Fizahan-teny

Ohabolana : valavo

Ohabolana 1Valavo Ampasimbola : velon’ ny fanahiny. [1.147 #V65]

Ohabolana 2Valavo ho velona am-barangaran-davaka. [1.147 #V58]

Ohabolana 3Valavo ho velona, anjon-davañy. [2.165]
Fanazavana malagasyVoalavo no velona, akaiky ny lavany. [2.165]

Ohabolana 4Valavo lahy mitakonjevoña: feno ñy lailainy foaña. [2.165]
Fanazavana malagasyVoalavo lahy mitondra zevona: feno ny lailainy foana. + Zevona: volo (hazo) vao maniry izay malailay mihitsy raha raisina. [2.165]

Ohabolana 5Valavo lahy nilomany riaka, velona tsisy hiravo, maty tsisy hitserika. [1.147 #V62]

Ohabolana 6Valavo lahy tsy namian-deona : ampiana mahafotsy, tsy ampiana mahafotsy. [1.147 #V60]

Ohabolana 7Valavo nanandran-tsira ; lah' manindroa omban’ aty latsaka. [1.147 #V57]

Ohabolana 8Valavo nirangotim-piso : tsy maty fa fohafoha volo. [1.147 #V64]
Valavo nirangotim-piso: tsy maty fa lava volo. [2.165]
Fanazavana malagasyVoalavo norangotin-tsaka: tsy maty fa lava volo (mahia koa). [2.165]

Ohabolana 9Valavo nitakon-jevona : feno lainy foana. [1.147 #V61]

Ohabolana 10Valavo nitety amandotra : tsy mbola dila ny lohany ka mikiokioka. [1.147 #V63]
Valavo nitety amandotra: tsy mbola dila ñy lohany koza ka mikiokioka. [2.165]
Fanazavana malagasyVoalavo nitety mandotra: tsy mbola afaky ny lohany akory ka mikiakiaka. [2.165]

Ohabolana 11Valavo tokana tsy mikirintsana, zaza maty reny tsy minono. [1.147 #V59]

Fizahan-teny