Fizahan-teny

Ohabolana : zahatra

Ohabolana 1Mampitaha lakana amin-jahatra. [1.1]
Mampitaha lakana sy zahatra. [1.1]
Fanazavana malagasyMampitaha zavatra roa izay hita avy hatrany fa mifanalavitra na ny bikany na ny tombany. [1.1]
Mampitovy zavatra roa tsy mitovy lanja na vidy velively. [1.1]

Ohabolana 2Sady tsy ho an-dakana tsy ho an-jahitra : tsy hoandry tsy anila rano. [1.147 #S7]
Sady tsy ho an-dakan-tsy ho an-jahitra, tsy handry tsy añila-rano. [2.165]
Tsy hidima ; tsy hive : tsy hoandry tsy anila-rano. [1.147 #T167]
Fanazavana malagasySady tsy ho an-dakana no tsy ho an-jahatra, nefa tsy handry raha tsy eny am-pita. [2.165]

Fizahan-teny