Fizahan-teny

Ohabolana : raraka

Ohabolana 1Hianao voalavo mamono ny vary, izaho totozy mitsimpona ny raraka. [2.558 #1331]
Hianao voalavo mamono vary ; izaho totozy mitsimpona ny raraka. [2.415 #4346, 2.653 #1067]
Dikanteny frantsayVous êtes le rat qui détruit les touffes de riz, et moi je suis la souris qui ramasse les grains tombés. [2.415 #4346]
Fanazavana frantsaySe disait des grands et petits unis pour détrousser les gens ; se disait aussi des ménages de voleurs. [2.415 #4346]

Ohabolana 2Indraindray izy dia toy ny voahangy raraka, ary indraindray dia voantay miboridana. [2.653 #1132]
Indraindray izy mba toy ny voahangy raraka, ary indraindray dia voantay miboridana. [2.558 #1424]
Indraindray izy toy ny voahangy raraka, ary indraindray voantay boridana. [2.165 #505]
Dikanteny frantsayA certains moments il est semblable à un ruisseau de perles, mais à d' autres, par contre, à une bande de bousiers. [2.165]

Ohabolana 3Mahantra indrindra aho, hoy ilay rombina : homan-tsosoa, raraka ivy ; homa-maina, latsaka hota ; homam-bary, misasaka amin' ny akoho ; misotro rano, very sasaka. [2.415 #2609]
Mahantra indrindra aho, hoy ilay rombina: homan-tsosoa, raraka ivy; homa-maina, latsaka ota; homam-bary, misasaka amy ny akoho; misotro rano, very sasaka. [2.653 #1407]
Mahantra indrindra ilay rombina, fa homan-tsosoa, rarak' ivy, homa-maina, latsak' ota. [2.558]
Dikanteny frantsayJe suis le plus malheureux des hommes, dit l' homme qui a un bec-de-lièvre : quand je mange du riz cuit avec beaucoup d' eau, ma salive coule ; quand je mange de la nourriture solide sans bouillon, je laisse tomber des parcelles déjà mastiquées ; quand je bois de l' eau, j' en perds la moitié. [2.415 #2609]
Fanazavana frantsayPlaintes de l' homme au bec-de-lièvre : on les appliquait à la perte des biens. [2.415 #2609]

Ohabolana 4Ny homana aza misy diso. [2.653, 2.165]
Ny homana aza misy raraka. [2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayOn peut faire des fautes (se tromper) même en mangeant. [2.165 #134]

Ohabolana 5Ny lohataona toy ny voahangy raraka. [2.165 #1262, 2.653]
Dikanteny frantsayLe printemps est pareil à une perle tombée à terre. [2.165]
Fanazavana frantsayDonc, ramassez-le, c. à. d. profitez-en pour planter, car vous ne le reverrez plus. [2.165]

Ohabolana 6Ny lohataona toy ny voahangy raraka, fa mahabe torimaso ny malaina. [2.558 #3086]

Ohabolana 7Ny vary raraka sakaizan' akoho. [2.415 #2399, 2.558 #3359, 2.653 #2469]
Ny vary raraka sakaizan' ny akoho. [2.165 #774]
Dikanteny frantsayLe riz éparpillé est l' ami des poules. [2.415 #2399]
Le riz répandu est l' ami des poules. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui profitent des profusions des autres. [2.415 #2399]

Ohabolana 8Rafotsibe nifanaikitra ka tsy hita izay dia-nify, fa ny ivy no raraka. [2.558 #3526]
Rafotsibe nifanaikitra : tsy hita izay dia-nify. [2.415 #1918, 2.653 #2620]
Dikanteny frantsayVieilles qui se mordent : on ne voit pas les traces des dents. [2.415 #1918]
Fanazavana frantsayAllusion au manque de dents des vieilles ; ce proverbe se disait des disputes bruyantes mais sans effet. [2.415 #1918]

Ohabolana 9Raha mamatra miohatra ny feno, raraka; raha mihinana miohatra ny voky manevika; raha mamindro miohatra ny toko, may; raha mandry miohatra ny farafara, mianjera. [1.1]
Fanazavana malagasyTokony hahalala onony amin' izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita. [1.1]

Ohabolana 10Raha ny azy ataony hoe : " voahangy raraka " ; ary raha ny an' olona, dia hoe : " voantay " . [2.415 #5406]
Dikanteny frantsayQuand il s' agit de ce qui est à lui, il dit : c' est une pluie de perles ; et quand il s' agit de ce qui est aux autres, c' est un bousier qui s' envole. [2.415 #5406]
Fanazavana frantsayOrgueil et égoïsme. [2.415 #5406]

Ohabolana 11Rano raraka tsy azo raofina. [2.558 #3712]

Ohabolana 12Rano raraka tsy azo raofina ; ny lasa tsy mba miverina. [2.415 #2743]
Dikanteny frantsayL' eau, une fois répandue, ne peut être ramassée ; le passé ne revient pas. [2.415 #2743]
Fanazavana frantsayIl est trop tard pour se repentir d' une parole ou d' une action, mais il faut faire attention à l' avenir afin de ne pas recommencer. [2.415 #2743]

Ohabolana 13Raofina ihany toy ny lainga ; fa raha feno, raraka. [2.974 #148, 2.653]
Dikanteny frantsayComme le mensonge : on en ramasse toujours, mais quand le sac est plein, il déborde. [2.974 #148]

Ohabolana 14Raraka ivy alohan' ny mpamaky voasary. [1.1]
Fanazavana malagasyMientana iray ihany eo anoloan' ny zavatra iray nefa ny olona voakasiny akaiky aza tsy mbola miraika akory. [1.1]

Ohabolana 15Tain-tomboka: raraka ombana mitsimpona. [2.558 #3997, 2.653]

Ohabolana 16Teny mby am-bato ny hafany, ka tsy hasiako raraka an-tany. [2.415 #3418]
Dikanteny frantsaySes recommandations sont pour moi comme des paroles confiées aux pierres : je les exécuterai fidèlement et pas une seule ne sera répandue à terre et négligée. [2.415 #3418]

Ohabolana 17Vato atora-pody, ka tsy hatahorany izay vary hiraraka. [2.415 #3424]
Vato atora-pody ka tsy mataho-bary hihintsana. [2.415 #3424, 1.1]
Vato natoraka ny fody, ka tsy mataho-bary ho raraka. [2.165 #869]
Vato natora-pody ka tsy mataho-bary ho raraka. [2.558 #318]
Vato natora-pody: tsy mataho-bary ho hihintsana. [2.653]
Vato natora-pody: tsy mataho-bary ho raraka. [2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tsy maintsy atao noho ny soa kendrena aminy, ka tsy ajanona na inona inona tonga. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est une pierre qu' on a lancée contre un moineau, sans se soucier du riz qu' on répand en ce faisant. [2.165]
Pierre lancée contre les cardinaux qui dévastent les rizières : elle fait son chemin sans se préoccuper des dégâts qu' elle fera dans la rizière et du riz qu’elle répandra à terre. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de l’envoyé qui est semblable à la pierre lancée, et fait sa commission sans se préoccuper des dégâts qui en résulteront ; se disait en général d’un but à atteindre malgré tout. [2.415]
Se dit en parlant d' une action téméraire. [2.165]

Ohabolana 18Vato navalavala fody : tsy manahy vary ho raraka. [1.147 #V35]
Vato navalavala fody: tsy mañahy vary haratra. [2.165]
Fanazavana malagasyVato natora-pody: tsy mataho-bary ho raraka. [2.165]

Ohabolana 19Voahangy raraka, ka manao soa ny eo am-potony. [2.165 #745]
Voahangy raraka : manasoa ny eo am-potony. [2.415 #3162, 2.558 #322, 2.653 #3688]
Dikanteny frantsayIl aime à faire du bien et il en fait à ses proches. [2.165]
Les premières pluies sont comme des perles tombées à terre : elles font du bien à ce qui est au-dessous. [2.415 #3162]
Fanazavana frantsaySe disait des événements heureux : les premières pluies favorisaient les travaux, il fallait les regarder et les apprécier commes des perles. [2.415 #3162]

Ohabolana 20Voahangy raraka ka ombay mitsimpona, ombay mieritreritra. [2.558 #321]

Fizahan-teny