Fizahan-teny

Ohabolana : tsipolitra

Ohabolana Mandalo dia raikitra ohatra ny tsipolitra antitra. [Rajemisa 1985]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny olona mora tia sy revorevo foana, na amin' ny fitiavana na amin' ny zavatra hafa. [Rajemisa 1985]

Ohabolana Tahaka ny tsipolitra: antitra vao tia sangy. [Rajemisa 1985]
Tahaky ny tsipolitra, ka antitra vao tia sangy. [Veyrières 1913 #682]
Fanazavana malagasy Enti-milaza ny olona efa zokinjokiny ihany nefa mbola manao zavatra na fihetsika tsy antonona ny taonany intsony. [Rajemisa 1985]
Dikanteny frantsay C'est comme les graines de bident : devenues vieilles et bien mûres elles se collent aux habits et semblent plaisanter. [Veyrières 1913 #682]
Semblable aux graines du bident qui se collent aux habits (et semblent ainsi plaisanter) lorsqu'elles sont bien mûres ou vieilles. [Abinal 1888]
Fanazavana frantsay Se disait des grands lorsqu' ils s'abaissaient et plaisantaient d' une manière indigne de leur rang et de leur âge. [Veyrières 1913 #682]
Se dit de ceux qui s'abaissent en plaisantant, alors que ce n'est digne ni de leur âge ni de leur rang. [Abinal 1888]

Ohabolana Tsy hita hanaovana, hoatry ny ondry kely sarak' andro : avela an-tanàna, ivorian' ny lalitra ; entina an-tsaha, iangonan' ny tsipolitra. [Veyrières 1913]
Tsy hita hanaovana, ohatra ny ondrikely sarak’ andro: avela an-tanana, ivorian’ ny lalitra; entina an-tsaha, iangonan’ ny tsipolitra. [Cousins 1871]
Tsy hita izay hanaovana azy, ohatra ny ondry kely sarak' andro : avela an-tanàna ivorian' ny lalitra, aidina an-tsaha, iangonan' ny tsipolitra. [Rinara 1974]
Dikanteny frantsay Une personne dont on ne sait pas quoi faire, c' est comme l' agneau que la mère n'allaite plus que le soir : si on le laisse à l' étable, il est couvert de mouches ; si on le conduit aux champs, il est couvert de graines de bident. [Veyrières 1913 #3990]
Fanazavana frantsay Se disait des bons à rien. [Veyrières 1913 #3990]

Ohabolana Tsipolitra antitra ka manara-damba mandalo. [Rinara 1974 #4457]

Ohabolana Tsipolitra ka antitra vao tia savitsavika (sangy). [Rinara 1974 #4458]
Tsipolotra: antitra vao tia sangy. [Veyrières 1913 #1869, Cousins 1871 #3325]
Dikanteny frantsay Ceux qui s' abaissent en plaisantant d' une manière indigne de leur âge, sont semblables aux graines de bident qui devenues mûres, se collent aux habits et semblent plaisanter dans leur vieillesse. [Veyrières 1913 #1869]
Fanazavana frantsay On les méprisait. [Veyrières 1913 #1869]

Fizahan-teny