Fizahan-teny

Ohabolana : ranomasina

Ohabolana Be ny riaka, tsy tambo ny ranomasina : izay misy harana my no malaza. [Samson 1965 #B6]

Ohabolana Jebojebo nihoa-dranomasina, masovoatoaka nanova siranana : manova aminahy anovako koza. [Samson 1965 #J1]

Ohabolana Mainka izany raha ranomasina, ranom-potaka aza manonja. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny olona matin-kambo be loatra; zavatra kely iny dia mampibontsina azy izaitsizy, hanao ahoana izany raha zavatra lehibebe kokoa no sendra azy? [Rajemisa 1985]
Fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin' ny zavatra tsinontsinona. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Manao lian-dranomasina : mandeha, fa mbola ho avy. [Veyrières 1913 #5857]
Dikanteny frantsay Désirer à la façon de la mer : elle s' en va, mais elle reviendra. [Veyrières 1913 #5857]
Fanazavana frantsay Proverbe betsimisaraka. [Veyrières 1913 #3110]

Ohabolana Ny ranomasina no ho valam-parihiko. [Veyrières 1913 #304]
Ny riaka no valam-parihiko. [Veyrières 1913 #304]
Dikanteny frantsay La mer est ma frontière. [Veyrières 1913 #304]
Fanazavana frantsay Paroles du roi Andrianampoinimerina pour dire qu'il voulait régner seul et étendre ses conquêtes dans l' île. [Veyrières 1913 #304]

Ohabolana Papango mipaoka an-dranomasina : mipaoka an-tanin' olona. [Veyrières 1913 #4313, Rinara 1974 #3480, Cousins 1871 #2593]
Dikanteny frantsay Oiseau de proie papangue qui enlève une proie sur mer : il prend sur le terrain d' autrui. [Veyrières 1913 #4313]
Fanazavana frantsay Se disait de deux rusés ou de deux voleurs. [Veyrières 1913 #4313]

Ohabolana Ranomasina nasaok’ abidy : lasana my fa nahazahoana. [Samson 1965 #R39]

Ohabolana Ranomasina tsara tsinjovina; fanahim-bady tsara tsy hita. [Samson 1965 #R40]

Ohabolana Tsara lanitra karaha ranomasina. [Samson 1965 #T135]

Fizahan-teny