Fizahan-teny

Ohabolana : vazina

Ohabolana 1Madio manatrika, fa vazi-miamboho toa ravin-tseva. [2.165 #493]
Madio manatrika, toa ravin-tseva, fa vazi-miamboho. [2.558 #1825, 2.653 #1390]
Dikanteny frantsayComme les feuilles du seva : lisses en face, pleines d’aspérités par derrière. [2.974 #144]
Propre au-dessus (ou par devant), et sale au-dessous (ou par derrière), comme une feuille de "seva" (arbuste). [2.165 #493]

Ohabolana 2Miady amin' ny vazina ka vazina koa, miady amin' adala ka sahala ihany. [2.558 #2231]

Ohabolana 3Ny rainy no mihosim-potaka, ka ny zanany no vazina. [2.653 #2395, 2.974 #119]
Dikanteny frantsayC’est le père qui s’est roulé dans la boue et c’est le fils qui en est barbouillé. [2.974 #119]

Ohabolana 4Razavozavo sy Raerikerika: mandina, miara-mandina; varina, miara-barina. [2.653 #2779]
Razavozavo sy Raerikerika : mandina miara-mandina, vazina miara-bazina. [2.415 #5224, 2.558 #3740]
Dikanteny frantsayRazavozavo et Raerikerika : la bonne et la mauvaise fortune leur sont communes. [2.415 #5224]

Ohabolana 5Tsy misy manga hoatry ny voantay ; fa raha ratsy fila hanina, vazina. [2.415 #3084]
Tsy misy manga noho ny voantay, fa raha ratsy fila hanina, mahavazina. [2.558 #4728]
Tsy misy manga ohatra ny voantay; fa raha ratsy fila hanina, vazina. [2.653]
Dikanteny frantsayRien n' est aussi beau qu' un bousier, mais il est déshonoré parce qu' il cherche sa nourriture dans l' ordure. [2.415 #3084]
Fanazavana frantsayLa beauté n' empêche pas le déshonneur. [2.415 #3084]

Fizahan-teny