Fizahan-teny

Ohabolana : tava

Ohabolana 1Aza mijery arina an-tava. [2.165 #448, 2.653 #617]
Dikanteny frantsayNe regardez pas la suie qui est sur le visage de quelqu' un. [2.165]
Fanazavana frantsayNe regardez pas les fautes des autres pour les rendre honteux. [2.165]

Ohabolana 2Hianao izao tsy mba ny tava mihodivitra fa ny handrina manatrika. [2.558 #1320]
Hianao izao tsy mba ny tava mihodivitra, fa ny tapi-kandrina manatrika. [2.653 #1059]
Tsy mba ny tava mihodivitra, fa ny tampin-kandrina manatrika. [2.558 #4560]
Tsy mba ny tava mihodivitra, fa ny tampon-kandrina manatrika. [2.415 #5054]
Tsy mba ny tava mihodivitra (izahay), fa ny tapikandrina manatrika. [2.653 #3396]
Dikanteny frantsayCe n' est pas le visage qui fait un détour, mais le haut du front qui regarde en face. [2.415 #5054]
Fanazavana frantsaySe disait des hommes francs et sans feintes. [2.415 #5054]

Ohabolana 3Sola manasa tava ka vita hatramin' ny loha. [2.558 #3932]
Sola manasa tava: vita mbamy ny loha. [2.653]
Sola manasa tava : vita mbamin' ny loha. [2.415 #2137]
Dikanteny frantsayChauve qui se lave la figure : tout est fait jusqu' à la tête. [2.415 #2137]

Ohabolana 4Telo no sola : ny anankiray tava mitatra, ny anankiray sola nahafahana, ny anankiray tena sola. [2.415 #2143, 2.165]
Dikanteny frantsayIl y a trois espèces de gens chauves: ceux qui sont chauves près de la figure; ceux qui sont chauves par places; ceux qui sont chauves partout. [2.165]
Il y a trois sortes de chauves : ceux dont la figure empiète sur les cheveux, ceux qui sont chauves par endroits, et ceux qui le sont tout à fait. [2.415 #2143]

Fizahan-teny