatreha toa rano tapany. [2.558 #2488]

Ohabolana 62Mitsirika ambany rano toa mamba. [2.415 #724]
Dikanteny frantsaySemblable au caïman qui regarde par-dessous l' eau s' il y a une proie à saisir. [2.415 #724]
Fanazavana frantsayS'appliquait aux voleurs. [2.415 #724]

Ohabolana 63Mpanakalo rano merik' andro, ka izay rahampitso no asa fa ny anio hariam-potsiny. [2.558 #2570]

Ohabolana 64Mpanakalo rano tratr’ orana : enjehin’ ny varotra ataony. [2.653 #1962]
Mpanakalo rano tratr' orana ka enjehin' ny varotra ataony. [2.558 #2571, 2.415]
Mpanakalo rano tratr' orana, ka enjehin' ny zavatra ataony. [2.165 #1716]
Mpivaro-drano tratr' orana ka enjehin' ny varotra ataony. [1.1]
Mpivaro-drano tratr' orana, ka ny varotra atao ihany no manenjika. [2.415]
Fanazavana malagasyIlazana ny mpanao ratsy ivalian' ny ratsy fanaony. [1.1]
Dikanteny frantsayMarchand d' eau pris par la pluie : il est poursuivi par ce qui fait l' objet de son commerce. [2.415 #2728]
Un débitant (litt. changeur) d' eau atteint par la pluie est ainsi poursuivi par la chose dont il s' occupait (c.à.d. par l' eau). [2.165]
Fanazavana frantsayOn est puni par où l'on a péché. [2.415 #2728]

Ohabolana 65Mpantsaka rano tratr' orana : hihazakazaka toa maninana ny lanitra, hidarona kotsakotsa. [2.558 #2604]

Ohabolana 66Mpianadahy mita rano ka henatra ifanakonana. [2.415 #1154, 2.558 #2608, 2.653 #1973]
Mpianadahy mita rano, ka samy tompon-kenatra ihany. [2.165 #1125]
Dikanteny frantsayFrère et soeur qui passent ensemble le gué : c' est par pudeur réciproque qu' ils sont réservés de regard. [2.415]
Un frère et une sœur traversant l' eau, ils ont honte tous les deux. [2.165 #1125]

Ohabolana 67Mpilomano tsy mahay, ka tsy manalavitra ny lakana (morona). [2.558 #2621]
Mpilomano tsy mahay rano (izahay), ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.653 #1986]
Mpilomano tsy mahay rano, ka tsy mba manalavitra ny lakana. [2.415 #818]
Dikanteny frantsayNous sommes des nageurs ne sachant pas bien nager : nous ne nous éloignerons pas de la pirogue. [2.415 #818]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la nécessité d' un appui. [2.415 #818]

Ohabolana 68Nahoana no efa afo, ka vao motro ary efa rano vao mahetsaka ? [2.558 #2680]
Nahoana no efa afo, ka vao motro; rano, ka vao mahetsaka ? [2.165 #2302, 2.415 #6369, 2.653 #2040]
Dikanteny frantsayPourquoi feu sur feu ? pourquoi eau sur eau ? [2.415 #6369]
Fanazavana frantsaySe disait de celui qui est en faute et ajoute encore à sa faute. [2.415 #6369]

Ohabolana 69Nangetaheta aho, ka sendra rano ; nanakororo-bary, ka sendra rivotra ; naniry zaza, ka tera-dahy. [2.415 #931]
Naniry zaza ka tera-dahy. [2.558 #2750]
Dikanteny frantsayJ' avais soif et j' ai trouvé de l' eau ; je vannais le riz et il est survenu un bon vent ; je désirais un enfant et un garçon m' est né. [2.415 #931]
Fanazavana frantsayParoles dites par la reine Ranavalona I à la naissance de son fils Radama II ; ce proverbe se disait de ceux qui réussissaient en tout. [2.415 #931]

Ohabolana 70Na rano aza ny riana, tsy fitehin-dakana. [2.558 #2751]

Ohabolana 71Ny amoron-kady mahita ny tevana, ny amoron-drano no mahita ny lalina. [2.558 #188]
Ny ao amoron-kady no mahita ny tevana, ary ny eo amoron-drano no mahita ny rano lalina. [2.415 #6240, 2.653 #2180]
Ny eo amoron-kady no mahita ny tevana, ary ny eo amoron-drano no mahita ny rano lalina. [2.974 #89]
Dikanteny frantsayC’est au bord du jossé qu’on est bien placé pour voir le précipice ; c’est au bord de l’eau qu’on peut constater la profondeur du fleuve. [2.974 #89]
Ceux qui sont au bord du fossé voient le précipice ; ceux qui sont au bord de l' eau en voient la profondeur. [2.415 #6240]
Fanazavana frantsayL'expérience rend prévoyant et prudent. [2.415 #6240]

Ohabolana 72Ny an-drano reny no irahina, ka ny tsy an-drano reny no tafatoangana aloha. [2.653 #2164]
Ny an-drano reny no irahina, ka ny tsy an-drano reny no tafatsangana aloha. [2.415 #1037]
Ny an-trano reny no irahina, ka ny tsy an-trano reny no tafatsangana aloha. [2.558 #2896]
Dikanteny frantsayOn envoie au travail ou en commission l' enfant qui a sa mère au foyer, et c' est l' orphelin qui se lève le premier pour y aller. [2.415 #1037]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui cherchaient à se ménager les bonnes grâces. [2.415 #1037]

Ohabolana 73Ny an-drano reny no mifananatra, ka ny kamboty no hendry aloha. [2.653, 2.415]
Ny an-drano reny no mifananatra, ka ny kamboty no mahazo anatra. [2.653]
Ny an-drano reny no mifananatra, ka ny kamboty no makazo anatra. [2.415]
Ny an-trano reny no mifananatra, ka ny kamboty no mandatsaka am-po. [2.558 #2897]
Dikanteny frantsayCe sont les enfants ayant leur mère au foyer qui se gourmandent réciproquement, et c' est l' orphelin qui en profite et est déjà sage. [2.415 #1038]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait le soin que prenaient les orphelins pour se ménager les bonnes grâces. [2.415 #1038]

Ohabolana 74Ny fefiloha no ataontsika, fahavaloko ny rano. [2.415 #389]
Dikanteny frantsaySi nous faisons des digues, c' est que l' eau est mon ennemie. [2.415 #389]
Fanazavana frantsayParoles proverbiales du roi Andrianampoinimerina ; ce souverain fit faire de grands travaux pour arrêter les inondations de l' Ikopa si nuisibles aux récoltes de riz. [2.415]

Ohabolana 75Ny fo rano mafana, ka izay tsy mahatsindry azy no mainy. [2.558 #3012]

Ohabolana 76Ny fo rano mafana, ka manao ny tsy lefitra. [2.415 #5667]
Ny fo rano mafana, ka manao ny tsy lefitra : raha manao izany, ny anay dia vady afaka. [2.415 #1392]
Dikanteny frantsayLe coeur est comme de l' eau chaude, il se laisse aller à faire des choses insupportables : s' il en est ainsi, notre fille sera déliée du mariage. [2.415]
Le coeur est comme l' eau chaude, et il fait ce qui dépasse la mesure, ce qui est insupportable. [2.415]
Fanazavana frantsayPar ces paroles les parents de la femme stipulaient le divorce. [2.415 #1392]

Ohabolana 77Ny harena dia hoatry ny rano an-tami-bato : raha tazanina, toa be ; raha andraofana, tsy ahazoana hoatrinona. [2.415 #2222]
Ny harena dia ohatra ny rano an-tami-bato: raha tazanina toa be, raha andraofana tsy ahazoana ohatrinona. [1.1]
Ny harena rano an-tami-bato: tazanina, be; andraofana, tsy ahazoana. [1.3]
Dikanteny frantsayLa fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : de loin cela semble abondant et quand on approche, c' est à peine si on peut en puiser pour boire. [2.415 #2222]
La fortune est comme l'eau suintant des roches: de loin elle semble abondante, quand on approche, on peut à peine en puiser pour boire. [1.3]

Ohabolana 78Ny mahay rano ihany no maty an-drano. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-mampitandrina fa izay matoky ny fahaizany ihany no mety hiharam-pahavoazana, fa izay tsy mahay kosa mipetraka amin' ny tsy fahaizany ka tsy maninon-tsy maninona. [1.1]
Raha misy rano lalina, tsy ny tsy mahay milomano akory no sahy hiroboka, fa ny mahay ihany, ka amin' izany no mety hahafaty ny mahay rano. [1.1]

Ohabolana 79Ny mamba handramby tsy mba mikoba-drano. [2.558 #3096]

Ohabolana 80Ny rano no mandriana, ny vato. [2.415 #3502]
Dikanteny frantsayCe qui fait que l' eau tombe en cascade, ce sont les rochers. [2.415 #3502]
Fanazavana frantsayIl n' y a pas d'effet sans cause et pas de dispute sans motif. [2.415 #3502]

Ohabolana 81Ny tsiny toy ny rano an' ambo: tsy hita koa mahavoa. [1.1 #61]

Ohabolana 82Ny vady tiana nitera-dahy, ary ny rano nantsakaina nisy ventiny. [2.415 #1318]
Dikanteny frantsayL' épouse chérie a mis au monde un fils, l' eau qu' on a puisée est devenue un bien solide. [2.415 #1318]
Fanazavana frantsayEn buvant superstitieusement de l'eau indiquée par le devin, les femmes croyaient obtenir des enfants. [2.415 #1318]

Ohabolana 83Ny voamena zaton' i dada, ny sotro rano tsy tian' i neny. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo fisahiranan' ny ray aman-dreny amin' ny zanany, ka ny an' ny reny, dia ny mikasika indrindra ny niterahany azy; ny an' ny ray kosa, ny mikasika ny fitadiavam-bola hamelomana azy. [1.1]
Enti-milaza ny fahasahiranana mafy nentin' ny ray sy ny reny amin' ny famelomana, fikarakarana ny zanaka eo amin' ny taona mbola maha-kely azy indrindra. [1.1]

Ohabolana 84Ny vola dia rano an-driana : ny lasa dia lasa ihany, ny tonga dia tonga ihany koa. [2.558 #3361]

Ohabolana 85Ombalahy navalan-drano : ny hery efa kely, fa hambom-po no sisa. [2.415 #6032]
Ombilahy navalan-drano, ka ny hery efa kely fa ny hambom-po no sisa. [2.558 #3416]
Ombilahy navalan-drano: ny hery efa kely, fa hambom-po no sisa. [2.653 #2563]
Dikanteny frantsayTaureau jeté dans le courant d' une rivière : sa force est bien diminuée, mais il lui reste la fierté. [2.415 #6032]
Fanazavana frantsaySe disait de gens déchus et qui restent fiers. [2.415 #6032]

Ohabolana 86Ompa ho mate, soa ho lava velo. [1.68]
Ompan-ko faty vao ela velona. [2.558 #3447, 2.653 #2574]
Voavahy an-dafin-drano : ompan-ko faty ka vao ela velona. [2.415 #4229, 2.653 #3717]
Voavahy an-datin-drano : ompan-ko faty vao ela velona. [2.558]
Dikanteny frantsayHaricots qui sont de l' autre côté de l' eau : plus on leur souhaite la mort et plus longtemps ils vivent. [2.415 #4229]
Plus on lui souhaite de mal, plus il vit longtemps. [1.68]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes auxquelles on souhaite en vain des malheurs. [2.415 #4229]

Ohabolana 87Rafotsibe manara-moron-drano ka tsy mahazo, dia miroboka ka maty nandimby ananana. [2.415 #1900]
Dikanteny frantsayVieille qui suit le bord de l' eau pour pêcher ; ne prenant rien, elle se met à l' eau pour poursuivre les poissons, elle se noie et devient la proie de ceux qu' elle voulait manger. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des plaideurs qui perdaient leurs biens dans les procès où ils voulaient prendre le bien des autres. [2.415 #1900]

Ohabolana 88Rafotsibe maty andro nandroana: sady tsy enina ny aty no tsy enina ny any Ambondrombe. [1.11]
Rafotsibe maty andro nandroan-drano : tsy enina ny vodiakoho aty, tsy enina ny vodiakoho any Ambondrombe. [2.415 #1901]
Dikanteny frantsayUne vieille décédée le jour de la fête du Bain: elle n'a plus part aux réjouissances sur la terre et n'en a pas encore à Ambondrombe. [1.11]
Vieille qui meurt le jour du Bain royal ou fête nationale : elle ne reçoit pas le croupion d'honneur ici-bas, elle ne le reçoit pas non plus à Ambondrombe dans la demeure des morts. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens frustrés dans la distribution. [2.415]
Se dit de quelqu'un perdant des deux côtés dans une affaire. [1.11]

Ohabolana 89Rafotsibe mita rano: izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita. [2.415]
Rafotsibe nita rano: izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika na ho tafita. [2.558 #3530, 2.653 #2623]
Rafotsibe nita rano, ka "Izay hahasoa ataovin' Andriamanitra, na ho rendrika, na ho tafita!". [2.165]
Dikanteny frantsayLa vieille femme traversant l' eau, dit: "Que Dieu fasse ce qui lui semble bon, soit que je chavire, soit que j' arrive de l' autre côté" . [2.165]
Vieille femme qui va passer l' eau : que ce qui m'est bon, dit-elle, soit accompli par la volonté de Dieu, soit que je doive être noyée, soit que je doive traverser saine et sauve. [2.415 #49]
Fanazavana frantsayAdvienne que pourra! [2.165]
A la grâce de Dieu ! Ce proverbe se disait en guise de souhait. [2.415 #49]

Ohabolana 90Raha mahita ny asa vadi-drano, dia alao aho ray maro; fa nony mahita ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty aho. [2.165 #619]
Dikanteny frantsayQuand je vois un travail rude à faire, j' appelle les autres (pour m' aider), mais quand je vois une anguille salée (à manger), je n' ai pas d' autres amis que les morts. [2.165]

Ohabolana 91Raha mamba sy voay no miady, aoka hifandramatra, fa samy tompon' ny rano ary raha misy maty dia mihena ny mpiandry fitàna. [2.558]

Ohabolana 92Raha omby mianaka ratsy foana, tsy mahaleo ny hadivory tsara rano velona manandriana olona. [2.415 #2237, 2.558 #3644, 2.653]
Dikanteny frantsayUne mauvaise vache laitière avec son veau, cela ne vaut pas une bonne habitation entourée de fossés protecteurs et pourvue d' une bonne eau courante qui donne aux habitants un air de prospérité. [2.415 #2237]

Ohabolana 93Raha rano no taitra dia hamaky ny fefiloha ; fa raha fo no taitra maharava fihavanana. [2.653 #2708, 2.415, 2.974]
Raha rano no taitra, mamaky fefiloha, fa raha fo no taitra, maharava fihavanana. [2.558 #3647]
Dikanteny frantsayQuand c' est une rivière qui s' irrite, les digues sont rompues ; mais quand c' est un coeur qui s' irrite, ce sont les relations d' amitié qui sont rompues. [2.415]
Quand l'eau déborde, les digues sont rompues; quand le cœur déborde, l’entente est rompue. [2.974]

Ohabolana 94Raha revom-potaka, ny rano no manala ; raha revon-teny, ny vava no manala ; raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.415 #4814]
Raha revom-potaka, ny rano no manasa ; raha revom-bava, ny harena no manala. [2.415 #4815]
Raha revom-potaka, rano no manadio azy, raha revon-kabary, ny vava no manala azy, raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.558 #3649]
Raha revom-potaka, rano no manala ; raha revon-teny, ny vava no manala ; raha revon’ alahelo, ny havana no itarainana. [2.653 #2709, 2.974 #379]
Raha revom-potaka, rano no manala; raha revon-teny, vava no manala; raha revon' alahelo, ny havana no itarainana. [2.165]
Raha revom-potaka, rano no manasa; raha revon-teny, vava no manala; raha revon' alahelo, havana no itarainana. [1.1]
Fanazavana malagasyFitenenana somary ohabolana enti-milaza fotokevitra iray, dia ny hoe: raha misy mahavoa ny tena dia any amin' ny havana no idodododoana. [1.1]
Dikanteny frantsayC’est l’eau qui vous lave de la boue; c’est la réplique qui nous venge des mauvaises langues ; ce sont les parents qui sont le refuge dans l’affliction. [2.974 #379]
Quand on est couvert de boue, on se lave avec de l' eau; quand on s' est attiré des difficultés par son langage, on s' en tire avec des paroles; et quand on est dans la peine (ou le chagrin), c' est à ses amis (ou parents) qu' on s' adresse. [2.165]
Quand on est plein de boue, on se lave avec de l' eau ; quand on s' est mis dans l' embarras par ses paroles, on s' en tire avec des excuses ; quand on est dans le chagrin on se console en racontant ses peines à ses parents. [2.415 #4814]
Si on s' est couvert de boue, on s' en débarrasse avec de l' eau ; si on s' est mis dans l' embarras par son langage, on s' en tire avec de l' argent. [2.415 #4815]

Ohabolana 95Raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha ; ary raha tataka omby loha, dia tataka omby lena, toy ny rano am-pasika. [2.653, 2.974]
Raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha; ary raha tataka omby loha, dia tataka omby tena. [2.165 #1364]
Raha tataka omby tondro, dia tataka omby loha, raha tataka omby loha dia tataka omby tena, toy ny rano am-pasika. [2.558 #3660]
Dikanteny frantsayUne ouverture ou le doigt peut entrer est bientôt une ouverture où peut passer la tête ; et quand la tête y passe, c’est bientôt tout le corps qui peut s’y introduire, — telle l’eau dans le sable. [2.974 #226]
Un trou grand comme le doigt deviendra bientôt assez grand pour que la tête puisse y passer; et par un trou où la tête peut passer, le corps tout entier passera bientôt. [2.165]
Fanazavana frantsayLes petits commencements peuvent mener loin, surtout dans le mal. [2.165]

Ohabolana 96Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manankavana afa-tsy ny maty aho, fa raha tonga ny asa vadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina. [1.1 #57]
Raha tonga ny amalom-boasira, tsy manan-kavana afa-tsy ny maty ; ary raha tonga ny asa vadi-drano, havako daholo Imamo sy Imerina [2.415 #2323, 1.3]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tia tena fatratra izay tsy mahalala na iza na iza rehefa ao anatin' ny fiadanana, nefa kosa midodododo manatona ny hafa rehefa misy mahaporitra. [1.1 #57]
Dikanteny frantsayQuand on a une anguille salée on prétend n' avoir de parents que chez les morts ; mais quand on a un travail de rizière pénible ou une affaire difficile, on se dit parent de tout le pays d' Imamo et d' Imerina. [2.415 #2323]
Fanazavana frantsayDans la prospérité on ne veut partager avec personne et dans le malheur on frappe à toutes les portes. [2.415 #2323]
Dans le bonheur on ne partage avec personne, dans le malheur on frappe à toutes les portes [1.3]

Ohabolana 97Raha tsy azoko anio ialahy ry ambolo bitaka, ry ambolo matavy, azoko rahampitso [2.470]
Zozoro miantaha rano, ka sangasanga no farany. [2.165 #1700, 2.415 #2127]
Zozoro miantaha rano, ka sangasanga no sisa. [2.558]
Zozoro miantaha rano : sangasanga no farany. [2.653 #3790]
Dikanteny frantsayDes joncs qui ne profitent pas de l' eau, le panache seul sera utilisable (ou: restera). [2.165 #1700]
Joncs qui ne profitent pas de l' eau : il n' en restera que le panache. [2.415 #2127]

Ohabolana 98Raha vazo mitovy ihany, ahoana no hita rano. [2.558 #3678]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no akariko ho vady. [2.415 #780, 2.653]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no alaina. [2.415 #1232]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no tsara. [2.165]
Dikanteny frantsayEntre deux femmes de qualités égales, il vaut mieux prendre la plus proche, celle qui n' est pas de l' autre côté de l' eau. [2.415 #1232]
Entre deux maîtresses qui se valent à peu près, je prends pour femme celle que je peux avoir sans passer la rivière. [2.415 #780]
S' il s' agit de deux jeunes filles de condition à peu près égale, je prendrai plutôt celle pour laquelle il n' est pas besoin de traverser l' eau. [2.165]
Fanazavana frantsayEntre deux biens, il faut prendre le plus sûr ou le plus facile. [2.415 #780]
Les choses étant à peu près égales par ailleurs, on choisit toujours la plus facile à faire. [2.165]
Se disait pour le choix d'une maîtresse, ou pour celui d' une fiancée ; sens plus général : entre deux affaires d' égale importance, il faut choisir la plus facile. [2.415 #1232]

Ohabolana 99Raha zatra ny rano fanaovana an-tsitrika, aza ny honahona avy no sangisangiana. [2.558 #3684]

Ohabolana 100Rainy lany voamena zato sy reniny nihazon-drindrina irery ary nisotro rano. [2.415 #995]
Dikanteny frantsayEnfant ingrat : son père a dépensé pour lui vingt francs, et sa mère pour avoir du lait après l' enfantement s' est appuyée au mur et a bu de l' eau, et il se montre ingrat envers eux ! [2.415 #995]

Ohabolana 101Rano an-tami-bato : raha tazanina, be ihany ; fa raha raofina, tsy ahazahoana. [2.415]
Rano an-tanim-bato : raha tazanina, be ihany ; fa raha raofina, tsy ahazoana. [2.653]
Toy ny rano an-tami-bato: tazanina, mangiakiaka, ka nony tovozina, tsy mahafeno siny. [2.653]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovi-manelatra ihany, fa nony tovozina tsy ahazoana. [2.558 #4317]
Toy ny rano an-tami-bato: tsinjovina, manelatra ihany, ka nony tovozina, tsy azahoana. [2.653]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina, manelatra ; tovozina, tsy ahazahoana. [2.415 #2254]
Toy ny rano an-tami-bato : tsinjovina, mangiakiaka ; ka nony tovozina, tsy ahazahoana. [2.415 #2254]
Toy ny rano an-tanim-bato: tsinjovina, manelatra ihany, fa nony tovozina, tsy ahazoana. [2.165 #481]
Dikanteny frantsayEau qui suinte des rochers : quand on regarde elle semble être abondante ; mais quand on veut y puiser on ne peut pas. [2.415 #2241]
La fortune est comme l' eau qui suinte des rochers : quand on la regarde elle brille, mais quand on veut y puiser il n' y a pas moyen. [2.415 #2254]
Pareil à l' eau suintant d'un rocher: de loin elle brille beaucoup, mais quand on veut la puiser, il y en a trop peu pour en prendre. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de la fortune. [2.415 #2241]

Ohabolana 102Rano antsakaina mody ventiny. [2.415 #938, 2.653 #2754, 2.165]
Rano antsakaina mody ventiny, fa tonga ny fanambinana. [2.558 #3705]
Dikanteny frantsayDe l' eau puisée devient quelque chose de substantiel, pour ceux qui savent en tirer parti. [2.165]
Eau puisée, devient un bien solide. [2.415 #938]
Fanazavana frantsayAllusion à la mère qui en buvant superstitieusement de l'eau, a obtenu l' enfant quelle désirait ; se disait des faveurs obtenues, des bonnes aubaines. [2.415 #938]

Ohabolana 103Rano an-tsofina : raha tsy ampiana, tsy afaka. [2.415 #4450]
Dikanteny frantsayQuand on a un peu d' eau dans l' oreille, on ne peut la faire sortir qu'en en mettant davantage. [2.415 #4450]
Fanazavana frantsayPour obtenir le paiement d' une petite créance, il faut prêter davantage. [2.415 #4450]

Ohabolana 104Rano fanala kenda, havana fanala henatra. [2.558 #3706]

Ohabolana 105Rano iray hoatry ny sangan' Inampy. [2.415 #1698]
Rano iray ohatra ny sangan' Inampy. [2.165, 2.558]
Dikanteny frantsayTout uni (ou uniforme), comme la chevelure d' Inampy. [2.165]
Uni comme le toupet d' Inampy. [2.415 #1698]
Fanazavana frantsayInampy était un personnage légendaire. [2.415]

Ohabolana 106Rano no nahakenda ka ny sanga no boriana? [2.558 #3710]

Ohabolana 107Rano raraka tsy azo raofina. [2.558 #3712]

Ohabolana 108Rano raraka tsy azo raofina ; ny lasa tsy mba miverina. [2.415 #2743]
Dikanteny frantsayL' eau, une fois répandue, ne peut être ramassée ; le passé ne revient pas. [2.415 #2743]
Fanazavana frantsayIl est trop tard pour se repentir d' une parole ou d' une action, mais il faut faire attention à l' avenir afin de ne pas recommencer. [2.415 #2743]

Ohabolana 109Rano tapa-tsiny ka avezivezy, fanambadiana terena ka dokafana. [2.558 #3713]

Ohabolana 110Rano tsy androana, tsy mahafatseroka, lamba tsy atafy, tsy mahafana, ny vary tsy hanina, tsy mahavoky, ny raharaha tsy atao, tsy lavorary. [2.558 #3714]
Rano tsy androana tsy mahafa-tseroka, ny lamba tsy atafy tsy mahafana, ny vary tsy hanina tsy mahavoky, ny raharaha tsy atao tsy mety lavorary. [2.165 #725, 2.415 #3969]
Dikanteny frantsayL' eau dans laquelle on ne se baigne pas n' enlève pas la crasse; un vêtement qu' on ne met pas ne préserve pas du froid; le riz qu' on ne mange pas ne rassasie pas; le travail qu' on ne fait pas ne peut réussir. [2.165]
L' eau dans laquelle on ne se trempe pas n' enlève pas la crasse, le vêtement qu' on ne porte pas ne réchauffe pas, le riz qu' on ne mange pas ne rassasie pas, ainsi le travail qu' on ne fait pas ne réussit pas. [2.415 #3969]

Ohabolana 111Rano tsy tetezin-doha. [2.558 #3715]

Ohabolana 112Rehefa tonga ny loza, na ny rano aza mahakenda. [2.558 #3685]

Ohabolana 113Sady mita rano no tratr’ orana : sady minona no hibaby laona. [2.415 #2658, 2.653]
Sady mita rano no tratr' orana, sady minono no mibaby laona. [2.558]
Dikanteny frantsayPasser l' eau et être pris par la pluie, boire le tanguin et porter le mortier, c' est avoir deux malheurs à la fois. [2.415 #2658]
Fanazavana frantsayAllusion à ceux qui donnaient de l'argent pour se racheter d'une accusation de sorcellerie ; l' expression : acheter un mortier, s' appliquait à ceux qui, pris en flagrant délit de sorcellerie, aimaient mieux donner de l'argent à ceux qui les surprenaient plutôt que d' être dénoncés. [2.415 #2658]

Ohabolana 114Sakay kely rano ka tsy azo irabarabahana. [2.558 #3817]

Ohabolana 115Sakay kely rano ka tsy azo kasihina. [2.415 #5674, 2.653 #2837]
Dikanteny frantsayUne personne intraitable est comme le piment qui a peu d' eau : on ne peut pas y toucher. [2.415 #5674]
Fanazavana frantsaySe disait surtout des femmes méchantes. [2.415 #5674]

Ohabolana 116Sakaiza tiana namadi-belirano ; vady renianaka niholy ho an’ olona ; reniomby nompiana nandaka; nampaka-drano tsy nahatafakatra; nahandro vary namolavola sosoa : koa izany no kanto maizina indrindra. [2.653]
Sakaiza tiana namadi-belirano, vady renianaka niholy ho an' olona, reniomby nompiana nandaka, nampaka-drano tsy nahatafakatra, nahandro vary namolavola sosoa : koa izany no maizina indrindra. [2.558]

Ohabolana 117Santatra am-bava rano fa ny manetsa be mbola ho avy. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa mbola kely sy tsotsotra ny vita amin' izao fotoana izao (asa na lanonana na zavatra hafa), fa mampanantena fa ny any aoriana mbola ho be sy tsara lavitra. [1.1]

Ohabolana 118Sinibe feno rano : fitopatopany foana, fa ny ranomaso havozona. [2.558 #3895]
Sinibe feno rano : fitopatopany foana, fa ny ranomaso koa havozona. [2.415 #2747, 2.165]
Dikanteny frantsayA quoi sert-il que l' eau s' agite dans la grande cruche pleine, quand les larmes coulent aussi jusqu' au cou? [2.165]
Cruche pleine : c' est en vain que l' eau s' y agite, car les larmes coulent jusqu' au cou. [2.415 #2747]

Ohabolana 119Siny vaky nantsakan-drano : ny siny aza vaky, ka rano ho tonga ? [2.415 #2405, 2.653 #2899]
Dikanteny frantsayCruche fêlée avec laquelle on a puisé de l' eau : puisque la cruche est fêlée, comment porter l' eau jusqu' à la maison ? [2.415 #2405]
Fanazavana frantsayAnalogue au proverbe : c' est un panier percé. [2.415 #2405]

Ohabolana 120Sira latsaka an-drano, ka mamoiza indrindra. [2.558 #3898]
Sira latsaka an-drano, ka tsy himpody intsony. [2.165]
Sira latsaka an-drano, ka tsy mimpody intsony. [2.415 #2921, 2.974 #169]
Sira latsake an-jano ka tsy mimpoly koa. [1.68]
Dikanteny frantsayDu sel tombé dans l' eau: il n' en ressortira plus. [2.165]
Le sel tombé dans l' eau ne revient plus à son premier état. [1.68, 2.415 #2921]
Sel tombé dans l’eau, symbole d’une décision irrévocable. [2.974 #169]
Fanazavana frantsaySe disait des morts qui ne reviennent pas à la vie, de toute chose qui est consumée, détruite. [2.415 #2921]
Une fois mort, on ne revient plus à la vie. [1.68]

Ohabolana 121Sokina mita rano, ka ny tsy mahay indray no mivonkina. [2.558 #3920]
Sokina mita rano: ny tsy mahay indray no mivonkina. [2.165 #1653]
Sokina mita rano: ny tsy mahay indray no mivonkona. [2.653 #2918]
Dikanteny frantsayUn hérisson traversant l' eau: c' est un incapable qui se contracte. [2.165]
Fanazavana frantsayFaire des efforts, comme si on ne savait pas qu' ils sont vains. [2.165]

Ohabolana 122Sokina mita rano ka tsy maha-lehibe vava mamba. [2.558 #3921]

Ohabolana 123Tahaka ny sira atsipy any anaty rano : vato am-pianjerana, fa levona am-pitoerana. [2.974 #33, 2.653]
Tahaka ny sira natsipy any anaty rano : vato am-pianjerana, fa levona am-pitoerana. [2.558 #3981]
Dikanteny frantsayComme le sel jeté dans l’eau: c’est une pierre quand il y tombe, mais il s’évanouit sur place. [2.974 #33]

Ohabolana 124Tahom-boahirana anaty rano : mahitsy am-pangalana, fa nony tonga an-trano vao miolikolika. [2.558]
Tahom-boahirana anaty rano : mahitsy any am-panalana, fa tonga an-trano vao miolikolika. [2.415 #1583, 2.653 #2969]
Dikanteny frantsayTiges de nénuphars dans l' eau : elles sont droites quand on les prend, mais sinueuses une fois qu' elles sont à la maison. [2.415 #1583]
Fanazavana frantsaySe disait des jeunes filles avant et après le mariage ; sens général : ce n' est qu' avec le temps et à l' examen qu'on voit les défauts. [2.415 #1583]

Ohabolana 125Tanimbarin-dRalaikamo : rano fotsy mangeniheny, tsiparifary mandifotra olona. [2.415 #3975]
Tanimbarin' ilay kamo, ka rano fotsy mangeniheny. [2.415 #3974]
Tanimbarin’ ilay kamo : rano fotsy, mangeningenina ; harefo, mahadifotra olona. [2.653 #3010]
Tanimbarin' ilay kamo: rano fotsy mangeningenina; harefo mandifotra olona. [2.165]
Tanimbarin' ilay kamo : rano fotsy no mangeniheny, vohitr' ilay malaina : fandrodahy am-baravarana ihany. [2.558 #261]
Dikanteny frantsayLa rizière d' un paresseux: elle est couverte d' eau stagnante, et de joncs plus hauts qu' un homme. [2.165]
Visitez la rizière du paresseux : c' est un marécage. [2.415 #3974]
Visitez la rizière du paresseux : elle est devenue un marais et les joncs ont la hauteur d' un homme. [2.415 #3975]

Ohabolana 126Tanin-dRabidiboka : samy mitomany ny an-dranony. [1.147 #T55]

Ohabolana 127Tanosy nita rano, ka rendrika vao nahazo amalona. [2.558 #4073]
Tanosy nita rano : rendrika vao mahazo amalona. [2.653 #3025, 2.974 #98]
Dikanteny frantsayUn Antanosy qui traverse une rivière doit plonger dans l’eau avant d’attraper une anguille. [2.974 #98]

Ohabolana 128Tari-drano ririnina : miala amin' izay nitaritana azy, fa tsy tonga amin' izay nokasaina. [2.558 #4109]

Ohabolana 129Tenin' ny maty an-drano. [2.415 #4825]
Dikanteny frantsayParoles de noyé : on promet tout. [2.415 #4825]
Fanazavana frantsayDans danger on fait de belles promesses. [2.415 #4825]

Ohabolana 130Ty fo raha rano mafana. [1.68]
Ty fo, rano mafana. [1.68]
Dikanteny frantsayLe coeur est comme de l'eau chaude. [1.68]
Fanazavana frantsayIl bouillonne quand il s'échauffe mais finit toujours par se refroidir. [1.68]

Ohabolana 131Ty rano rarake, tsy azo raofe. [1.68]
Dikanteny frantsayL' eau répandue ne peut être recueillie. [1.68]

Ohabolana 132Toy ny adala manihika: atao ambany, mitondra fotaka; atao ambony, mitondra volon-drano. [2.165]
Toy ny fanihik' adala : atao ambany, mitondra fotaka ; ambony, mitondra volon-drano. [2.415 #2119]
Dikanteny frantsayImbécile qui fait la pêche au panier : ou bien il va en bas et ramasse de la vase, ou bien il va en haut et ramène des herbes. [2.415 #2119]
Un imbécile qui pêche au panier: tantôt il l' enfonce trop et ramasse de la boue, tantôt il ne l' enfonce pas assez et attrape des herbes. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des imbéciles qui ne font jamais rien de bien. [2.415 #2119]

Ohabolana 133Toy ny akoho kely misotro rano : Andriamanitra no andrandrainy. [2.415 #56]
Toy ny akohokely misotro rano, ka ny Andriamanitra no andrandrainy. [2.165 #27]
Toy ny akohokely misotro rano : ny Andriamanitra no andrandrainy. [2.653 #3174]
Toy ny akoho misotro rano, ka izay kely azo andrandraina. [2.415 #860, 2.653 #3172]
Toy ny akoho misotro rano : na kely na be azo iandrandrana an' Andriamanitra. [2.558 #4251]
Dikanteny frantsayComme le poulet qui après avoir bu, lève la tête vers Dieu. [2.415 #56]
Comme le poulet qui boit de l' eau, il ne s' attend qu' à Dieu. [2.165]
Imite la poule qui boit, elle lève la tête vers le ciel quand elle a bu. [2.415 #860]
Fanazavana frantsayIl faut remercier de son sort. [2.415 #860]
Le poulet lève la tête en avalant l'eau, comme s' il regardait en haut. [2.165]
Soyez content de la destinée qui vous est échue et remerciez Dieu qui vous l' a donnée. [2.415 #56]

Ohabolana 134Toy ny fandiorano, ka mainty ambanin' ny rano. [2.558 #4275]

Ohabolana 135Toy ny ondrindrano, lefona dimy, fampohaza iray, famaky iray, ireo no nentina, nefa nosorohin' Itsaramanampy, ka tonga any an-karona fihazana. [2.558 #4341]
Tsy misy manao ho vazaha noho ny ondrindrano: lefona dimy no nentiny, fampohazarana no nentiny, ary famaky iray no nentiny; kandrefa raha nankao atsimon-drano, nosorohin' Itsaramanampy ka tonga any an-karona fihazana. [2.165 #2309]

Ohabolana 136Toy ny rano am-pasika: natao tsy hisy, fa misy ihany. [2.165]
Toy ny rano am-pasika: natao tsy hisy, fa nanodoka. [2.165]
Toy ny rano am-pasika : natao tsy hisy, ka manadoka. [2.415 #3312]
Toy ny rano am-pasika: natao tsy hisy, ka misy ihany. [2.653]
Toy ny rano am-pasika : natao tsy hisy ka nanodoka. [2.558 #4316, 2.653]
Dikanteny frantsayC'est comme l' eau dans le sable : on croit qu' il n' y en a pas et on se trompe car il y en a. [2.415 #3312]
Pareil à l' eau dans le sable: on ne pensait pas qu' il y en aurait, et pourtant il y en a. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des affaires qui semblent peu importantes et qui prennent de l'ampleur. [2.415 #3312]

Ohabolana 137Toy ny rano ny harena, ka tsy izay mahery mantsaka no manam-be, fa izay tsara sinibe. [2.558 #4318]

Ohabolana 138Toy ny rano sy ny vary, ka tsy mahay mifanary. [2.415 #4610]
Toy ny vary sy ny rano : ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao. [2.974 #432]
Dikanteny frantsayComme le riz et l’eau : unis dans les champs, inséparables dans la maison. [2.974 #432]
Eau et riz vont ensemble : ils ne se séparent pas. [2.415 #4610]
Fanazavana frantsaySe disait de deux personnes ou choses inséparables. [2.415 #4610]

Ohabolana 139Toy ny tongo-bintsy an-ala, ka madio lavi-drano. [2.165 #108]
Tongo-bintsy an' ala, ka madio lavi-drano. [2.558]
Tongo-bintsy an-ala: madio lavi-drano. [2.653 #3134]
Dikanteny frantsayPareils aux pattes du martin-pêcheur de la forêt, qui sont propres quand même il est loin de l' au. [2.165 #108]

Ohabolana 140Tokam-pilana hoatry ny siny : tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.415 #6386]
Tokam-pilana ohatra ny siny: tsy manam-po afa-tsy ny rano. [1.1]
Tokam-pilana toy ny siny, tsy manam-po afa-tsy ny rano. [2.165]
Tokam-pilana, toy ny siny : tsy manan-po afa-tsy ny rano. [2.653 #3106]
Tokam-po ohatra ny siny, ka tsy manam-po afa-tsy rano. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tsy manan-javatra kinendry afa-tsy zavatra toisana. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui ne veut qu' une chose, est comme la cruche destinée seulement à recevoir l' eau. [2.415 #6386]
N' avoir qu' un seul et unique désir, comme la cruche: il ne lui faut que de l' eau. [2.165]

Ohabolana 141Tompon-tany mahay rano tsangana, ka mandrobo ny vahiny hilentika. [2.558]
Tompon-tany mahay rano tsangana: mandrobo ny vahiny hilentika. [2.653 #3123]

Ohabolana 142Trafon-kena be rano : hanina amy ny lazany. [2.653 #3262]
Trafon-kena be rano : hanina amin' ny lazany. [2.415 #4613]
Trafon-kena be rano ka hanina amin' ny lazany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny zavatra tsara nefa tsy ny tokony ho izy no nandrahoana na nanaovana azy; ilazana ny olo-mahay nefa tsy dia manao ahoana akory ny zava-bitany. [1.1]
Dikanteny frantsayBosse de boeuf cuite avec beaucoup d' eau : elle n' est pas bonne, mais on la mange parce qu' elle est célèbre. [2.415]
Fanazavana frantsayLa bosse de boeuf était très appréciée. Le sens du proverbe est que la renommée supplée parfois à la beauté, à la qualité. [2.415]

Ohabolana 143Tsaka rano : ka ny aloha ihany no aloha na zokiny aza. [2.558 #4395]

Ohabolana 144Tsaka rano, ka ny aloha tsy mitsaha-tsy feno, ny aoriana tsy mitondra tapany. [2.558 #4394]
Tsakarano : ny aloha tsy mitsaha-tsy feno, ny aoriana tsy mitondra tapany. [2.653]
Tsakarano : ny tonga aloha ihany no aloha. [2.653]

Ohabolana 145Tsy an-drano reny. [2.415 #1042]
Dikanteny frantsayC' est un enfant qui n' a plus sa mère au foyer. [2.415 #1042]

Ohabolana 146Tsy avela tsy ho azo : an-danitra toharana, an-dafin-drano lakanina. [2.558 #4483]
Tsy avela tsy ho azo : an-danitra toharana, an-dafin-drano lakanina, an-tany hadina. [2.653 #3339, 2.974 #34]
Dikanteny frantsayIl faut que je l’aie: s’il est au ciel, je prendrai une échelle; de l’autre côté de l’eau, je prendrai une pirogue; à l’intérieur de la terre, je prendrai une bêche. [2.974 #34]

Ohabolana 147Tsiboboka sy rano, ka saro-mifanaratsy : raha maloto ny rano, maty ny tsiboboka ; raha maty ny tsiboboka, maimbo ny rano. [2.415 #687]
Dikanteny frantsayIl est dangereux pour les chefs et les subordonnés de se nuire : ils sont comme l'eau et le têtard qui vit dedans : si l' eau est sale, le têtard meurt ; si le têtard meurt, l' eau sent mauvais. [2.415 #687]

Ohabolana 148Tsikotsy tsy lavitse aombe, vivy tsy lavitse rano. [1.68]
Dikanteny frantsayGrand échassier blanc pas loin du boeuf, canard sauvage pas loin de l'eau. [1.68]
Fanazavana frantsaySi une chose arrive, l'autre suit. [1.68]

Ohabolana 149Tsikovoka sy fandiorano : rano no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy. [2.558 #4430]
Tsikovoka sy fandiorano : volo no iraisana, fa ny fomba samihafa. [2.415]
Tsikovoka sy fandiorano : volo no iraisana, fa ny fomba samy manana ny azy. [2.165 #311, 2.653 #3302, 2.415]
Dikanteny frantsayDytiques et insectes aquatiques fandiorano : ils ont même couleur mais leurs moeurs sont différentes. [2.415]
Un dytique et un gyrin: ils sont de même couleur, mais n' ont pas les mêmes habitudes. [2.165 #311]
Fanazavana frantsayLes conditions des hommes sont différentes. [2.415 #864]

Ohabolana 150Tsy manam-pahavalo aho : ny mosary no fahavaloko ; ny rano koa no rafiko. [2.415 #402]
Dikanteny frantsayJe n' ai pas d' ennemis : la famine et les inondations, voilà les ennemis qu' il me faut combattre. [2.415 #402]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à ses sujets pour les exciter à travailler les rizières et à construire des digues. [2.415 #402]

Ohabolana 151Tsy mba maro herehina tahaka ny mason' ny mpandrary, fa tokam-pilana toa siny, ka rano ihany no ampoizina. [2.558 #4544]
Tsy mba maro herehina, tahaka ny mason’ ny mpandrary ; fa tokam-pilana toy ny siny, dia ny rano ihany no ampoizina. [2.974 #285, 2.653]
Tsy mba maro herehina, tahaky ny mason' ny mpandrary ; fa tokam-pilana toy ny siny, ka dia ny rano ihany no ampoizina. [2.415 #1409]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas regarder plusieurs endroits comme les yeux de la femme qui tresse les nattes, mais il faut n' avoir qu' un but comme la cruche qui n' a de souci que pour l' eau. [2.415 #1409]
Ne pas avoir de multiples préoccupations, comme l’œil de celui qui tresse ; mais n’avoir qu’un métier, comme la cruche qui ne pense qu’à l’eau. [2.974 #285]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait du mari qui ne cherchait plus à changer de femme ; il se disait aussi en général de l' attention qu' on devait apporter à une affaire. [2.415 #1409]

Ohabolana 152Tsy mba ny bibilava matahotra ny morona, fa ny amalona zatra ny rano. [2.558 #4550]

Ohabolana 153Tsy mba ny ravoravo natentina, fa ny tandra vadin-koditra. [2.165 #1359]
Tsy mba taniravo atentina, fa tena tandra vadin' ny hoditra. [2.415 #5316, 2.558 #4562, 2.653 #3398]
Tsy ny taniravo natentina afaky ny rano, fa ny tandra vadin-koditra enti-milevina. [2.558 #4780]
Dikanteny frantsayCe n' est pas (comme) de la terre blanche que l' on peut se mettre (et qui tombe), mais (comme) des taches de rousseur inséparables de la peau. [2.165]
Ce n' est pas de la terre blanche appliquée sur la peau, mais une véritable tache, épouse inséparable de la peau. [2.415 #5316]
Fanazavana frantsaySe disait des choses inséparables. Par superstition on appliquait de la terre blanche sur le front. [2.415 #5316]

Ohabolana 154Tsy mba tsiriry vorona aho ka manidina raha ritra ny rano, fa tsiriry ahitra ka maniry raha ritra ny rano. [2.165]
Tsy mba tsiriry vorona, ka raha ritra ny rano manidina, fa tsiriry ahitra, maniry raha ritra aza ny rano. [2.415 #5318]
Dikanteny frantsayCe n' est pas le tsiriry canard sauvage, qui s'envole au loin lorsque l' eau est désséchée, mais le tsiriry plante, qui pousse alors même qu' il n' y a plus d' eau. [2.415 #5318]
Je ne suis pas l' oiseau "tsiriry" qui s' en va quand l' eau est tarie, mais je suis l' herbe "tsiriry" qui pousse quand même il n' y a plus d' eau. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des constants et des inconstants. [2.415 #5318]

Ohabolana 155Tsy mety raha an-dafin-drano ka tsy ho lakanina, ary an-dafin-tsaha ka tsy ho toharana. [2.558 #4581]
Tsy mety raha an-dafin-drano, ka tsy holakanina, na an-dafin-tsaha, ka tsy hotoharina. [2.165 #452]
Dikanteny frantsayNe me refusez pas un canot si je suis de l' autre côté de l' eau, et venez à ma rencontre si je suis de l' autre côté d' un champ. [2.165]

Ohabolana 156Tsy nahiko dia ny rano lahy no ho nahamasaka ny amalona. [2.653 #3555, 2.974 #395]
Tsy nahiko dia ny rano lahy no mahamasaka ny amalona. [2.415 #1348]
Tsy nahiko fa ny rano lahy no ho nahamasaka ny amalona. [2.165 #485]
Tsy nahiko ho ny rano lahy no hahamasaka ny amalona. [2.558 #4756]
Tsy nahiko ny rano no mahamasaka ny amalona. [2.415 #1348]
Dikanteny frantsayJe n’aurais jamais imaginé que c’est dans l’eau qu’on fait cuire l’anguille. [2.974 #395]
Je ne me serais pas douté que l' eau cuirait l' anguille. [2.165]
Je ne pensais pas que ce serait l' eau qui ferait cuire l' anguille. [2.415 #1348]
Fanazavana frantsayL'eau et l' anguille étaient bons amis, et l' un n' aurait pas dû faire du mal à l' autre! [2.165]
Le fiancé disait ce proverbe lorsqu' il parlait de celui qui montait la tête à sa fiancée et faisait rompre les pourparlers du mariage ; mais le sens était général. [2.415 #1348]

Ohabolana 157Tsingala ambany rano, ka mitady izay hahafatesan' ny omby, hadilanana ka mitady izay haharovitra ny lamba. [2.558 #4442]
Tsingala : ambany rano, mitady izay hahafatesan' ny omby ; hadilanana, mitady izay haharovitra ny lamba. [2.415 #2470, 2.653 #3312]
Dikanteny frantsayInsecte tsingala : dans l' eau, il cherche la mort des boeufs ; passage étroit, il est la perte des lamba qu' il déchire. [2.415]
Fanazavana frantsayLes Malgaches croyaient que le tsingala était mortel pour l'animal qui l' avalait, et on déchire son lamba dans les sentiers étroits ; ce proverbe se disait de ceux qui étaient victimes de machinations, de tromperies, de séductions. [2.415 #2470]

Ohabolana 158Tsy ny ringitra no mahakenda, fa ny rano fanala kenda. [2.165 #2166, 2.558 #309]
Dikanteny frantsayCe ne sont pas les patates qui étranglent, mais (si pourtant on s' étrangle), c' est l' eau qui guérit. [2.165]

Ohabolana 159Tsiriry ahitra ka miara-ritra amin' ny rano. [2.558 #4459]

Ohabolana 160Tsy tra-drano. [2.415 #2931]
Dikanteny frantsayImpossible d' assister par de l' eau celui qui meurt subitement. [2.415 #2931]
Fanazavana frantsayOn faisait boire de l'eau aux malades. [2.415 #2931]

Ohabolana 161Tso-drano zava-mahery ary ny saotra fitomboana. [2.558 #4468]

Ohabolana 162Varifitoventy zato no tonga ariary. [1.1]
Fanazavana malagasyMitovy hevitra: erikerika mahatondra-drano. [1.1]
Ny zavatra kely sy madinika aza, rehefa mitambatambatra ela, mety hisy vokany lehibe. [1.1]

Ohabolana 163Vato an-dava-drano: tsy miady, fa mifanajary toerana. [2.299 #15, 2.653 #3634]

Ohabolana 164Vatolampy nanasan-dandy : ny lavenona lasan' ny rano ary ny landy lasan' ny tompony, fa ny vato no sisa tratra eo. [2.558 #4891]
Vatolampy nanasan-dandy: ny lavenona lasan’ ny rano, ary ny landy nentin’ ny tompony, fa ny vato mbola tratra ao. [2.653 #3641]

Ohabolana 165Voan-kanina fony fahavaratra aho : raha mitsinjo rano fotsy mihetsika. [2.558 #4992, 2.653 #3707]

Ohabolana 166Vorombe matim-bitsika : lehibe matin' ny kely, ka ny rano no hafanaina. [2.165 #1381, 2.415 #6056]
Dikanteny frantsayOie tuée par les fourmis : c' est un grand tué par un petit, et il ne reste plus qu' à faire chauffer l'eau pour préparer l' oie. [2.415 #6056]
Une oie tuée par les fourmis: c' est le grand tué par le petit, il n' y a plus qu' à faire chauffer l' eau (pour plumer l' oie). [2.165]

Ohabolana 167Za-drano toa amalona antitra. [2.165 #1948, 2.415 #6137, 2.558 #5076]
Dikanteny frantsayAvoir l' habitude de l' eau comme une vieille anguille. [2.165 #1948]
Qui a l' habitude de l' eau comme une vieille anguille. [2.415 #6137]
Fanazavana frantsayInstruit par l' expérience. [2.415 #6230]

Fizahan-teny