Fizahan-teny

Ohabolana : reniakoho

Ohabolana 1Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy. [2.558, 1.1]
Angady mondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.415 #4362]
Toy ny angady mondro sy ny reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.165 #1197]
Toy ny angady mondro sy reniakoho : izay mananda no resy. [2.653 #3181]
Toy ny angadimondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.558 #4260]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalizana dia resy izay manampy zavatra hafa. [1.1]
Izany hoe zavatra roa mitovy vidy izy roa ireo ka raha misy olona roa mifanakalo azy ireo, izay mbola manome sandany, na fanampiny, an' ilay iray hafa dia azo heverina ho resy, namaty antoka. [1.1]
Zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. [1.1]
Dikanteny frantsayComme une bêche usée et une poule (qu' on échange), celui qui donne quelque chose en plus y perd. [2.165]
Quand une vieille poule est échangée avec une bêche usée, c' est celui qui ajoute un supplément qui perd à l' échange. [2.415 #4362]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait : de même valeur. [2.415 #4362]
Parce que les deux choses sont considérées comme ayant exactement la même valeur. [2.165]

Ohabolana 2Malaza ho raiben-kary fa tsy mahazaka reniakoho iray! [2.558 #1932]
Malaza ho raiben-kary, ka tsy mahazaka reny akoho iray. [2.653 #1457]

Ohabolana 3Maty tsy antonony ohatra ny reniakoho nosingora-mahazaka. [2.558]
Maty tsy antonony, toy ny reny akoho nosongira-mahazaka. [2.653 #1668]

Fizahan-teny