Fizahan-teny

Ohabolana : voantay

Ohabolana 1Androngolahy milanja voantay : izy milanja ny manga indray no milaza manehi-nify. [2.415 #700, 2.653 #223]
Androngo milanja voatay : ny milanja ny manga indray no milaza ho manehi-nify. [2.558 #241]
Aza manao androngolahy milanja voantay, ka izy milanja ny manga indray no milaza manehi-nify. [2.165]
Dikanteny frantsayLézard qui porte un bousier : il porte une riche proie, et voilà qu' il se plaint d' avoir mal aux dents. [2.415 #700]
Fanazavana frantsayLe peuple est exploité, et ce sont les exploiteurs qui se plaignent. [2.415 #700]

Ohabolana 2Aza fatra-pitia tsikovoka, fandrao manenji-boantay. [2.653 #384, 2.558]

Ohabolana 3Borera sy voantay mifampitolona ka ny lohàny no amantarana azy. [2.558 #957]
Borera sy voantay mitolona, loha no amantarana azy. [2.653 #824, 2.165]
Dikanteny frantsayUn scarabée et un bousier se battant ensemble, on ne les reconnaît plus qu' à leur tête. [2.165]

Ohabolana 4Indraindray izy dia toy ny voahangy raraka, ary indraindray dia voantay miboridana. [2.653 #1132]
Indraindray izy mba toy ny voahangy raraka, ary indraindray dia voantay miboridana. [2.558 #1424]
Indraindray izy toy ny voahangy raraka, ary indraindray voantay boridana. [2.165 #505]
Dikanteny frantsayA certains moments il est semblable à un ruisseau de perles, mais à d' autres, par contre, à une bande de bousiers. [2.165]

Ohabolana 5Na manga aza ny voantay, tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka akory. [2.558 #2726]
Tsy misy manga noho ny voantay ; fa ratsy mpilaza, ka tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka. [2.415 #3085]
Tsy misy manga noho ny voantay, fa ratsy mpilaza ka tsy nisain' ny olona ho tsikovoka. [2.558 #4729]
Dikanteny frantsayRien n' est aussi beau qu'un bousier mais parce qu' on a mal parlé de lui, il n' est pas compté parmi les dytiques. [2.415 #3085]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui ont mauvaise réputation. [2.415 #3085]

Ohabolana 6Raha ny azy ataony hoe : " voahangy raraka " ; ary raha ny an' olona, dia hoe : " voantay " . [2.415 #5406]
Dikanteny frantsayQuand il s' agit de ce qui est à lui, il dit : c' est une pluie de perles ; et quand il s' agit de ce qui est aux autres, c' est un bousier qui s' envole. [2.415 #5406]
Fanazavana frantsayOrgueil et égoïsme. [2.415 #5406]

Ohabolana 7Tsy misy manga hoatry ny voantay ; fa raha ratsy fila hanina, vazina. [2.415 #3084]
Tsy misy manga noho ny voantay, fa raha ratsy fila hanina, mahavazina. [2.558 #4728]
Tsy misy manga ohatra ny voantay; fa raha ratsy fila hanina, vazina. [2.653]
Dikanteny frantsayRien n' est aussi beau qu' un bousier, mais il est déshonoré parce qu' il cherche sa nourriture dans l' ordure. [2.415 #3084]
Fanazavana frantsayLa beauté n' empêche pas le déshonneur. [2.415 #3084]

Ohabolana 8Tsy misy manga noho ny voantay ; fa ratsy mpilaza, ka tsy mba nisain’ ny olona ho tsikovoka. [2.653]

Fizahan-teny