Fizahan-teny

Ohabolana : tanana

Ohabolana 1Adala nomen-tanan' ondry: na hosoloana hofany aza tsy mety. [1.1 #21]
Zaza nomen-tanan' ondry ka na soloana hofany aza tsy mety. [2.558]
Zaza nomen-tanan’ ondry: raha soloan-kofany aza tsy mety. [2.415 #1553, 2.653 #3780]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo miraikitra amin' ny tiany na ny heviny ka tsy azo ahodin-doha na zavatra tsara sy marina aza no atolotra azy. [1.1 #21]
Dikanteny frantsayEnfant auquel on a donné une patte de mouton : si on lui donne la queue à la place de la patte, il ne veut pas. [2.415 #1553]
Fanazavana frantsayL' enfant ne connaît pas ses intérêts, mais cherche ce qui l' amuse : la queue vaut mieux que la patte. Sens plus général : préférer une chose insignifiante à une autre qui a de la valeur. [2.415 #1553]

Ohabolana 2Ampanga diso an' Andringitra : herintaona ngarangidina ka tovon-tanana ihany. [2.558]
Ampanga diso an’ Andringitra: herintao-ngarangidina, ka tovo-tanana ihany. [2.653]

Ohabolana 3Angady tokana an-tanana, ka raha tapaka tsy misy hanakambanana azy. [2.558]
Angady tokana : ka raha tapaka, tsy misy tohiny. [2.165 #1863, 2.415 #899]
Angady tokana: raha tapaka tsy misy hanakambana azy indray. [2.165 #1857]
Dikanteny frantsayUne bêche unique: une fois cassée, il n' y en a pas d' autre pour la remplacer. [2.165]
Une bêche unique: une fois cassée, on n' en a plus d' autre. [2.165]
Une seule bêche : quand elle est cassée, on n' en a pas d' autre. [2.415 #899]
Fanazavana frantsaySe disait de l' enfant unique. [2.415 #899]

Ohabolana 4Ary tongotra aman-tanana. [2.415 #1490]
Dikanteny frantsayEnfant qui a les pieds et les mains formés : il court çà et là. [2.415]

Ohabolana 5Ataovy fihavanam-bava sy tanana: koa raha marary ny tanana, dia mitsoka ny vava, ary marary ny vava dia misafo ny tanana. [2.165]
Ataovy fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana, dia mitsoka ny vava; ary raha marary ny vava, dia misafo ny tanana. [2.653 #304, 2.415]
Fihavanam-bava sy tanana : raha marary ny tanana, mitsoka ny vava ; ary raha marary ny vava, misafo ny tanana. [2.974]
Dikanteny frantsayImitez l' union de la bouche et de la main : si la main est malade, la bouche souffle dessus, et si la bouche est malade, la main la caresse. [2.415 #5165]
Que vos rapports d'amitié soient comme les rapports de la bouche et de la main: quand la main a mal, la bouche souffle dessus; et quand la bouche a mal, c' est la main qui la frotte. [2.165]
S’aimer comme la bouche et la main : si la main souffre, la bouche souffle dessus ; et si la bouche a mal, c’est la main qui la panse. [2.974 #6]
Fanazavana frantsaySe disait de l'accord et du secours mutuel. [2.415 #5165]

Ohabolana 6Aza dia atao fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely : ny tompony indray no milela-tanana. [2.653 #376]
Aza dia fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana. [2.165 #654]
Aza dia fatra-pandefitra, toy ny mpivaro-tantely : ny tompony indray no milela-tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas être trop dur à soi-même comme les marchands de miel qui, eux-mêmes, se contentent de se lécher les mains. [2.165]
Fanazavana frantsayAprès avoir servi le client, ils pourraient en manger à la cuiller. [2.165]

Ohabolana 7Aza kilonga mahay lapa: mivoaka, manao halalaka; miditra, manao tsy ho tery. [2.653 #391, 2.415]
Aza kilonga mahay lapa : mivoaka, manao halalaka, miditra, manao tsy ho tery tongotra aman-tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayNe soyez pas comme les jeunes familiers du palais : quand ils sortent ils veulent être au large et quand ils rentrent ils ne veulent pas être à l' étroit. [2.415 #1557]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait de la fierté de ces jeunes gens. [2.415 #1557]

Ohabolana 8Aza lalin-kevitra toy ny tsiboboka : lany ny androa-tokon-tsaina vao hary tongotra aman-tanana. [2.558]
Aza lalin-kevitra, toy ny tsiboboka : lany ny an-droatokon-tsaina vao maniry tongotra. [2.653 #392]

Ohabolana 9Aza manao foza kely anaty lavaka : Halorina tsy azo, topazan-drano tsy mety mivoaka, fa ao anaty lavaka ihany no manaingainga tanana. [2.558]
Aza manao foza kely anaty lavaka : halorina tsy azo ; topazan-drano tsy mety mivoaka ; fa ao anaty lavaka ihany no manaingainga tanana, ka mety aminao va aho ? [2.415 #1755]
Aza manao foza kely anaty lavaka : halorina, tsy azo; topazan-drano, tsy mety mivoaka ; fa ao anaty lavaka ihany no maninganinga tanana; ka mety aminao va aho ? [2.653]
Foza kely anaty lavaka : halorina, tsy azo ; topazan-drano, tsy mety mivoaka ; fa ao anatiny ihany no manaingainga. [2.415 #3676]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le petit crabe dans un trou : si on enfonce le bras, on ne l' attrape pas ; si on lui jette de l' eau, il ne veut pas sortir mais il se contente de lever ses pattes dans son trou et feint de demander : est-ce que je vous conviens? [2.415 #1755]
Petit crabe dans un trou : avec la main on ne l' atteint pas ; si on lui jette de l' eau il ne veut pas sortir ; mais il reste blotti au fond. [2.415 #3676]
Fanazavana frantsaySe disait des femmes ou filles qui se faisaient désirer. [2.415 #1755]
Se disait des gens qui restent blottis chez eux, au lieu d' aller avec les autres et de prendre part aux travaux communs ; se disait aussi des jeunes filles qui ne répondaient pas aux avances qui leurs étaient faites. [2.415 #3676]

Ohabolana 10Aza manao mpivaro-tantely hianao : ny anao ihany no ilelafanao tanana. [2.415 #3835]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme le marchand de miel, ne faisant que vous lécher les doigts avec ce qui vous appartient. [2.415 #3835]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne profitent pas de leurs biens. [2.415 #3835]

Ohabolana 11Aza manao toy Itsimadilo manaraka mpandranto, ka ny an-tanana ihany no manaraka. [2.415 #2693]
Aza manao toy ny tsimadilo manaraka mpandranto, ka ny an-tanana hiany no manaraka. [2.653]
Aza manao Tsimadilo manara-mpandranto. [2.415 #4368, 2.165]
Tsimadilo manaraka mpandranto, ka ny an-tanana no manaraka. [2.558]
Tsimadilo manaraka ny mpandranto, ka ny an-tanana no manaraka. [2.165 #1176]
Tsy mety raha manao Tsimadilo manaraka mpandranto : ny an-tanana indray no manaraka. [2.415 #2693, 2.653]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme Tsimadilo suivant un marchand pour faire fortune au loin : ce qu' il avait lui glisse des mains. [2.415 #2693]
Ne faites pas comme un Tsimadilo qui suit un marchand. [2.415 #4368]
Ne faites pas comme un Tsimadilo suivant un marchand. [2.165]
Un Tsimadilo suivant un marchand, il perd bientôt ce qu' il avait. [2.165]
Fanazavana frantsayLa légende rapporte que Tsimadilo se mit à la suite d' un commerçant pour faire fortune ; il perdit ce qu' il avait, ne rencontra pas la fortune qu' il cherchait, et mourut en route. Ce proverbe se disait des choses de longue durée et incertaines. [2.415 #2693]
Les gens du clan Tsimadilo étaient réputés pour être des commerçants très malchanceux. [2.165]
On disait que les Tsimadilo étaient malheureux dans le commerce. [2.415 #4368]

Ohabolana 12Aza mitarain-tanana ompaka. [2.653 #656, 2.974 #186]
Mitarain-tanana ompaka. [2.415 #3708]
Dikanteny frantsayNe pas gémir sur les écorchures de ses mains. [2.974 #186]
Se plaindre des ampoules qu' on a aux mains. [2.415 #3708]
Fanazavana frantsayCette expression signifiait : demander une plus grande récompense pour le travail fait ; elle se disait aussi des gens qui demandent à se retirer d'un travail. . [2.415 #3708]

Ohabolana 13Aza zatra ny lava tanana fandrao tsy mba manana hampirimina. [2.558]

Ohabolana 14Benalika no miongo-kerana ka Isambiranto no miempa-tanana. [2.558]
Benalika no niongo-kerana, ka Isamboranto no miempa-tanana. [2.165]
Benalika no niongo-kerana, koa Sambiranto no tapa-tanana. [2.415 #3838, 2.653 #756]
Dikanteny frantsayC' est Benalika qui a arraché les joncs et c' est Sambiranto qui a eu les mains coupées. [2.415 #3838]
Les gens de Benalika arrachent des joncs mais ce sont ceux d' Isamboranto qui ont mal aux mains. [2.165]
Fanazavana frantsayPayer pour un autre. [2.415 #3838]

Ohabolana 15Bibilava vonoina, ka tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, tsy vava hiteny, fa todin' aina no andrasana. [2.558]
Bibilava vonono : tsy manan-tanana hamaly izy, fa Andriamanitra no andrasana. [2.415 #22]
Bibilava vonono : tsy manan-tanan-kamaly, tsy manan-tongotra hitsipaka, tsy manam-bava hivalo, fa todin' aina no andrasana. [2.415 #22, 2.653 #769]
Bibilava vonono, tsy tanana hamely, tsy tongotra hitsipaka fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Bibilava vonono: tsy tongotra hitsipaka, tsy tanana handrangotra, fa Andriamanitra no andrasana. [1.1]
Fanazavana malagasyEntimilaza ny fisian' ny tody, na koa ny fomban' Andriamanitra an' ireo malemy sy osa, izay tsy manan-kanoherana ireo mpanao tsindry hazo lena na kely tsy mba mamindro. [1.1]
Enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin' ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy. [1.1]
Marina ka mamaly ny ratsy sy ny tsara. [1.1]
Dikanteny frantsayUn serpent qu' on tue : il n' a pas de mains pour se défendre, mais il compte sur Dieu. [2.415 #22]
Fanazavana frantsayCe proverbe s' appliquait aux petits et aux faibles qui souffrent des oppressions : ils attendent que Dieu leur fasse justice. [2.415 #22]

Ohabolana 16Boka homan-jabora ka ny tanany no mandina aloha. [2.558]
Boka homan-jabora : ny tanany no mihosina aloha. [2.415 #1947, 2.653 #773]
Dikanteny frantsayLépreux qui mange de la graisse : sa main est toute salie avant qu' il ait pu en manger un peu. [2.415 #1947]
Fanazavana frantsayAllusion à ce qu'il n' a plus de doigts. [2.415 #1947]

Ohabolana 17Boka nandray tanana, ka ny fanahy misy ihany fa ny tanan-kandray no tsy misy. [2.558]
Boka nandray tanana : ny fanahy misy ihany, fa ny tanan-kandray no tsy misy. [2.415 #1981, 2.653]
Dikanteny frantsayLépreux qui veut donner une poignée de mains : ce n' est pas l' intention qui lui manque, c' est la main. [2.415 #1981]
Fanazavana frantsaySe disait des gens de bonne volonté, mais sans moyens. [2.415 #1981]

Ohabolana 18Boka nangala-pary, ka ny fary tsy azo, ary ny tanana feno lay. [2.165]
Boka nangala-pary ka ny fary tsy azo fa ny lay no nanenika. [2.558 #935]
Boka nangala-pary : ny fary tsy azo ho an' ny tena, ny tanana feno lay. [2.415 #1984]
Boka nangala-pary: ny fary tsy azo, ny tanana feno lay. [2.653 #807]
Dikanteny frantsayLépreux qui a volé une canne à sucre : il ne peut pas saisir la canne et il a la main pleine de ses piquants. [2.415 #1984]
Un lépreux qui voulait voler de la canne à sucre: il n' a pas pu avoir la canne, mais il a eu les mains pleines de piquants. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui étaient punis de leurs mauvaises actions. [2.415]

Ohabolana 19Dian-dambo, ka izay alehan-tanany no alehan-tongony. [2.415 #1501, 2.165]
Dian' omby ka ny alehan-tanany no alehan-tongony. [2.558]
Dikanteny frantsayLa marche d' un sanglier: où passent ses pieds de devant, passent aussi ses pieds de derrière. [2.165]
Marche de sanglier : où les pieds de devant passent, les pieds de derrière passent aussi. [2.415 #1501]
Fanazavana frantsayCe que les parents font, les enfants le font aussi. [2.165]
Tel père tel fils. [2.415 #956]

Ohabolana 20E! Andriamanitra nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
Zanahary nahary tongotra aman-tanana. [2.415 #25]
Dikanteny frantsayÔ Dieu qui nous avez créés, pieds et mains. [2.415]

Ohabolana 21Fakana amboan-tSakalava: tanana amy ny vavany ihany vao mety mihinana. [2.653]
Fakana amboan-tSakalava : tanana amin' ny vavany ihany vao mihinana. [2.558]

Ohabolana 22Fanambadian' Imanontalahy: ariary no vodiondry, ka voamena no fahatelon-tanana. [2.653]
Fanambadian' Imanontalay : ariary no vodiondry, ka voamena no fahatelon-tanana. [2.415 #1369, 2.558]
Dikanteny frantsayMariage d' Imanontalay : il a donné cinq francs comme présent de noces à ses beaux-parents, et il n' a plus que quatre sous pour donner à sa femme au jour du divorce pour la payer du tiers des biens mis en commun. [2.415 #1369]
Fanazavana frantsayAu jour du divorce, la femme répudiée devait recevoir le tiers des biens mis en commun, mais parfois il ne restait rien ou presque rien ; le sens général est : tel commence bien qui finit mal. [2.415 #1369]

Ohabolana 23Hady voanjo ny fanompoana, ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany koa hohazan-tanana, hamenoana ny harona. [2.415 #373]
Tahaka ny hadi-voanjo ny fanompoana: ka tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany hohazan-tanana koa mba hamenoana ny harona. [2.165 #1527]
Dikanteny frantsayLa corvée est comme la récolte des arachides: on ne met pas dans la corbeille seulement celles qui tiennent encore à la tige, mais aussi celles qui sont tombées à terre et qui doivent être ramassées à la main afin de remplir la corbeille. [2.165]
La corvée est comme les arachides qu' on arrache de la terre : on ne met pas seulement dans le panier ce qui vient avec la tige, mais les mains fouillent dans la terre et cherchent ce qui reste afin de remplir le panier. [2.415 #373]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait les recherches scrupuleuses qui étaient faites pour remplir le nombre des escouades destinées à la corvée. [2.415 #373]

Ohabolana 24Hanetsa ka mandrora tanana. [2.653 #1026, 2.558]

Ohabolana 25Hianao toy ny lafa mihazona ny raty, ary soroka isavilian’ ny sandry. [2.415 #813, 2.653 #1066]
Hianao toy ny lafa mihazona ny raty ary soroka isavilian' ny tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayVous êtes comme le filament qui retient l' écorce de bananier, et l'épaule où les bras sont accrochés. [2.415 #813]
Fanazavana frantsayParoles dites aux protecteurs. [2.415 #808]

Ohabolana 26Isambilo no miavon-karena, ka Renisabotsy no marary tanana. [2.415 #1282, 2.653]
Isambilo no miongo-kerana ka Renisabotsy no marary tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayC' est Isambilo qui devient fier et ne veut plus travailler de ses mains parce qu' il se croit riche, et c' est Renisabotsy sa femme qui prétend avoir mal à la main. [2.415 #1282]
Fanazavana frantsaySe disait des ménages de paresseux ; sens plus général : à chef paresseux, inférieurs paresseux. [2.415 #1282]

Ohabolana 27Izaho mandoa haba an-tanana sy kavina an-tsofina ! [2.415 #2433]
Dikanteny frantsayIl faut que je donne bracelets et boucles d' oreille ! [2.415 #2433]
Fanazavana frantsayLe sens est : je suis obligé de payer tout. [2.415 #2433]

Ohabolana 28Izay mahay manana dia manana indroa, fa izay tsy mahay manana, dia foan-tanana. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa, fa izay tsy mahay manana, dia foana avokoa. [2.415]
Izay mahay manana dia manan-droa; fa raha tsy mahay manana dia foana avokoa. [2.653 #1185]
Izay mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, ny tanan-droa foana avokoa. [2.165 #754]
Izay mahay manana, manan-droa, fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [2.558 #1497]
Raha mahay manana, manan-droa; fa raha tsy mahay manana, votso-droa. [1.1]
Raha mahay manan-droa, fa raha tsy mahay foan-tanan-droa. [2.558]
Fanazavana malagasyEnti-mampitandrina an' ireo be faniriana loatra ta hahazo betsaka amin' izay ataony nefa mety tsy hahazo na iray amin' iteo aza. [1.1]
Enti-milaza olona be famaritra loatra ka mety hahazo betsaka na tsy hahazo na inona na inona akory. [1.1]
Dikanteny frantsayCeux qui savent tirer parti de ce qu' ils ont le possèdent à double, mais ceux qui ne le savent pas perdent bientôt tout. [2.165]
Savoir garder ce qu' on a et en profiter, c' est le posséder deux fois ; ne pas savoir, c' est le posséder inutilement. [2.415 #2191]

Ohabolana 29Izay manan-dity mahazo vorona. [2.415 #1633, 2.653]
Izay manan-dity, mahazo vorona, ny tsy manan-katao milalao tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayCelui qui a de la glu attrape les oiseaux. [2.415 #1633]
Quiconque a de la glu est en état de prendre des oiseaux. [2.974 #323]
Fanazavana frantsayEn y mettant les moyens, on arrive au but que l' on poursuit ; se disait de la recherche d'une épouse. [2.415 #1633]

Ohabolana 30Izay mitsingina no avo tehezana ary izay be fandraoka no be tonon-tanana. [2.415 #1634, 2.653 #1198, 2.558]
Dikanteny frantsayCelui qui fait le délicat a la taille fine, et celui qui travaille à ramasser à pleines mains a les noeuds des doigts très gros. [2.415]

Ohabolana 31Kapoka alikan-dRainibelanonana : voa ny tongony, voa ny tanany. [2.558]

Ohabolana 32Latsa-bato an-tanana. [2.415 #2712]
Dikanteny frantsayCelui qui perd un bien acquis, est comme celui qui laisse échapper la pierre qu' il tenait dans la main. [2.415 #2712]

Ohabolana 33Lehibe nangataka : ny miloa-bava mora ihany, fa ny mamerin-tanana tsy mahazo no henatra. [2.653]
Lehibe no mangataka : ny miloa-bava mora ihany fa ny mamerin-tanana no tsy toha. [2.558]

Ohabolana 34May volon-tanana, ohatra ny mpisorona afo. [2.653]
May volon-tanana sahala amin' ny mpisoron' afo. [2.558]

Ohabolana 35Mamia fotaka malemy : giazana mafy, miporiatra amy ny elnkela-tanana; hazonina moramora, lany mitsika. [2.653 #1475]
Mamia fotaka malemy : giazana mafy, miporiatra amin' ny elakela-tanana ; hazonina moramora, lany mitsika. [2.415 #293]
Mamia fotaka malemy : giazana mafy miporitsaka, tazonina mora lany mitsika. [2.558 #1950]
Dikanteny frantsaySerrer dans les mains de la vase coulante : si on la serre fortement, elle s' échappe par les intervalles des doigts ; si on la retient mollement, elle s' en va tout entière goutte à goutte. [2.415 #293]
Fanazavana frantsayLe gouvernement des hommes est difficile : il faut éviter les excès de sévérité et de faiblesse. [2.415 #293]

Ohabolana 36Mandray tsy mahazo menatry ny tanana, mitsaha-tsy voky menatry ny vava. [2.558]
Mandray tsy mahazo, menatry ny tanana; mitsako tsy voky, menatry ny vava. [2.415 #6451, 2.653 #1594]
Dikanteny frantsayCelui qui tend la main sans recevoir, est tout confus à cause de sa main ; celui qui mâche et n' est point rassasié, est tout confus à cause de sa bouche. [2.415 #6451]
Fanazavana frantsayLa honte vient à la suite d'un projet qui n' a pas réussi. [2.415 #6451]

Ohabolana 37Mandrohy moka, mamatotra aloy : ary tongotra aman-tanana fa tsy misy tena hodidiana. [2.415]
Mandrohy moka, mamatotra aloy: ary tongotra aman-tanana, kanefa tsy misy tena hodidiana. [2.653 #1596, 2.165]
Mandrohy moka, mamatotra aloy, àry tongotra, fa tsy misy tena hodidiana. [2.558 #140]
Dikanteny frantsayAttacher un moustique, lier un moucheron: les deux ont bien des pieds et des mains (les pattes) mais n' ont pas de corps à découper. [2.165]
Garrotter des moustiques, attacher des moucherons, c' est butin de pattes et d' ailes, mais de substance à partager, point. [2.415]
Fanazavana frantsayIl n' y rien à prendre, ce n' est pas comme un bœuf (que l' on attache pour le tuer). [2.165]
Se disait des poursuites engagées contre des gens qui n' ont rien : on en est pour les frais. [2.415 #3353]

Ohabolana 38Miroborobo ny afo tsy mba mamindro, ka lany ny kitay vao mamihin-tanana. [2.415 #3273, 2.653 #1821]
Miroborobo ny afo tsy mba namindro, fa efa lany ny kitay vao mamihin-tanana. [2.558]
Dikanteny frantsayQuand le feu flambe on ne se chauffe pas, et quand il est consumé on se met à joindre les mains et croiser les doigts pour se chauffer. [2.415 #3273]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui manquent l' occasion. in conduit l' eau sur un versant, choses qui se perdent en route, des de l' argent en litige qui est absorbé. [2.415 #3273]

Ohabolana 39Misalasala hoatry ny mitoetra amin-drenikely : manoza tanana, mandany rano ; mitoetra amin' izao, zaza veta. [2.415 #5812]
Misalasala, ohatra ny mitoetra amin-drenikely : manoza tanana, mandany rano; mitoetra amin’ izao, zaza veta. [2.653]
Misalasala ohatra ny mitoetra amin-drenikely : mioza tanana lazaina ho mandany rano, mitoetra amin' izao, lazaina ho voretra. [2.558]
Dikanteny frantsayÊtre dans l'embarras, comme l' enfant qui habite avec sa marâtre : s'il se lave les mains, elle dit qu' il gaspille l' eau ; s' il reste sans se laver, elle dit que c' est un enfant malpropre. [2.415 #5812]
Fanazavana frantsaySe disait des gens toujours blâmés, quoi qu' ils fassent. [2.415 #5812]

Ohabolana 40Mitomboa tanana, mitomboa tongotra, mitomboa an-tsakany, mitomboa an-davany. [2.415 #4150]
Dikanteny frantsayCroissez aux mains et aux pieds, en largeur et en longueur, que tout vous réussisse. [2.415 #4150]
Fanazavana frantsaySouhait fait par le marchand à celui qui lui achetait un esclave ou un animal. [2.415 #4150]

Ohabolana 41Moana no tezitra ka sady mikapakapa ny tanana no midiridiry ny maso ary ny vava mikiakiaka dia manginy ihany. [2.558]

Ohabolana 42Moa ny somisi-tanana dia mpanokona ary ny mpandeha maro mpanao be hariva? [2.558]
Moa ny somisi-tanana dia mpanokona ? Moa ny mpandeha maromaro dia mpanao behariva ? [2.415 #1667, 2.653 #1931]
Dikanteny frantsayEst-on cuisinier, parce qu'on a la peau des mains qui s' écaille et se soulève? appartient-on à une bande de détrousseurs de nuit, parce qu' on va en bandes nombreuses? [2.415 #1667]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se fier aux apparences. [2.415 #1668]

Ohabolana 43Mpivaro-tantely : nilela-tanana, mpandrafitra : nindran-tseza, ka voatondro molotra akaiky. [2.558]

Ohabolana 44Na be aza ny tetika, ny an-tanana indray ve no hariana. [2.558]

Ohabolana 45Nahoana no hilomano ka mandrora tanana? [2.415 #2096, 2.653 #2044]
Nahoana no hilomano ka no mandrora tanana ? [2.558]
Dikanteny frantsayPourquoi cracher dans ses mains quand on va nager ? [2.415 #2096]
Fanazavana frantsayC'est bien inutile. [2.415 #2096]

Ohabolana 46Natao ihany ny sikidy an-tanana, fa raha noana natakalo mangahazo. [2.415 #132, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayOn s' était bien promis de garder au bras ce que le devin avait commandé de porter, mais quand on a faim on le change pour du manioc. [2.415 #132]
Fanazavana frantsayNécessité n' a pas de loi. [2.415 #132]

Ohabolana 47Na very fanahy mbola velona aza, tsy hihetsika ve ny tanana! [2.558]

Ohabolana 48Ny iray manampo fehin-tongotra, ny iray manampo fehin-tanana. [2.415 #2451]
Dikanteny frantsayL' une désire et espère des anneaux pour les pieds, l'autre des bracelets. [2.415]
Fanazavana frantsayL' une veut une chose, l'autre me autre. [2.415]

Ohabolana 49Ny lambolamboin' ny vava tsy araka ny tanana. [2.558]

Ohabolana 50Ny lasa tsy azo tanana, fa aoka ny teraka no hobabena. [2.415 #2775, 2.653 #2300, 2.558]
Dikanteny frantsayLes morts qui sont partis, on ne peut plus les retenir, mais il faut porter sur le dos ceux qui naissent. [2.415 #2775]

Ohabolana 51Ombalahy tanimanga: mitrena soloan' ny vava, misoitra soloan' ny tanana. [2.558]

Ohabolana 52Rafotsibe tia zafy : "Inty ny sotro ho anao ; fa aoka aho hangaron-tanana". [2.653]
Rafotsibe tia zafy : inty ny sotro ho anao fa aoka aho hangaro-tanana. [2.558]
Tahaky ny ataon-dRafotsibe tia zafy hoe : inty ny sotro ho anao anaka, fa aoka aho hangaron-tanana. [2.415 #1935]
Dikanteny frantsayC' est comme la vieille qui aime tendrement son petit-fils : prends la cuiller mon enfant, dit-elle, et moi je me servirai de mes mains pour manger. [2.415 #1935]
Fanazavana frantsaySe disait des grands-parents qui traitaient trop bien leurs petits-enfants. [2.415 #1935]

Ohabolana 53Raha hihavana aminay aza milela-tanana. [2.558]
Raha mihavana aminay, aza milela-tanana. [2.165]
Dikanteny frantsayLa terre est la première femme du Créateur: elle amasse les vivants et entoure les morts. Si vous voulez être de nos amis, ne vous léchez pas les mains. [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion à la polygamie: la première femme avait le soin des biens et cherchait à augmenter la fortune de la famille. [2.165]

Ohabolana 54Raha manao ka tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanana tsy miasa, avelao hivarina amin-tany. [2.165 #667]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo, fa raha miraviravy tanana tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.415 #3967]
Raha manao ka tsy ambininy, omeo fa hava-malahelo ; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [2.653 #2688, 2.974]
Raha manao tsy ambinina, ampisambory fa havana ory; fa raha miraviravy tanan-tsy manao, avelao hivarina aman-tany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa izay miezaka – na tsy ambinina aza – dia mendrika ny hampiana, fa izay mitomoemoe-poana kosa, tsy tokony hokarakaraina. [1.1]
Dikanteny frantsayLe travailleur qui n' a pas de chance doit être secouru, car c' est un parent malheureux ; mais le paresseux, il faut le laisser enterrer sans linceul de soie. [2.415 #3967]
Si le succès ne couronne pas ses efforts, aidez-le, car c’est un frère qui souffre ; mais s’il laisse pendre ses mains dans l’inaction, laissez-le choir. [2.974 #191]
Si quelqu' un travaille, mais sans profit, prêtez-lui, car c' est un malheureux; mais s' il se croise les bras sans rien faire, laissez-le souffrir. [2.165 #667]

Ohabolana 55Raha mitsirika ny tapany, mahalava tenda, raha mizara kely mahafohy tanana. [2.558]
Raha mitsirika ny tapany, mahalava tenda : raha mizara ny kely, mahafohy tanana. [2.415 #2556, 2.653 #2698]
Dikanteny frantsayRegarder dans un récipient à moitié plein, cela allonge le cou ; partager le peu qu' on a, raccourcit les mains. [2.415 #2556]
Fanazavana frantsayOn attend vainement quelque chose des pauvres, ils n'ouvrent pas facilement la main car ils n'ont rien. [2.415 #2556]

Ohabolana 56Saka lava tanana. [2.415 #4319]
Dikanteny frantsayLe voleur est un chat à longues griffes. [2.415 #4319]

Ohabolana 57Sola tojo henatra, ka ny tanana no ampifamihinana, fa ny volo ho safoina tsy misy. [2.558]

Ohabolana 58Tahaka ny hady voanjo ny fanompoana : tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amy ny tany hohazan-tanana, mba hamenoana ny harona. [2.653]
Tahaka ny hady voanjo ny fanompoana : tsy ny momba ny tahony ihany no atao an-karona, fa ny mipetraka amin' ny tany koa hohazan-tanana. [2.558]

Ohabolana 59Tanala mivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tanana. [2.415 #3875]
Dikanteny frantsayHabitant de la forêt qui vend son miel : il ne peut que se lécher les doigts de ce qui est son bien. [2.415 #3875]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ne veulent pas dépenser, et qui ainsi ne profitent pas de leurs biens. [2.415 #3875]

Ohabolana 60Tanana eo an-jorony efatra, ohatra ny fihinam-boatavo mahamay. [2.653]
Tanana eo an-jorony efatra toy ny fihinam-boatavo mahamay. [2.558]

Ohabolana 61Tanana havanana mikapoka ny havia : mahavoa maharary, saingy ny namana ihany. [2.558]
Tanana havanana nikapoka ny havia : nahavoa maharary, fa ny namana ihany. [2.415 #1128, 2.653]
Dikanteny frantsayMain droite qui a frappé la gauche : elle a fait mal, mais c' est sa compagne. [2.415 #1128]
Fanazavana frantsaySe disait des différends entre parents. [2.415 #1128]

Ohabolana 62Tanora nahita diavolana, ka ny an-tanana aza tsy zaka. [2.558]
Tanora nahita diavolana: ny an-tanana aza tsy zaka. [2.653 #3019]

Ohabolana 63Toy ny foza : mana-maso, manam-bava, manan-tanana, fa tsy manam-bozona. [2.558]

Ohabolana 64Tompo milela-tanana. [2.415 #6006]
Dikanteny frantsayLe marchand de miel vend aux autres et ne fait que se lécher les doigts. [2.415 #6006]
Fanazavana frantsaySe disait des propriétaires ne jouissant pas de leurs biens, et de ceux qui se dépensent pour les autres, ou sont exploités par eux. [2.415 #6006]

Ohabolana 65Tovony manaja tanana, ka antitra vao be fitsiriritana. [2.558]

Ohabolana 66Vakonim-bava maha-te-hijery, vakonin-tanana, ento mihodina any. [2.558]

Ohabolana 67Zarazarao ny raharaha : ny tapa-tanana miandry ondry, ny tapa-tongotra mitoto vary. [2.653 #3765, 2.974 #24, 2.415, 2.558]
Dikanteny frantsayDivision du travail : le manchot garde les brebis, l’éclopé va piler le riz. [2.974 #24]
Qu' on distribue les travaux : que les manchots gardent les moutons et les culs-de-jatte pilent du riz. [2.415 #870]
Fanazavana frantsayChacun doit s' employer suivant ses aptitudes. [2.415 #870]

Ohabolana 68Zato iray alinalina; arivo iray hetsihetsy. [2.653 #3766]
Zato iray alinalina, arivo iray hetsihetsy, mora lazaim-bava fa tsy araky ny tanana kiraina. [2.558]

Ohabolana 69Zatra ny miondan-tanana ka raha mionda-mololo mararin' ny sery. [2.558]

Fizahan-teny