Fizahan-teny

Ohabolana : sorohina

Ohabolana 1Ny tsiny azo sorohina, fa ny tody tsy misy fanafana. [1.1]
Ny tsiny no azo alana fa ny tody tsy misy fanafana. [2.558 #215]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny tsiny dia azo alana raha mis-la tsiny ianao, fa ny tody kosa tsy maintsy mihatra satria, noho ny mahavalin' ny ratsy natao azy, dia tsy azo sakanana izy, toy ny ako tsy maintsy mamerina ny feo. [1.1]

Ohabolana 2Toy ny ondrindrano, lefona dimy, fampohaza iray, famaky iray, ireo no nentina, nefa nosorohin' Itsaramanampy, ka tonga any an-karona fihazana. [2.558 #4341]
Tsy misy manao ho vazaha noho ny ondrindrano: lefona dimy no nentiny, fampohazarana no nentiny, ary famaky iray no nentiny; kandrefa raha nankao atsimon-drano, nosorohin' Itsaramanampy ka tonga any an-karona fihazana. [2.165 #2309]

Fizahan-teny