Fizahan-teny

Ohabolana : saha

Ohabolana 1Boka mihevo saha ka ny mamono dia no manariva andro. [2.558 #919]
Boka mihevo saha : ny mamono dia no sarotra. [2.415 #1966]
Boka mihevo saha : ny mamono dia no sasatra. [2.653 #791]
Dikanteny frantsayLépreux qui sarcle un jardin : le difficile est de faire disparaître ses traces. [2.415 #1966]
Fanazavana frantsaySe disait d'un travail mal fait. [2.415 #1966]

Ohabolana 2Firain' ny vava fito saha; firain' ny harem-boantondro. [2.165 #802]
Firain’ ny vava fito saha, firain’ ny harem-boan-tondro ; ny ataon’ ny vava tsy araka ny aina. [2.653 #962]
Firain' ny vava fito saha, firain' ny harem-boatondro, ny ataon' ny vava tsy araka ny aina. [2.558 #1162]
Dikanteny frantsayA l' entendre il aura sept champs; d' après ses moyens il en aura la largeur d' un doigt. [2.165]
Fanazavana frantsayC' est un vantard! [2.165]

Ohabolana 3Hafahafa ohatra ny borizano : ampihiraina, tsy mahay, ka nony mitomany, miolakolaka ny saha, miaka-midina sahala amin' ny mason' ny mpamoly. [2.558]
Hafahafa, ohatra ny borizano: ampihirain-tsy mahay, ka nony mitomany, miolakolaka ny saha ; miaka-midina mimason’ ny mpamoly. [2.653]

Ohabolana 4Mpanalo aho, fa tsy tompon' ny teny ; kiady aho, fa tsy tompon' ny saha. [2.415 #3411]
Dikanteny frantsayJe suis entremetteur et non pas maître de l' affaire ; je suis le poteau surmonté de paille qui garde et protège le champ et non le propriétaire. [2.415 #3411]
Fanazavana frantsayParoles dites par les gardiens, les intendants et les chargés d'affaires. [2.415 #3411]

Ohabolana 5Ny varavarana anton' ny trano, ny vavahady anton' ny vohitra ary ny kiady anton' ny saha. [2.558 #3358]
Ny varavarana no anton' ny trano, ny vavahady no anton' ny vohitra, ny kiady no anton' ny saha. [2.415 #242, 2.974 #17, 2.165]
Dikanteny frantsayLa porte est la protection de la maison, le portail celle de la ville et de son fossé, le poteau de défense celle de la campagne plantée d' arbres. [2.415 #242]
La porte garde la maison ; l’entrée du fossé garde le village; la borne rustique garde le champ. [2.974 #17]
Sans portes il n' y a pas de vraie maison; sans portail, il n' y a pas de village; sans perche (de défense) il n' y a pas de champ. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait à l' honneur du souverain, des seigneurs et des chefs de famille, représentés par ces comparaisons ; il signifiait aussi que chacun a son protecteur et son guide. [2.415 #242]
Pour prendre possession d' un terrain, on y plante une perche avec une poignée d' herbe au bout, et c' est ce qu' on appelle un "kiady"; le "kiady", dans un champ ou sur un chemin, marque aussi une défense, et par extension, ce mot signifie: protecteur, bouclier, sauvegarde. [2.165]

Ohabolana 6Sasa-poana manao saha maina, fa tsy ho tompon-tanàna akory. [2.165]
Sasa-poana manao saha maina, fa tsy ho tompon-tanàna rahoviana! [2.558 #3860]
Sasa-poana manao saha maina, fa tsy ho tompon-tanàna tsy akory. [2.653]
Dikanteny frantsayVous vous fatiguez pour rien en préparant un champ auprès d' un village que vous n' habiterez jamais. [2.165]

Ohabolana 7Soa hoatry ny vary fotsy mby am-bilany hianareo, sahala amin' ny hazo be endriky ny saha, ka hoatry ny rakitra saro-bidy, toy ny lamba isampinako raha miramirana, sy isikinako raha sendra tezitra. [2.415 #309]
Dikanteny frantsayVous êtes aussi bons que le riz blanc qui est dans la marmite, vous êtes comme l' arbre majestueux ornement de la vallée, vous êtes aussi précieux qu' un trésor, vous êtes comme le lamba dont je pare mes épaules quand je suis content et dont je me ceins les reins quand je suis en colère. [2.415 #309]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à ses guerriers. [2.415 #309]

Fizahan-teny