Fizahan-teny

Ohabolana : tsara

Ohabolana 1Adin' ankizy: miady maraina, tsara hariva. [1.1 #416]
Miady maraina fa tsara hariva, toy ny adin' ankizy. [2.558]
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina : toy ny adin’ ankizy. [2.653]
Miady maraina, tsara hariva; miady hariva, tsara maraina, toy ny mpivady. [2.165 #1797]
Mpivady miady maraina, tsara hariva ; miady hariva, tsara maraina. [2.415 #1306]
Mpivady miady maraina, tsara hariva ; miady hariva, tsy miloaka ny andro maraina. [2.415 #1306]
Fanazavana malagasyEntina milaza ny olona miady tsy mba manana otri-po na fankahalana maharitra fa mora mifankahazo na mihavana indray. [1.1 #416]
Dikanteny frantsayEn guerre le matin, en paix le soir; en guerre le soir, en paix le matin, comme des époux. [2.165]
Époux qui se disputent le matin, le soir ils sont réconciliés ; s' ils se disputent le soir, le lendemain matin ils sont réconciliés. [2.415 #1306]
Fanazavana frantsaySe disait des disputes incessantes mais sans conséquences. [2.415 #1306]

Ohabolana 2Akanga tsara soratra takalozana akoho taman-trano. [1.1 #41, 1.3]
Aza atakalo akanga tsara soratra ny akoho taman-trano. [1.5]
Mahita ny akanga tsara soratra ka manary ny akoho taman-trano. [2.165 #1667, 2.415 #1377, 2.558 #1887, 2.653 #1427]
Ny akoho taman-trano atakalo akanga mandositra. [2.415 #1388]
Tsy mety raha ny akanga tsara soratra, no andaozana ny akoho taman-trano. [2.415 #1412]
Fanazavana malagasyZavatra marevaka ivelany anariana zava-tsoa maharitra. [1.1 #41]
Dikanteny frantsayCe n' est pas bien d' abandonner pour une pintade au beau plumage, la poule domestique habituée à la maison. [2.415 #1412]
Changer une poule domestique habituée à la maison, pour prendre une pintade coureuse. [2.415 #1388]
Échanger un bien solide contre un bien fallacieux de brillante apparence. [1.3]
N'échangez point un bien solide contre un bien fallacieux. [1.5]
Voir une pintade au beau plumage et abandonner pour elle la poule domestique habituée à la maison. [2.415 #1377]
Voir une pintade de belle couleur et se défaire de la poule qu' on avait depuis longtemps. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait du mari abandonnant la mère de ses enfants pour prendre une coureuse de belle apparence ; il se disait aussi des gens qui laissaient un bien sûr, pour un autre moins sûr. [2.415 #1412]
Se disait des maris qui laissaient leur femme pour prendre une coureuse de belle apparence. [2.415 #1377]
Se disait du mari se laissant séduire par une femme de belle apparence et quittant pour elle la mère de ses enfants. [2.415 #1388]

Ohabolana 3Akoho avy no ilam-pamaky. [2.415 #2057, 2.653 #43]
Akoho avy ve ka ilana famaky! [2.558]
Akoho iray no hovonoina ka famaky tsara zarana no indramina. [2.558]
Akoho no rasaina, ka famaky no tadiavina. [2.974 #286]
Dikanteny frantsayChercher une hache, alors qu’il s’agit de découper un poulet. [2.974 #286]
Même pour découper une poule, il a besoin d' une hache. [2.415 #2057]
Fanazavana frantsayIl se trouve embarrassé pour un rien. [2.415 #2057]

Ohabolana 4Aleo kely fanahy sitrak' olona, toy izay be fanahy maty foana. [2.165 #1624]
Aleo kely fanahy sitrak' olona, toy izay be fanahy maty maina. [2.558 #114]
Tsara ny kely fanahy sitrak’ olona, fa ratsy ny be fanahy maty foana. [2.558 #4407, 2.653 #3285]
Dikanteny frantsayMieux vaut n' être pas trop malin mais aimé, que d' avoir trop d' esprit et en souffrir. [2.165]

Ohabolana 5Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy. [2.165 #93]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux être laid et bon, que d' être beau et méchant. [2.165]

Ohabolana 6Andevolahy mandihy an-jezika: mahare ny fingodony, fa tsy mahita ny handitsiky ny masony. [2.165]
Ankizilahy mandihy an-jezika : faly nihaino ny fidobony fa narahim-parasisa vao ory. [2.558 #281]
Ankizilahy mandihy an-jezika : ny fidobony dia tsara, fa ny maso ditsoka tsy voahevitra. [2.558 #280]
Dikanteny frantsayUn esclave dansant sur un tas de cendres: il entend résonner ses pas, sans s’apercevoir que ses yeux s’emplissent de poussière. [2.165]

Ohabolana 7Andro tsara ny miarim-bolana, ka soa ny tanteraka aminy, fa manantena ho feno. [2.415 #67]
Dikanteny frantsayC' est un jour favorable que le treizième de la lune : les affaires entreprises ce jour-là réussiront, car on attend qu' il y ait plénitude. [2.415 #67]
Fanazavana frantsayLa lune sera pleine et l' affaire réussira parfaitement. [2.415 #67]

Ohabolana 8Antananarivo no tsara trano ka Ivakiniadiana no sola vantony. [2.558 #326, 2.653 #245, 1.1]
Fanazavana malagasyNy soa ho an' ny sasany indraindray mitarika fahavoazana ho an' ny hafa. [1.1]

Ohabolana 9Antova a Sahalampona, anin-tompontany tsara; anim-bahiny mahafaty. [1.147 #A86]

Ohabolana 10Antsibe latsaka an-dobo; raha ilaozana, harafesina. [2.165]
Antsibe latsaka an-dobo: tsiriho matetika, fandrao dia harafesina. [2.653 #257]
Antsibe latsaka an-dobo : tsiriho matetika fandrao harafesina. [2.415 #615, 2.558 #303]
Antsibory latsaka an-kady : tsara tahiry vao harafesina. [2.558 #291]
Dikanteny frantsayCouteau tombé dans l' eau : qu' on le voie souvent de peur qu' il ne se rouille. [2.415 #615]
Un grand couteau tombé dans une mare: si on l' y laisse, il se rouillera. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des chefs qu' il fallait surveiller car l' occasion fait le larron. [2.415 #615]

Ohabolana 11Antsibe tsara ofana ireo, adidy tsy mba mahadilo ; lefona tsara varombo, atomboka tsy mba milefitra ; tangen-tsara hafatra, tsy mba mena-maso mitsara. [2.415 #616]
Dikanteny frantsayLes chefs sont comme des coutelas bien trempés qui ne s' émoussent pas en tranchant ; comme des lances bien emmanchées qui ne plient pas en pourfendant ; comme le tanguin qui exécute fidèlement ce dont on le charge et juge avec impartialité. [2.415 #616]
Fanazavana frantsayParoles du roi Andrianampoinimerina à son fils Radama ; elles servaient d' éloges pour ceux qui travaillaient bien. [2.415 #616]

Ohabolana 12Aombilahy vanga, tsara morika tsara mivalana. [1.147 #A103]

Ohabolana 13Avaho tsara ny teninao, fa roa ny manonaka : ny iray mihonaka ny taviny ; ny iray nihonaka ny ihany. [2.653]
Avaho tsara ny teninao fa roa ny manonaka : ny iray mihonaky ny taviny, fa ny iray mihonaky ny ihany. [2.558]
Roa ny mihonaka (manonaka) : ny iray mihonaky ny taviny, ny iray mihonaky ny ihany. [2.558]

Ohabolana 14Aza asiana nofin' ny lahy, ka tsara, ary ny nofin' ny vavy hampidi-doza. [2.558 #372]
Aza asiana nofin' ny lahy sy nofin' ny vavy. [2.415 #266, 2.653 #334]
Dikanteny frantsayQu'il n' y ait point rêve du mari et rêve de la femme. [2.415 #266]
Fanazavana frantsayIl doit y avoir entente entre les époux. [2.415 #266]

Ohabolana 15Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara. [2.415 #1438, 2.165]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny manome sira kely no ankasitrahany. [2.415 #1449]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany fa ny manome sira tsaroan' ny lelany no ankasitrahany. [2.558 #130]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny nanome sira kely no ankasitrahany. [2.653 #1468]
Rafozana jamba, ka aleony sira ren' ny lelany toy izay lamba tsara. [2.558 #3540]
Rafozana jamba: ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira kely no isaotsaorany. [1.3 #498]
Rafozana jamba: ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona mahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe atao azy. [1.1]
Dikanteny frantsayBelle-mère aveugle: si on lui donne un lamba, elle ne voit pas, mais si on lui donne un peu de sel, elle remercie avec effusion [1.3 #498]
Ne faites pas comme une belle-mère aveugle, qui aime mieux qu' on lui donne un peu de sel plutôt qu' un beau lamba. [2.415 #1438]
Ne faites-pas comme une belle-mère aveugle, qui préfère qu' on lui donne un peu de sel plutôt qu' un beau "lamba" . [2.165]
Visitez votre belle-mère aveugle et donnez-lui un lamba, elle ne le voit pas ; donnez-lui un peu de sel, cela lui est agréable. [2.415 #1449]
Fanazavana frantsayComme elle est aveugle, il lui importe peu quelle soit bien mise. [2.165]
Elle ne voit pas le lamba. [2.415 #1438]
Le tout n'est pas de donner, il faut savoir donner ; autre sens : oublier un grand service et se montrer reconnaissant d'un petit service. [2.415 #1449]
Sensible aux petits services, insensible aux grands [1.3 #498]

Ohabolana 16Aza manao volombodin' akoholahy, ka ny any aoriana indray no malaza. [2.558 #638]
Aza manao volom-bodin' akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no malaza. [2.415 #3241]
Aza manao volom-bodin’ akoholahy : ny mitoetra any am-bodiny indray no rnalaza. [2.653 #551]
Volom-bodin' akoholahy: malaza tsara ihany fa aorian' ny namany. [2.165 #1475]
Volom-bodin' akoholahy : ny malaza no any aoriana. [2.558 #5022]
Volom-bodin’ akoholahy : ny malaza no aoriana. [2.415 #6055, 2.653 #3730]
Dikanteny frantsayLes plumes de la queue du coq: elles sont assez grandes (litt. fameuses), mais viennent derrière les autres. [2.165 #1475]
Ne faites pas comme les plumes de la queue du coq : c' est sur la partie postérieure que sont les plus belles. [2.415 #3241]
Plumes de la queue d' un coq : ce sont les plus brillantes qui sont derrière. [2.415 #6055]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui réservent tous leurs soins aux choses les moins importantes. [2.415 #3241]

Ohabolana 17Aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa. [2.165 #1805, 2.415 #1274]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas mépriser votre femme, car toutes celles qui sont bien habillées sont belles. [2.165]
Ne méprisez pas votre femme, car toutes celles qui se sont parées sont belles. [2.415 #1274]
Fanazavana frantsayNe vous laissez pas séduire. [2.415 #1274]
Restez fidèle et ne soyez pas séduit par la belle apparence d' autres femmes. [2.165]

Ohabolana 18Aza tafandry manana aretina. [2.165 #1996]
Aza tafandry manana aretina, tahaka ny didimaso tsara ondana. [2.653 #710]
Aza tafandry manana aretina, tahaky ny didimaso tsara ondana. [2.415 #3242]
Nahoana no tafandry manana aretina, ohatra ny didi-maso tsara ondana ? [2.653]
Nahoana no tafandry manana aretina toy ny didimaso tsara ondana. [2.558]
Dikanteny frantsayNe dormez pas tranquillement quand vient la maladie, comme l' homme aux yeux chassieux qui dort sur un bon oreiller malgré sa maladie. [2.415 #3242]
Ne soyez pas tranquille tout en étant malade. [2.165]
Fanazavana frantsayInquiétez-vous de vous soigner et de guérir. [2.165]

Ohabolana 19Aza tsara vava fahavaratra fa ratsy vava ririnina. [2.558 #56, 2.653 #719]

Ohabolana 20Aza tsara vava ririnina toy ny mpamboly voalobok' Avaradrano. [2.558 #57]

Ohabolana 21Bevohoka tsara teraka ka indray latsaka ny zaza sy ny ahitra. [2.558 #59]

Ohabolana 22Boka misikidy : ny tokin' aina dia tsara ihany, fa ny hasoavana tsy misy intsony. [2.415 #1973]
Boka misikidy : ny tokin’ aina tsara ihany, fa ny hasoavana tsy misy intsony. [2.653]
Dikanteny frantsayLépreux qui consulte le sikidy pour connaître l'avenir : des promesses de vie il y en a bien, mais de la beauté il n'y en a plus. [2.415 #1973]
Fanazavana frantsayLe lépreux n' a rien à faire contre son sort, on ne peut l' exorciser. [2.415 #1973]

Ohabolana 23Boka nisikidianana: ny tokin’ aina dia tsara, fa ny tenany be nahafahana. [2.415 #125, 2.653 #813]
Dikanteny frantsayLépreux pour qui on consulte le sort par le sikidy : la promesse de vie est belle, mais son corps est bien mutilé. [2.415 #125]
Fanazavana frantsayCe proverbe dit le malheur du lépreux qui restera toujours incapable d'être exorcisé ; on l' appliquait à toute difficulté insurmontable. [2.415 #125]

Ohabolana 24Didimaso tsara ondana ka matory manana aretina. [2.558 #992]
Didimaso tsara ondana : matory manana aretina. [2.653 #848, 1.1]
Fanazavana malagasyIlazana olona manana aretina na misy mahavoa azy, nefa misy zavatra mahasondriana azy ka mipetrapetraka tsy manahy na inona na inona izy. [1.1]

Ohabolana 25Dihin’ i Kalavonenana : avanavany ka tsara, fanoerana anazy tsy hainy. [1.147 #D8]

Ohabolana 26Fanambadian-dRainimanafika, ka ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.558 #1080]
Fanambadian-dRainimanafika : ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.415 #1368, 2.653]
Dikanteny frantsayFaire comme dans le mariage de Rainimanafika : il vaut mieux laisser la femme revenir d'elle-même. [2.415 #1368]
Fanazavana frantsayCe proverbe fait allusion à une légende ; on le disait à l' homme que son épouse avait abandonné pour retourner chez ses parents ; paroles de consolation, encouragement à ne faire aucune démarche humiliante auprès de la fugitive. [2.415 #1368]

Ohabolana 27Fanambadian' ny Manontalahy, ka ny mody tsy alaina mba tsara ihany. [2.415 #1370, 2.165]
Dikanteny frantsayLe mariage chez les Manontalahy, les femmes divorcées retournent chez leurs maris de leur propre mouvement et ça va bien. [2.165]
Le mariage chez les Manontalahy : les femmes divorcées reviennent chez leurs maris et tout va bien. [2.415 #1370]

Ohabolana 28Fanompoan' ankotralahy, ka ny marary manao izay ho vitany, ary ny tsara fanahy mamono masoandro. [2.415 #371]
Dikanteny frantsayC'est la corvée des soldats portant giberne : les malades font ce qu' ils peuvent, et ceux qui se portent bien travaillent jusqu' au coucher du soleil. [2.415 #371]
Fanazavana frantsayIl s' agissait là d' une corvée particulièrement pénible. [2.415 #371]

Ohabolana 29Finari-dratsy hoatry ny didimaso tsara ondana. [2.415 #3272]

Ohabolana 30Hanim-boroka : tsara an-dranon’ olona. [1.147 #H11]

Ohabolana 31Henan' ny mpitsoka miozika : ataovy tsara zara, fa vidim-pofon' aina. [2.415 #4491, 2.653 #1048]
Henan' ny mpitsoka mozika : ataovy tsara zara fa vidim-pofon' aina. [2.558 #1307]
Dikanteny frantsayViande qu' on donne en récompense aux musiciens : qu' on la partage bien, car c' est le prix du souffle de la vie. [2.415 #4491]
Fanazavana frantsayAllusion à la cote personnelle ou prix de la vie vidin' aina ; cette cote personnelle était payée au souverain. [2.415 #4491]

Ohabolana 32Ho faty, ka tsy maty tsara ihany, fa mandrovi-tsihy. [2.415 #2856, 2.653]
Ho faty ka tsy maty tsara ihany fa no mandrovi-tsihy! [2.558 #1365]
Indrindra ho faty ihany ka tsy handrovi-tsihy? [2.165 #2102]
Dikanteny frantsayComme il mourra sûrement, ne faut-il pas qu' il use une natte? [2.165]
Puisqu'on va mourir, pourquoi ne pas mourir simplement au lieu de déchirer les nattes? [2.415 #2856]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la résignation. [2.415 #2856]
Il faut bien qu' il jouisse de la vie! [2.165]

Ohabolana 33Hosy be rano ka mahavery bainga. [2.558 #95]
Hosy be rano ka mahavery ny bainga. [2.165 #1215]
Hosy be rano, mahavery ny bainga. [2.653 #1103]
Lainga tsara lahatra, mahavery rariny, hosy be rano, mahavery bainga. [2.558 #1681]
Dikanteny frantsayDans une rizière trop inondée d' eau, les mottes sont cachées. [2.165]
Fanazavana frantsayEt il est difficile de les briser, puisqu' on ne les voit pas. L' excès est nuisible en tout. [2.165]

Ohabolana 34Ho tsara mandroso, ho tsara miverina. [2.415 #4134]
Tsara mandroso, tsara mivarina. [2.415 #4134]
Dikanteny frantsaySoyez bien en allant, soyez bien en revenant. [2.415 #4134]
Fanazavana frantsaySouhait de bon voyage : allez et revenez heureusement. [2.415 #4134]

Ohabolana 35Indro soa, indro tsara, dia ny rano avara-tanàna no androana. [2.558 #1435, 2.653]

Ohabolana 36Izay hajaina tsy ho andriana tsy akory, ary izay manaja tsy ho andevo tsy akory; ka tsara ny mifanaja. [2.165 #187]
Dikanteny frantsayÊtre respecté ne rend pas noble, et respecter ne rend pas esclave; donc il est bon de se respecter l' un l' autre. [2.165]

Ohabolana 37Izay manana-tsira, mahay mahandro, izay tiam-bady mahay miteny. [2.558 #103]
manana-tsira ka mahay mahandro. [2.165 #1600, 2.974 #284]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miresaka. [2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady ka mahay miteny. [2.653 #1523, 2.415]
manana-tsira ka mahay mahandro, tiam-bady, ka mahay miteny, be vola ka maro mpankasitraka. [2.558]
Tiam-bady, ka mahay miresaka; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady, ka mahay miteny; manana-tsira, ka mahay mahandro. [2.653]
Tiam-bady ka mahay miteny, tsara rafozana ka mihaminkamina. [2.558 #4132]
Dikanteny frantsayEtre bon cuisinier parce qu’on a du sel. [2.974 #284]
Qu' a du sel fait bonne cuisine, qui possède l' amour de son époux sait parler. [2.415 #1293]
Quand on a du sel, on peut faire la cuisine. [2.165 #1600]
Fanazavana frantsayOn réussit quand on a ce qu' il faut. [2.415 #1293]

Ohabolana 38Izay tsara loha endrehin-drandrana. [2.415 #2435]
Tsara loha, ka endrehin-drandrana. [2.165 #1286, 2.415 #2468, 2.653 #3281]
Tsara loha ka endrehin-drandrana, be harena ka endrehin-kaja. [2.558 #4401]
Dikanteny frantsayElle a une belle tête et c' est pourquoi ses tresses lui vont bien. [2.165 #1286]
Les jolies figures sont embellies par la parure et par les tresses de cheveux. [2.415 #2435]
Une jolie tête est encore embellie par les tresses de cheveux. [2.415 #2468]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes qui en plus de belles qualités, avaient de la fortune. [2.415 #2468]

Ohabolana 39Izay tsy an' ny tena toa tsara. [2.415 #1374]
Dikanteny frantsayCe qui n' est pas à soi, paraît bien. [2.415 #1374]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui se dégoûtent de ce qu' ils ont et aiment le nouveau : ainsi la femme à laquelle on n' est pas marié, paraît bien. [2.415 #1374]

Ohabolana 40Izy no tsara torimaso, efa nahalehibe zaza handimby (hisolo) azy. [2.558 #1534]

Ohabolana 41Jiafotsy tsara soratra ririnina : mbola tsy afa-po dia misaraka. [2.558]
Jiafotsy tsara soratra ririnina ; tsy mbola afa-po, ka misaraka. [2.415 #5270, 2.653 #1215]
Dikanteny frantsayRabane à jolis dessins en hiver : on s' en sépare avant d' en avoir assez. [2.415 #5270]
Fanazavana frantsayOn la quitte à regret, mais on la quitte, parce que c' est trop froid ; ainsi des choses qu'on quitte à regret. [2.415 #5270]

Ohabolana 42Kibo mikoraika : tompony mahalala. [1.147 #K16]
Kibo mikoraraika : hianao tompony no mahalala azy tsara. [2.558 #110]
Kibo mikoraraika, ka ny tompony ihany no mahalala. [2.165 #2269]
Kibo mikoraraika, ka ny tompony no mahalala azy. [2.415 #3255]
Kibo mikoraraika : ny tompony no mahalala. [2.653 #1262, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa raha misy zavatra mahazo ny tena, dia ny tena ihany no mahalala azy; ianao tompony ihany no afaka handinika ny aminy. [1.1]
Dikanteny frantsaySi le ventre fait du bruit, c' est à son maître à le savoir. [2.165]
Si le ventre fait du bruit, c' est au maître à le savoir. [2.415 #3255]
Fanazavana frantsayChacun connaît ses propres affaires et les arrange à sa façon ; chacun connaît les paroles qu' il a prononcées et les arrange. [2.415 #3255]
Quand un méfait a été commis, c' est le malfaiteur lui-même qui pourrait le mieux renseigner là dessus. [2.165]

Ohabolana 43Lainga tsara lahatra ka mandrobo ny mpihaino. [2.558 #1682]

Ohabolana 44Lamban' antitra : tsy ilana izay rendrarendrany intsony, fa ny mafy ihany no tsara. [2.415 #1829, 2.653]
Lamban' antitra : tsy mila izay rendrarendrany, fa ny mafy sy ny mafana no iadiam-barotra. [2.558 #1707]
Dikanteny frantsayLamba de vieillard : il n' y a plus besoin de couleurs brillantes, il est bien s' il est solide. [2.415 #1829]
Fanazavana frantsayLe vieillard n' a plus de prétentions. Autre sens : préférer la solidité à l' éclat. [2.415 #1829]

Ohabolana 45Lava ny tanety, ka misy fisainana. [2.165 #1593, 2.415 #6070]
Lava ny tanety misy fisainana. [2.558 #1764]
Mieritrereta lalina, fa raha lava ny tanety misy fisainana. [2.558 #2295]
Mieritrereta tsara, fa raha lava ny tanety misy fisainana. [2.415 #6075, 2.653 #1748]
Dikanteny frantsayLa colline est longue et il y a le temps de réfléchir. [2.415 #6070]
La route est longue, et on a le temps de réfléchir. [2.165]
Réfléchissez bien ; car lorsque la colline est longue, il y a le temps de réfléchir. [2.415 #6075]
Fanazavana frantsayAllusion aux paroles du sage Hagamainty pour obtenir du roi Andrianampoinimerina la grâce d' un condamné. [2.415 #6075]
Paroles du sage conseiller Hagamainty au roi Andrianampoinimerina, en faveur d' un voleur condamné à être exécuté à l' extrémité d' une colline ; le roi réfléchit sur les paroles de son conseiller et accorda la grâce. Ces paroles, devenues proverbiales, signifient qu' il faut réfléchir avant d'agir puisqu'on a encore le temps de le faire. [2.415 #6070]
Se dit en parlant d' une affaire qui n' est pas pressée. [2.165]

Ohabolana 46Madio volon-tsokina, tsara volonanivona : tsara manan-takaitra. [1.147 #M3]

Ohabolana 47Mahafisaka ny lela : mijoro ny tsara. [1.147 #M6]

Ohabolana 48Mahamenatra raha tsara loha tsy endrehin-drandrana, na fotsy volo tsy endrehin-kaja. [2.558 #1849]

Ohabolana 49Mahia nohatsaraina toa hisatra. [2.558 #1878]
Tsara mahia toa hisatra. [2.558 #4402]
Tsara mahia, toy ny hisatra. [2.415 #1593, 2.653 #3282]
Dikanteny frantsayBeau dans la maigreur comme les joncs. [2.415 #1593]

Ohabolana 50Malahelo tsara levenana, ka voninahitry ny havan-dray sy reny. [2.558 #1922]

Ohabolana 51Mamy ny fary, fa misy faikany ; mamy n' akondro, fa misy hodiny ; ary tsara ny raozy, fa misy tsilony. [2.974 #480]
Dikanteny frantsayLa canne à sucre est douce, mais laisse un résidu ; la banane est douce, mais a une peau ; la rose est belle, mais est entourée d'épines (nulle part la perfection). [2.974 #480]

Ohabolana 52Mamola-tehina ny osa : mampitsangana ny tsara tena. [1.147 #M75]

Ohabolana 53Mamono volana an-drano, ka milaza andro tsara amin' olona. [2.415]
Mamono volana an-trano, ka milaza andro tsara amin' olona. [2.415]
Mamono volana an-trano toa mpanandro tsy mahay. [2.558]
Mamono volana an-trano toa mpimasy kamo. [2.558]
Dikanteny frantsayDeviner la nouvelle lune sans sortir de la maison et dire aux gens le jour faste ou heureux. [2.415 #128]
Fanazavana frantsaySe disait des astrologues qui au lieu de consulter les astres, restent tranquillement chez eux et font de vaines prédictions ; se disait aussi de ceux qui sous de faux prétextes, manquent la corvée ou d' autres rendez-vous. [2.415 #128]

Ohabolana 54Mampisalasala ohatra ny mitsako vozon' akoho : hatelina toa taolana, haloa toa nofony. [2.558]
Mampisalasala, ohatra ny mitsako vozon’ akoho ; hatelina, toa taolana; haloa, toa nofony ihany. [2.653]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora. [1.1]
Manalasala ohatra ny vozon' akoho tanora; hanina toa taolana, avala toa nofony ihany. [1.1]
Salasala mivozon’ akoho tanora : haloa, toa nofony ; hatelina, toa taolana. [2.974 #280, 2.415]
Salasala toa vozon' akoho tanora : haloa toa nofony, hatelina toa taolana. [2.558 #3816]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tsy hita hatao ho tsara na ratsy ka manahirana ny saina ny manapaka na hitana na hamela azy. [1.1]
Dikanteny frantsayAmbigu ou équivoque comme le cou d’un jeune poulet : le rejeter? mais c’est de la chair ; l’avaler ? mais c’est de Vos. [2.974 #280]
Ni l' un ni l' autre, tel le cou d' un poulet : si on veut le rejeter, il semble cependant que c' est de la chair ; si on veut l' avaler, il semble que c' est un os. [2.415 #4590]
Fanazavana frantsaySe disait pour signifier l' incertitude, quand on se demandait par exemple si un procédé dénotait amitié ou hostilité. [2.415 #4590]

Ohabolana 55Manao tsara ihany andriana. [2.415]
Dikanteny frantsayFaire le salut au souverain et aux nobles. [2.415 #4082]
Fanazavana frantsayIl y avait une formule spéciale de salut : tsara va tompoko e ? allez-vous bien monsieur? La réponse était : tsara ihany e, je vais bien. [2.415 #4082]

Ohabolana 56Mandoka ny ratsy, manao toetr’ eso ; manaratsy ny tsara, manao volohala. [2.653 #1591]

Ohabolana 57Manompo Vazaha didimaso : manao tsara, voapaika ; manao ratsy, voapaika. [2.415 #781]
Manompo Vazaha kiro maso : manao soa voapaike, manao raty voapaike. [1.68]
Dikanteny frantsayCelui qui sert un Blanc chassieux est blâmé qu' il fasse bien ou mal. [1.68]
Serviteur d' un Blanc aux yeux chassieux : s' il fait bien, il est réprimandé ; s' il fait mal, il est réprimandé. [2.415 #781]
Fanazavana frantsaySe disait des maîtres exigeants qui grondaient toujours. Les Vazaha ou Blancs, avaient la réputation d'être exigeants. [2.415 #781]

Ohabolana 58Maromaroa ny fiteraka fa tsy ilaozan' izay ho tsara. [2.165 #1869, 2.415 #923, 2.558 #2141]
Dikanteny frantsayAyez beaucoup d' enfants car dans le nombre il y en aura de bons. [2.415 #923]
Ayez beaucoup d' enfants, car (parmi eux) il y en aura forcément des bons. [2.165]

Ohabolana 59Maro ny mpihira fa ny manga feo no izy indrindra. [2.558 #2143]
Maro no mpihira, fa ny manga feo no izy indrindra. [2.653 #1638, 2.415]
Maro no mpihira, fa ny tsara feo no fidina. [2.415]
Dikanteny frantsayIl y a beaucoup de chanteurs, mais c' est celui qui a une belle voix qui est le meilleur et qui est choisi. [2.415 #3587]
Fanazavana frantsayParmi les bons on choisit les meilleurs pour discourir ou commander. [2.415 #3587]

Ohabolana 60Maro ny valala, fa ny ambolo no tsara soratra. [2.415 #5100]
Dikanteny frantsayNombreuses sont les sauterelles, mais c' est la sauterelle ambolo qui a de belles couleurs. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait d'une personne aimée. [2.415]

Ohabolana 61Maso voan' ny sakay, ka ny sisa no tandremana tsara. [2.558 #2162]
Maso voan-tsakay ka ny sisa no tandremana. [2.415, 1.1]
Maso voa sakay, ka ny sisa no tandremana. [2.165 #1133]
Maso voa sakay : ny sisa no tandremana. [2.974 #269]
Maso voa sakay : ny sisa no tandremo tsara. [2.653]
Fanazavana malagasyRaha indray mandeha no voan-javatra, mitandrina mafy tsy ho voa intsony amin' ny sisa. [1.1]
Dikanteny frantsayOeil atteint par le piment : faites attention à l'avenir. [2.415]
Quand le piment vous est entré dans les yeux, il ne reste qu’à s’en préserver à l’avenir. [2.974 #269]
Quand on a eu les yeux piqués par le piment (une fois), on est sur ses gardes à l' avenir. [2.165]
Fanazavana frantsayUne fois atteint il est trop tard, mais il faut être sur ses gardes pour l'avenir. [2.415 #2721]

Ohabolana 62Matokia manenona, fa tsara kofehy hanenjanana. [2.558 #2188, 2.653]

Ohabolana 63Mena fify tahaka ny henan-kisoa tsara ritra. [2.558 #2223]
Menafify toy ny henan-kisoa ritra. [2.415 #4520, 2.653 #1700]
Dikanteny frantsayRouge foncé comme de la viande de porc rôtie. [2.415 #4520]

Ohabolana 64Mianara mamindra, fandrao bingo ; mahaiza mitsako, sao kenda; misakafoa tsara mba tsy ho reraka. [2.415 #6189]
Dikanteny frantsayApprenez à marcher pour ne pas devenir bancal ; apprenez à mâcher pour ne pas vous étrangler ; mangez bien pour que vos forces ne défaillent pas. [2.415 #6189]
Fanazavana frantsayEn tout, il est nécessaire d' apprendre. [2.415 #6189]

Ohabolana 65Miaraka amin' ny ferena, ka ny tsara fanahy no maimbo. [2.165 #281]
Dikanteny frantsayEn allant avec quelqu' un couvert de plaies, les bons seront déshonorés (litt. puants). [2.165]

Ohabolana 66Miaraka efatra manaratsy dia, telo misy ambiny, ny tokana tsy ampy fa ny roa no tsara indrindra. [2.558]

Ohabolana 67Midera ny ratsy : manambany tena, mankahala ny tsara : be fialonana. [2.558 #2276]

Ohabolana 68Midera ny ratsy, mila angatra ho any tena; manaratsy ny tsara, manao balam-pom-boninahitra. [2.653 #1741]

Ohabolana 69Mihazakazaka tratran' ny miadana. [1.1]
Mihazakazaka tratry ny miadana. [2.415 #6174]
Mihevera tsara sao mihazakazaka tratry ny miadana. [2.558 #2323]
Nahoana no mihazakazaka tratry ny miadana? [2.165 #674, 2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona mirotoroto foana na maimay fotsiny fa tsy mahatozo ka tratran' ny mandeha milamina tsy miriodriotra firy. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui court est souvent atteint et même dépassé par celui qui va lentement. [2.415 #6174]
Comment se fait-il que ceux qui courent soient rattrapés par ceux qui vont lentement? [2.165]
Fanazavana frantsayCelui qui se presse trop, fait mal sa besogne et est obligé de recommencer. [2.415 #6174]
Comme dans la fable du lièvre et de la tortue. [2.165]

Ohabolana 70Mihevera tsara fa ny andro iray no tsy tanty. [2.165 #1167, 2.415 #6235]
Mihevera tsara fa ny andro iray no tsy zaka. [2.558 #2322]
Dikanteny frantsayFaites bien attention car il suffit d' un jour pour un malheur. [2.415 #6235]
Prenez garde, car il suffit d' un jour pour qu' une catastrophe se produise. [2.165 #1167]

Ohabolana 71Miorena tsara raha hiorina, fa aza manao sarin-domano. [2.415 #3356]
Dikanteny frantsaySi vous voulez faire valoir vos droits, précisez-les, mais ne faites pas des détours et des feintes comme les nageurs. [2.415 #3356]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui ont des prétentions vagues. [2.415 #3356]

Ohabolana 72Mitavandra saimbo tsara, mangaro vary miongana. [1.147 #M120]

Ohabolana 73Mitondra teny tsy azo, ka averimberin' ny olona mandrakariva haka fototra tsara. [2.415 #3409]
Dikanteny frantsayCommissionnaire qui part trop vite : il porte des paroles qu' il ne comprend pas et on le renvoie sans cesse pour se mieux renseigner. [2.415 #3409]

Ohabolana 74Mody mandefitra (tsara imaso) kanjo handrobo. [2.558 #2547]

Ohabolana 75Na dia eo aza ny akanga tsara soratra, ny afindrafindrao tsy azo avela. [1.62]
Fanazavana malagasyTsy ny fomba aman-panao entin' ny vahiny avy any ivelany mihitsy no hanariana an'izay mahazatra sy maha izy ny tena, na dia atao aza hoe misy mitondra soa ihany amin'ireny fanao vahiny ireny. [1.62]

Ohabolana 76Nahoana no hena tsara no handrahoina ka kitay fakoina no zahana ? [2.558]
Nahoana no hena tsara no hohandroina, ka dia kitay fakoina no tadiavina ? [2.415 #4540, 2.653 #2043]
Dikanteny frantsayPourquoi, lorsqu' on a une bonne viande à faire cuire, aller chercher des détritus ramassés partout, au lieu de paille à brûler ? [2.415 #4540]
Fanazavana frantsayPar paresse ou économie mal entendue, on risque d' avoir une viande mal cuite. [2.415 #4540]

Ohabolana 77Namono akoho tsara ihany, ka namonoam-borombe vao torana! [2.558 #2736]
Namonoana akoho tsara ihany ; ka namonoam-borombe vao torana. [2.653]

Ohabolana 78Natory tsara ondana, fa tsy afak' aretina. [2.415 #3282]
Dikanteny frantsayDormir sur un bon oreiller, sans être débarrassé de sa maladie. [2.415 #3282]
Fanazavana frantsayLes soucis restent. [2.415 #3282]

Ohabolana 79Na tsara aza ny mizara, ny hizara sofi-toho mahasanganehana. [2.558 #2772]

Ohabolana 80Ny andevo loza tompo no tsara midina, tsy ampy ny omen’ ny tompony. [2.415 #2317]
Dikanteny frantsayLes esclaves auxquels les maîtres ne donnent pas de quoi se vêtir, revêtent les habits de leurs maîtres lorsqu' ils descendent les laver. [2.415 #2317]
Fanazavana frantsaySe disait des maîtres avares. [2.415 #2317]

Ohabolana 81Ny fahamarinana no mpiaro tsara indrindra. [2.415 #2957]
Dikanteny frantsayLa justice et la vérité sont les meilleurs protecteurs. [2.415 #2957]

Ohabolana 82Ny fitiavana no tsara noho ny rakitra saro-bidy. [2.415 #5121]
Dikanteny frantsayL' affection vaut plus qu'un trésor. [2.415 #5121]

Ohabolana 83Ny hazo no vanon-ko lakana, ao ny ala naniriany. [2.415 #2774, 2.165]
Ny hazo no vanon-ko lakana: ny tany naniriany no tsara. [1.1]
Fanazavana malagasyNy zavatra no vanona dia ny any amin' ny fototra no tsara. [1.1]
Ny zavatra tsara dia avy amin' ny zavatra tsara ihany. [1.1]
Dikanteny frantsaySi avec un arbre, on peut faire une pirogue c' est grâce à la forêt où il a poussé. [2.165]
Si on peut faire une pirogue avec un arbre, c' est que l' arbre a poussé dans la forêt. [2.415 #2774]

Ohabolana 84Ny hazo tsara mamoa tsara, ny hazo ratsy mamoa ratsy. [2.415 #2962]
Dikanteny frantsayLe bon arbre produit de bons fruits, la mauvais arbre produit de mauvais fruits. [2.415 #2962]
Fanazavana frantsaySe disait de la conduite, bonne ou mauvaise. [2.415 #2962]

Ohabolana 85Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy mba tsara mihantona. [2.653]
Ny kitoza no tsara mihantona, fa ny teny tsy tsara mihantona. [2.165 #336]
Ny kitoza no tsara mihantona fa tsy ny teny. [2.558 #3052]
Dikanteny frantsayIl est bon de suspendre le "kitoza" mais non pas les querelles. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. qu' avec le temps les querelles ne font que s' envenimer; on appelle "kitoza" de la viande coupée en longues tranches et boucanée au feu ou au soleil. [2.165]

Ohabolana 86Ny maharenin-janaka tsara anao no mavokely tsy miofo, ka hitiavan' ny vadinao anao ambaraka antitra. [2.415 #1312]
Dikanteny frantsayParce que que tu as de nombreux enfants, tu es comme une étoffe de couleur rose qui garde l' éclat de sa couleur, et tu seras aimée de ton mari jusque, dans ta vieillesse. [2.415 #1312]
Fanazavana frantsayParoles dites à l'épouse féconde ; les femmes stériles étaient souvent répudiées. [2.415 #1312]

Ohabolana 87Ny mangotraka naman’ ny masaka; ny tsara antoka naman’ ny lasa. [2.653 #2327]
Ny mangotraka naman' ny masaka, ny tsara mpiantoka naman' ny vonona. [2.558 #3119]

Ohabolana 88Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [1.1]

Ohabolana 89Ny maty no tsara levenana, ny velona no mifankatia. [2.558 #3137]

Ohabolana 90Ny miara-komana no tsara, hoy Rainibango. [2.558 #3144, 2.653 #2347]

Ohabolana 91Ny mpanjatobe roa ray : anatiny mahazo ny trafony, ivelany milanja ny tratrany. [2.558 #3158]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo ny trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.653 #2354]
Ny mpanjatobe tsara ray roa, ka anatiny mahazo trafony, any ivelany milanja ny tratrany. [2.415 #2228]
Dikanteny frantsayLes richards ont deux prérogatives : chez eux ils ont la bosse du boeuf, dehors ils emportent la poitrine. [2.415]

Ohabolana 92Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny mandeha irery tsy valiana. [2.653]
Ny nifin’ ondry no tsara tokana, fa ny teny tsy tsara tokana. [2.653]
Ny nifin' ondry no tsara tokana fa tsy ny teny. [2.558 #3171]

Ohabolana 93Ny raharaha maharitra ela no tsara indrindra. [2.415 #3290]
Dikanteny frantsayLes affaires les meilleures sont celles qui durent longtemps, parce qu' elles sont mieux approfondies. [2.415 #3290]

Ohabolana 94Ny raharaha no lavorary : ny tenierana no tsara. [2.558 #3210]

Ohabolana 95Ny roa no tsara noho ny iray; raha lavo, misy mpanarina. [2.165 #243]
Dikanteny frantsayDeux valent mieux qu' un; car si l' un tombe, l' autre le relève. [2.165 #243]

Ohabolana 96Ny sitran-tsy miody mba tsara ihany. [2.165 #2090, 2.415 #2816]
Ny sitran-tsy miody mba tsara ihany, fa ny maty tsy vita ala nenina dia avo telo heny ny alahelo. [2.558]
Dikanteny frantsayIl est bon de guérir sans prendre de remèdes. [2.415 #2816]
Il n' est pas mauvais de guérir sans prendre de remèdes. [2.165]

Ohabolana 97Ny soa filaza, ny tsara mahate-hihaino. [2.415 #2972]
Dikanteny frantsayLe bien se dit, il se fait écouter. [2.415 #2972]

Ohabolana 98Ny teny toy ny fonosana ka izay mamatotra no tsara mamaha. [2.558 #3286]
Ny teny toy ny fonosana : ka izay mamono no mamaha. [2.165 #545, 2.415 #4795, 2.653 #2495]
Dikanteny frantsayLa parole est comme le noeud fait au coin du lamba pour envelopper quelque chose : c' est celui qui a fait le noeud qui peut le délier. [2.415]
Les paroles sont comme un paquet, et c' est celui qui l' a attaché qui le détache aussi. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait surtout des contrats : seuls les contractants peuvent se délier. [2.415]

Ohabolana 99Ny tsara lafin-kavana dia sambatra, ny ratsy lafin-kavana dia sambotra. [2.415 #1122, 2.653 #2514]
Dikanteny frantsayCeux qui appartiennent à une bonne parenté sont heureux ; ceux qui appartiennent à une mauvaise parenté sont malheureux comme des esclaves pris à la guerre. [2.415 #1122]
Fanazavana frantsayCe proverbe, fait d'un jeu de mots entre sambatra et sambotra, disait la puissance du lien familial. [2.415 #1122]

Ohabolana 100Ny tsara no haratsina, ny halavolo ; ny ratsy no hatsaraina, voasisika. [2.415 #4886, 2.653 #2515]
Dikanteny frantsaySi on dénigre un homme de bien, c' est par aversion ; si on dit du bien d' un méchant, c' est qu' on a été séduit par ses cadeaux. [2.415 #4886]

Ohabolana 101Ny tsara sarotro tsy mba lena, ny tsara kiady tsy mba hanin' omby voly. [2.415 #820, 2.653]
Dikanteny frantsayCelui qui est muni d' un bon capuchon n' est pas mouillé, celui dont la propriété est protégée par un bon poteau de défense n' a pas ses champs dévastés par les boeufs. [2.415]
Fanazavana frantsayOn n' a rien à craindre quand on possède un bon protecteur. [2.415 #820]

Ohabolana 102Ny tsy mana-mpananatra no ratsy, fa raha mana-mpananatra dia tsara izany. [2.415 #6523, 2.653 #2522]
Dikanteny frantsayCe qui est mauvais, c' est de n' avoir personne qui vous avertisse ; mais quand on a quelqu' un qui vous avertit et réprimande, c' est bien. [2.415 #6523]

Ohabolana 103Ombalahy lafon' ny feony. [1.1]
Ombalahy lafon' ny vavany. [1.1]
Ombalahy tsara feo : lafon' ny vavany ihany. [2.415 #6031]
Ombilahy tsara feo ka ny vavany ihany no mahalafo azy. [2.558 #3420]
Ombilahy tsara feo, ka ny vavany no mahalafo azy. [2.165]
Ombilahy tsara feo : lafon’ ny vavany ihany. [2.653]
Fanazavana malagasyNy tanjaky ny omby no mazàna jeren' ny mpampiady omby raha mividy omby izy, fa tsy ny fitrenany akory; koa itý ohabolana H.S., dia enti-milaza ny olona izay zavatra tsy dia manao ahoana loatra no mampisy vidiny azy. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est comme un taureau lâche au combat, mais qui beugle bien : il n'est bien vendu qu' à cause de son gosier. [2.415 #6031]
Un taureau qui a une bonne voix; c' est sa voix (litt. sa bouche) qui le fera vendre. [2.165 #1194]
Fanazavana frantsaySe disait des fanfarons sans mérite. [2.415 #6031]

Ohabolana 104Ondrilahy tsara toetra : sady be mangy no lava hofaka; ka manatrika, matin’ ny manginy; miamboho, matin’ ny hofany. [2.415 #2234, 2.558 #3455, 2.653 #2581]
Dikanteny frantsayBélier de belle apparence : il a la nuque charnue et la queue longue et grosse ; s' il regarde en face on le tue à cause de la grosseur de sa nuque ; et s' il se retourne on le tue à cause de sa queue. [2.415 #2234]
Fanazavana frantsaySe disait des gens victimes de leur prospérité et de leurs biens. [2.415 #2234]

Ohabolana 105Oro tavin’ i Tsiangoana : may tsara, tsy may tsara. [1.147 #O26]

Ohabolana 106Raha kamboty tsara laoka, ary malahelo ary fady, dia mba isan' ny mpanan-karena ihany. [2.415 #1039, 2.653]
Raha kamboty tsara laoka, ka malahelo àry fady, dia isan' ny mpanana ihany. [2.558 #3589]
Dikanteny frantsayOrphelin qui trouve une bonne nourriture, et malheureux qui ne manque de rien : c' est comme s' ils étaient riches. [2.415 #1039]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des bonnes aubaines. [2.415 #1039]

Ohabolana 107Raha manala ny nifin’ ny sasany, tsy maninon-tsy maninona; raha mba halan’ olona nify, hilaza hoe: "Faravazako". [2.653 #2685]
Raha manala ny nifin' olona tsara ihany, ka nony alan' olo-nify, ka hilaza hoe : faravazako io! [2.558 #3614]

Ohabolana 108Raha misy milaza azy ho amalon-javatra, ny aty kosa fintana tsara tefy. [2.558 #234]

Ohabolana 109Raha mitsidika be. [2.415 #6600]
Raha tsara ny andro. [2.415 #6600]
Dikanteny frantsayQuand le soleil entre plus avant dans la maison : vers deux heures après midi. [2.415 #6600]

Ohabolana 110Raha mpivady tsy hifanaja, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia: ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.558 #3630, 2.653 #2701]
Dikanteny frantsayLorsque des époux ne s' aiment plus et ne se respectent plus, il vaut mieux que le divorce soit prononcé et que la femme redevienne la soeur respectée et protégée de son frère. [2.415]

Ohabolana 111Raha omby mianaka ratsy foana, tsy mahaleo ny hadivory tsara rano velona manandriana olona. [2.415 #2237, 2.558 #3644, 2.653]
Dikanteny frantsayUne mauvaise vache laitière avec son veau, cela ne vaut pas une bonne habitation entourée de fossés protecteurs et pourvue d' une bonne eau courante qui donne aux habitants un air de prospérité. [2.415 #2237]

Ohabolana 112Raha tsara ny vadin-drahalahy, dia amosavina ny rahalahy hitondrana loloha ; raha be omby sy be andevo, isomparana hahazahoana harena. [2.415 #1163]
Dikanteny frantsayUne homme qui a une belle-soeur, belle et sage, jette un sort à son frère pour le faire mourir et épouser la veuve ; s' il convoite les boeufs et les esclaves de son frère, il lui cause du tort pour s' enrichir. [2.415]

Ohabolana 113Raha vazo mitovy ihany, ahoana no hita rano. [2.558 #3678]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no akariko ho vady. [2.415 #780, 2.653]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no alaina. [2.415 #1232]
Raha vazo mitovitovy ihany, dia ny tsy mita rano no tsara. [2.165]
Dikanteny frantsayEntre deux femmes de qualités égales, il vaut mieux prendre la plus proche, celle qui n' est pas de l' autre côté de l' eau. [2.415 #1232]
Entre deux maîtresses qui se valent à peu près, je prends pour femme celle que je peux avoir sans passer la rivière. [2.415 #780]
S' il s' agit de deux jeunes filles de condition à peu près égale, je prendrai plutôt celle pour laquelle il n' est pas besoin de traverser l' eau. [2.165]
Fanazavana frantsayEntre deux biens, il faut prendre le plus sûr ou le plus facile. [2.415 #780]
Les choses étant à peu près égales par ailleurs, on choisit toujours la plus facile à faire. [2.165]
Se disait pour le choix d'une maîtresse, ou pour celui d' une fiancée ; sens plus général : entre deux affaires d' égale importance, il faut choisir la plus facile. [2.415 #1232]

Ohabolana 114Raha vinanto tsara fividy ka mitondra ny matomperiny ary mivimbina ny avany, dia tsy mba vinanto fa isan-janaka indrindra. [2.165 #1852, 2.415 #1472]
Dikanteny frantsaySi votre gendre achète bien et porte à la main un beau morceau de graisse, ce n' est plus un gendre mais un vrai fils. [2.415]
Si vous avez un gendre qui achète bien et apporte un bon morceau de graisse à la main, ce n'est plus un gendre, c'est un vrai fils. [2.165]

Ohabolana 115Rainiketaka maty vady : tsara ny ro anaka. [1.147 #R14]

Ohabolana 116Randran-dRenivarengina : ny tsy nanina tsara tahatry ny tsy nanina. [1.147 #R25]

Ohabolana 117Rangahy no tsara angady, ka Rafotsy no mandimandina ; Rangahy no maty fonosana, ka Rafotsy no mafana tokantrano. [2.415 #1326]
Dikanteny frantsayL' homme travaille bien ses rizières et la femme est bien propre ; l' homme garde bien ses richesses et la femme est active à soigner son ménage. [2.415 #1326]
Fanazavana frantsaySe disait des époux laborieux et bien d'accord. [2.415 #1326]

Ohabolana 118Ranomasina tsara tsinjovina; fanahim-bady tsara tsy hita. [1.147 #R40]

Ohabolana 119Ratsy tarehy ambinin-doza, ka mirakaraka vao tsara. [2.165 #1291]
Ratsy tarehy ambinin-doza : mirakaraka vao soa. [2.558 #3726]
Ratsy tarehy ambinin-doza : mirakaraka vao tsara. [2.415 #1784, 2.653 #2769]
Dikanteny frantsayLaide à qui le malheur porte bonheur : c' est quand elle a les cheveux éparpillés et en désordre en signe de deuil, qu' elle commence à être bien. [2.415 #1784]
Une femme laide qui profite par son malheur, car quand ses cheveux sont défaits, elle parait jolie. Les femmes malgaches se défont les cheveux pour marquer leur deuil. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe correspond à: A quelque chose malheur est bon. [2.165]

Ohabolana 120Sabakaka ambody riana : tsara toerana, fa tsy mahita tory. [2.653 #2809, 2.974 #279]
Dikanteny frantsayCrapaud au-dessous d’une cascade : le paysage est superbe, mais le sommeil est impossible. [2.974 #279]

Ohabolana 121Sakafo tsara saro-baliana. [2.558 #3793, 2.653 #2827]

Ohabolana 122Sakalava very omby ka ny sisa no atao tsara (mafy) hidy. [2.558 #3800]

Ohabolana 123Sodifafana an-tanin-drazana: na atsipy aza mandohalika ihany. [2.415 #6487, 2.653]
Sodifafana atsipy vao mandohalika. [2.415 #6488]
Sodifafana ka atsipy vao manongalika. [2.415 #6488]
Sodifafana ka natsipy any an-kady vao manongalika (tsara toerana). [2.558 #3910]
Tahaka ny sodifafana : atsipy vao mandohalika. [2.653 #2965]
Dikanteny frantsayPlante sodifafana dans sa terre : elle a beau être renversée à terre, elle s' agenouille. [2.415 #6487]
Plante sodifafana : lorsqu' on la renverse et jette à terre, elle se recourbe et semble fléchir le genou. [2.415 #6488]
Fanazavana frantsayAllusion à la forme recourbée de cette plante. Ce proverbe se disait des personnes tellement attachées quelles acceptent tous les traitements. [2.415 #6487]
Se disait des gens qui ont besoin, pour s' amender, d' être traités sévèrement ; il se disait par exemple, dans le mariage, des femmes difficiles à traiter. [2.415 #6488]

Ohabolana 124Sora-damba napetaka amin’ ny maty : tsara tsy azo alaina. [1.147 #S44]

Ohabolana 125Sora-damba tran-tompony : tsara fidy loatra. [1.147 #S45]

Ohabolana 126Sosoa rano nidinan-dronono : tsara ambonin’ ny tsara. [1.147 #S53]

Ohabolana 127Tahaka ny sodifafana : nariana any an-kady, vao tsara faniry. [2.558]

Ohabolana 128Tandroho tsara ladina no ao ka aza mitsipelika ho amalon-javatra! [2.558 #4040]

Ohabolana 129Tanimanga voaevotra, ka miampy kely dia takotra. [2.558 #4043]
Tanimanga voahevitra ka raha miampy kely dia takotra. [2.415 #3303, 1.1]
Tanimanga voahevitra: miampy kely dia takotra. [2.165 #1224, 2.653 #3009]
Fanazavana malagasyEnti-milaza izay efa tsara karakara na fiomanana ka mora dia mora ny mamita azy ho tonga lafatra. [1.1]
Dikanteny frantsayAvec de l' argile bien préparée, on fait facilement un couvercle de marmite. [2.415 #3303]
Un morceau d' argile dont on pensait faire quelque chose: on y ajoute un peu, et c' est un couvercle de marmite. [2.165]
Fanazavana frantsayAffaire bien préparée est facile à exécuter. [2.415 #3303]
Se dit d' une idée à peu près mûre, ou d'une chose à laquelle il ne manque pas beaucoup pour être terminée. [2.165]

Ohabolana 130Tanora tsara, fa antitra vao ratsy tahaka ny vero. [2.558 #4065]
Toy ny vero : tsara faniry fa ratsy antitra. [2.165 #1946, 2.415 #1868, 2.653]
Dikanteny frantsayComme les "vero" (longues herbes): elles poussent bien, mais ne sont pas bonnes une fois vieilles. [2.165 #1946]
Les gens c' est comme l' herbe haute qu' on appelle vero : c' est bien quand cela pousse et quand c' est vert, mais quand c' est vieux et desséché c' est vilain. [2.415 #1868]

Ohabolana 131Tohy vakan’ Antalaotra, tsara lahatra. [1.147 #T78]

Ohabolana 132Toy ny rano ny harena, ka tsy izay mahery mantsaka no manam-be, fa izay tsara sinibe. [2.558 #4318]

Ohabolana 133Tolon’ aomby an-tsavoka : tsy azoazoko tsara. [1.147 #T84]

Ohabolana 134Tombo-dambo alina : mahavoa tsara, tsy mahavoa tsara. [1.147 #T101]

Ohabolana 135Totozy latsaka amy ny hero-dronono: maty, tsara fonosana; velona, fotsy volom-bava sady tsara lamba hitafy. [2.653 #3162]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty tsara fonosana, velona fotsy volombava, sady tsara lamba fitafy. [2.558]
Totozy latsaka amin' ny hero-dronono : maty, tsara fonosana ; velona, fotsy volombava sady tsara lamba hitafy. [2.415 #1588]
Dikanteny frantsaySouris qui tombe dans la crème du lait : morte elle est bien enveloppée ; vivante elle a la moustache blanche et le lamba qui la couvre est bien beau. [2.415 #1588]
Fanazavana frantsaySe disait des parures des jeunes filles courtisées. [2.415 #1588]

Ohabolana 136Traotrao vandana, kibo voananto : izay tiam-bady tsara fanahy. [1.147 #T128]

Ohabolana 137Tsara aloha, fa ratsy aoriana, hoatry ny omby folona. [2.415 #1723]
Tsara aloha fa ratsy aoriana, ohatra ny omby folona. [2.653]
Tsara aloha fa ratsy aoriana, toy ny omby bory rambo. [2.558]
Tsara aloha fa ratsy aoriana, toy ny omby folona. [2.558]
Dikanteny frantsayBeau par devant mais laid par derrière, comme un boeuf dont la queue est coupée. [2.415]
Fanazavana frantsayCe proverbe, outre son.sens matériel, avait un sens moral et se disait des gens qu' on encensait par devant et qu' on dénigrait par derrière. [2.415 #1723]

Ohabolana 138Tsara didy fa misy tangozany; tsara hatsaka fa misy volony. [2.165 #2307]

Ohabolana 139Tsara fa tsy angatra. [2.415 #5967]
Dikanteny frantsayDont on ne peut nier la bonté sans mentir. [2.415]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas pousser la bonté jusqu'à la faiblesse : on y perd toute autorité. [2.415]

Ohabolana 140Tsara hateloana, hoatry ny be volombava noharasana. [2.415 #1724]
Tsara hateloana, ohatra ny be volom-bava noharasana. [2.653]
Tsara hateloana ohatra ny be volom-bava noharatana. [2.558]
Tsara hateloana ohatra ny volom-bava haratana. [2.165]
Dikanteny frantsayBeau pendant trois jours comme un homme à forte barbe qu' on a rasée. [2.415 #1724]
Bon pour trois jours, comme lorsqu' on vient de se raser. [2.165 #113]
Fanazavana frantsaySe disait de charmes de peu de durée. [2.415 #1724]

Ohabolana 141Tsara kely, hoatry ny zanak' Inamehana. [2.415 #1541]
Tsara kely, ohatra ny zanak’ Inamehana. [2.653]
Dikanteny frantsayBeau pendant l' enfance, comme les enfants de Namehana. [2.415 #1541]

Ohabolana 142Tsara manitra afon' anjavidy, kitain' ny mpanjaka. [2.415 #260]
Dikanteny frantsayFeu d'ambaville au doux parfum, feu de roi. [2.415 #260]
Fanazavana frantsayL' ambaville était une haute bruyère très inflammable et de bonne odeur que les Malgaches appréciaient beaucoup pour le chauffage ; les meilleures choses sont pour le souverain ; elles sont dignes de lui. [2.415 #260]

Ohabolana 143Tsara miankandrefana hoatry ny miaramila rombina. [2.415 #4031]
Tsara miankandrefana, ohatra ny miaramila rombina. [2.653]
Tsara miankandrefana sahala amin' ny miaramila rombina. [2.558 #4405]
Dikanteny frantsayQui se trouve bien quand il va vers l' ouest, comme un soldat qui a un bec-de-lièvre. [2.415 #4031]
Fanazavana frantsayAllusion au vent de l'est très fréquent. [2.415 #4031]

Ohabolana 144Tsara mim-bahiny : tsara voadonan-dananana. [1.147 #T136]

Ohabolana 145Tsara min-tambako : tsara mahamamo. [1.147 #T137]

Ohabolana 146Tsara ny miezaka fa iaraha-manana amin' ny amboa. [2.558 #4408]
Tsara ny miezaka, kanefa omban' ny amboa manana. [2.165 #1242]
Tsara ny miezaka, saingy omban’ ny amboa manana. [2.415 #3822, 2.653 #3286]
Dikanteny frantsayC'est très beau d'aller vite, mais on a cela de commun avec les chiens. [2.415 #3822]
Il est bon de courir (de toutes ses forces), mais un chien en fait autant. [2.165]
Fanazavana frantsayDonc, il ne faut pas s' en vanter. [2.165]
Il ne suffit pas d' aller vite, mais il faut bien faire. [2.415 #3822]

Ohabolana 147Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina. [1.1]
Tsara ny tantana fa ny rafozana no tsy henina. [2.558 #4409]
Tsara ny tantana, fa sangy ny rafozana no tsy enina. [2.415 #1479]
Tsara ny tatana, fa saingy ny rafozana no tsy enina. [2.653 #3287]
Tsara ny tatana, fa taingy ny rafozana no tsy enina. [2.165 #1844]
Fanazavana malagasyAza atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa. [1.1]
Ny tena zavatra indray no hadino. [1.1]
Dikanteny frantsayLa distribution de viande est parfaite mais les beaux-parents n' ont pas reçu leur part. [2.415 #1479]
La viande (ou le riz) a été bien partagée, mais les beaux-parents n' ont pas eu leur part. [2.165]
Fanazavana frantsayC' était dire avec ironie que la distribution était mal faite. [2.415 #1479]
Grave faute! [2.165]

Ohabolana 148Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy. [2.415 #948]
Tsara raha maniry zaza ka tera-dahy, naniry harena ka nahavita trano. [2.558 #4411]
Tsara raha naniry zaza ka tera-dahy. [2.653 #3289, 2.974 #128]
Dikanteny frantsayHeureuse la femme qui désirait un enfant et qui a mis au monde un fils. [2.415 #948]
Il est doux, quand on a désiré un enfant, d’avoir un garçon. [2.974 #128]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui voyaient leurs désirs se réaliser. [2.415 #948]

Ohabolana 149Tsara Ramatoa, tsara Raivo, fa i Fara manan-tombo kokoa. [2.558 #4412]

Ohabolana 150Tsara tarehy petaka orona ka voatondro iray no tsy naha-izy azy. [1.1]
Fanazavana malagasyZavatra kely matetika dia ampy hanimba zavatra iray izay mety ho tsara amin' ny ankapobeny. [1.1]

Ohabolana 151Tsara tarehy tsy endrehin-dravaka: aoka hitoetra amy ny vintan’ Anahary. [2.653 #3290]
Tsara tarehy tsy endrehin-dravaka : aoka hitoetra amin' ny vita-Nanahary. [2.415 #2471, 2.558 #4413]
Tsy endrehin-dravaka : aoka hitoetra amin' ny vita-Nanahary. [2.415 #2471]
Dikanteny frantsayBeau visage auquel les parures ne vont pas : il n' a qu' à rester dans l' état où le Créateur l' a fait. [2.415 #2471]
Fanazavana frantsaySe disait des personnes sur qui les parures jurent. [2.415 #2471]

Ohabolana 152Tsara vava ka mahafa-kenatra, mahay mihatsaravelatsihy ka tsy hita kilema loatra. [2.558 #4414]

Ohabolana 153Tsara volana imaso. [2.415 #4960]
Tsara volana imaso, tahaka ny ombin' Imantasoa. [2.558 #4415]
Tsara volan’ imaso, ohatra ny ombin’ Imantasoa. [2.653]
Dikanteny frantsayQui donne de bonnes paroles en face. [2.415 #4960]
Fanazavana frantsaySe disait des hypocrites. [2.415 #4960]

Ohabolana 154Tsara zanaka, ka afa-tondro-maso ary tsy mandry ama-nenina. [2.558 #4416]

Ohabolana 155Tsy mety raha tsara vava ririnina, toy ny voalobok’ Ambohidrano. [2.653 #3493]

Ohabolana 156Tsy misy tsara feo noho ny papelika, fa midoka tena ka mahamonaina. [2.558 #307]
Tsy misy tsara feo noho ny papelika; fa raha midoka tena, mahamonamonaina. [2.653 #3548]

Ohabolana 157Tsy misy tsara hoatry ny fanambadiana mifanaraka. [2.415 #1347]
Tsy misy tsara ohatra ny fanambadiana mifanaraka. [2.165]
Dikanteny frantsayIl n' y a rien de plus beau qu' un ménage uni. [2.415 #1347]
Rien n' est plus beau (ou meilleur) que des époux unis. [2.165]

Ohabolana 158Tsy soa tsy ratsy miendrik' androngo : atao tsara milongolingy vava, atao ratsy, be soratsoratra. [2.558 #4795]
Tsy soa tsy ratsy miendrik’ androngo: hatao tsara, longilongy vava; hatao ratsy, be soratsoratra. [2.415 #5835, 2.653 #3578]
Dikanteny frantsayNi beau ni laid, comme l' extérieur d' un lézard : pour dire qu' il est beau, il a la bouche trop pointue ; mais pour dire qu' il est laid, il a cependant des bigarrures. [2.415 #5835]

Ohabolana 159Tsy tsara nify anoloana aho ka hitsako alohan' ny vazana. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny tsy tokony hanaovan-javatra alohan' izay ambony na manam-pahefana noho ny tena. [1.1]

Ohabolana 160Tsy tsara tsy ratsy ohatra ny andro ririnina. [1.1]
Fanazavana malagasyIlazana toe-javatra na toetr' olona tsy hita hatao tsara na ratsy tanteraka (mitovy amin' ny hoe "tsy maina tsy lena" entin' ny olona milaza ny ririnina koa). [1.1]

Ohabolana 161Tsivohibohitr' ankizy; ka manao soa horavana. [2.165]
Tsivohibohitr' ankizy : manao soa horavana. [2.415 #5345, 2.653 #3328]
Tsivohibohitr' ankizy : vita tsara horavana, vita ratsy horavan-drahateo. [2.558 #4465]
Dikanteny frantsayDes petits villages que les enfants font pour s' amuser: ils font quelque chose de joli pour le défaire ensuite. [2.165]
Petits villages faits par des enfants en s' amusant : ce sont de belles choses faites pour être détruites ensuite. [2.415 #5345]
Fanazavana frantsaySe disait de l'inconstance. [2.415 #5345]

Ohabolana 162Vady namboarina, ka tsara amin' ny lehibe, fa any ny andro iray. [2.558 #317]

Ohabolana 163Valam-paria tsara hatsaka : na kely aza, mitety tora-kovitra ihany. [2.653]
Valam-parihy tsara hatsaka, ka na ny kely aza mitety tora-kovitra ihany. [2.165 #1686]
Valam-parihy tsara hatsaka : na ny kely aza mitety mihovitra ihany. [2.558 #4845]
Dikanteny frantsayUne bordure (entre deux rizières) trop bien coupée: même les petits qui y passent ne le font pas sans trembler. [2.165]
Fanazavana frantsayCette bordure, servant aussi de sentier, a été trop coupée, par avarice peut-être, et elle est devenue trop étroite; il y a danger de tomber dans la rizière, d' un côté ou de l' autre. [2.165]

Ohabolana 164Valavala ny hataka, tambiko ny laho ; mahavoa tsara, tsy mahavoa tsara. [1.147 #V10]

Ohabolana 165Vehivavy tsara tarehy petaka orona : voantondro iray monja no tsininy. [2.415 #1794, 2.653 #3656]
Vehivavy tsara tarehy petaka orona, voantondro iray no tsininy. [2.415 #1601]
Vehivavy tsara tarehy petaka orona: voatondro iray monja no tsininy. [2.165 #1298]
Vehivavy tsara tarehy petak' orona : ilany kely no tsininy. [2.558 #4917]
Zazavavy soa petaka orona: voantondro iray no tsininy. [2.415 #1601, 2.653 #3785]
Zazavavy tsara voavitsy petak' orona : voatondro iray no tsininy. [2.558 #5099]
Dikanteny frantsayFemme jolie mais qui a le nez camus : il ne s' en faut que d' un travers de doigt pour qu'elle soit parfaite. [2.415 #1794]
Jeune fille agréable ou femme au joli visage avec le nez camus : il ne s' en faut que d' un travers de doigt pour quelle soit parfaite. [2.415 #1601]
Une belle femme avec un nez écrasé: elle n' a qu' un tout petit défaut. [2.165]
Fanazavana frantsayBien difficilement tout est parfait ; ce proverbe se disait des choses qui n' avaient qu' un léger défaut. [2.415 #1601]

Ohabolana 166Veloma, soava tsara. [2.415 #4181]
Dikanteny frantsayVivez, soyez bon et heureux. [2.415 #4181]
Fanazavana frantsayTermes de remerciements. [2.415 #4181]

Ohabolana 167"Veloma, soava tsara" , tsy mahavelom-bady aman-janaka. [2.653 #3659, 2.165]
Dikanteny frantsayOn ne vivez heureux, prospérez. [2.415 #1356]
Un "au revoir, portez-vous bien" ne suffit pas à entretenir une famille. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe a été inventé et mis en circulation par le missionnaire J. Parrett qui, sous l' ancien royaume malgache, avait remarqué combien souvent un fonctionnaire se contentait, pour tout paiement, de dire ces paroles à ceux qui avaient travaillé dur pour lui. [2.165]

Ohabolana 168Voahangy tsara vaventy fihaingoa-mahafa-kenatra. [2.415 #2476, 2.558 #4965, 2.653 #3689]
Dikanteny frantsayBelles et grosses perles : parure qui sauve de toute humiliation. [2.415 #2476]

Ohabolana 169Voalongoza lanim-panaloka : tsara manam-boho. [1.147 #V72]

Ohabolana 170Vomanga miotrika ampombo : na mba tsara ihany fa fotsy ratsy. [2.415 #2267]
Vomanga miotrika ampombo : na mba vaventy ihany aza, dia sady matsatso no fotsy ratsy kosa. [2.415 #2267]
Vomanga miotrika ampombo : tsara ihany fa fotsy ratsy. [2.558 #324, 2.653]
Dikanteny frantsayPatates cuites au feu de son : elles ont beau être grosses, elles sont fades et d' un blanc sale. [2.415 #2267]
Fanazavana frantsaySe disait parfois de certains riches et des richesses mal acquises. [2.415 #2267]

Ohabolana 171Vonizongo very omby : ny sisa no hatao tsara hidy. [2.415 #6263, 2.653 #3737]
Dikanteny frantsayHomme des Vonizongo qui a perdu un boeuf : il enfermera bien les autres. [2.415]
Fanazavana frantsayUn homme averti en vaut deux. [2.415 #6263]

Ohabolana 172Vorondolo mitera-boromanga ka tsara indray noho rainy. [2.165 #1895]
Vorondolo nitera-boromanga, ka tsara indray noho rainy. [2.415 #1012]
Dikanteny frantsayHibou qui a donné naissance à un oiseau bleu : celui-ci est plus beau que son père. [2.415 #1012]
Un hibou qui a donné naissance à un oiseau bleu, ce dernier est plus beau que son père. [2.165]
Fanazavana frantsayEnfant qui dépasse ses parents. [2.415 #1012]

Ohabolana 173Voronkontsy nihoatr’ ala : levona ny raha tsara ratsy remby. [1.147 #V103]

Ohabolana 174Zanak' olon-tsy vadiana toa tsara tarehy. [2.558 #5084]

Fizahan-teny