Fizahan-teny

Ohabolana : zavatra

Ohabolana 1Adaladala manam-benty, ka izay hita rehetra venty avokoa. [2.165 #1633]
Adaladala nanam-benty: izay hita rehetra venty avokoa. [2.415 #2049, 2.653 #4]
Randranobe nanam-benty, ka izay zavatr' olona mandalo : nday ho ahy venty avokoa. [2.415 #1928]
Dikanteny frantsayBête comme celui qui n' a que seize sous, et tout ce qu' il voit, il veut l' avoir pour seize sous. [2.415 #2049]
Un sot qui avait (un morceau d' argent de) quatre-vingts centimes, tout ce qu' il voyait, il croyait que le prix en était de quatre-vingts centimes. [2.165]
Vieille qui n' a que seize sous : tout ce qu' elle voit, elle le veut pour seize sous. [2.415 #1928]
Fanazavana frantsayAvant la conquête, la monnaie employée à Madagascar n' était autre chose que des morceaux d' argent de toutes grandeurs que l'on obtenait en coupant des piastres ou pièces de 5 francs. Pour savoir la valeur exacte de ces morceaux, il fallait les peser. [2.165]
Se disait des gens à idée fixe, des imbéciles ayant une marotte. [2.415 #1928]
Se disait des simples d' esprit. [2.415 #2049]

Ohabolana 2Ambolo bitaka, ambolo matavy: zava-tsy hay tsy azo ibitabitahana. [1.1 #63, 2.558 #181]
Ambolo bitaka, ambolo matavy: zava-tsy hay tsy ibitabitahana. [2.165 #854]
Fanazavana malagasyTsy tokony hitsabatsabaka amin' ny zavatra tsy hay. [1.1 #63]
Dikanteny frantsayUne sauterelle verte qui saute, une sauterelle verte bien grasse: il ne faut pas sauter de joie pour une chose qu' on ne sait pas. [2.165 #854]

Ohabolana 3Amin' ny zavatra rehetra mba mitsapa ny ho farany. [2.415 #6203]
Aza mandroso tsy mitsapa ny farany. [2.415 #6219]
Dikanteny frantsayEn toutes choses regardez la fin. [2.415 #6203]
N' avancez pas sans prévoir l' avenir. [2.415 #6219]

Ohabolana 4Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy. [2.558, 1.1]
Angady mondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.415 #4362]
Toy ny angady mondro sy ny reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.165 #1197]
Toy ny angady mondro sy reniakoho : izay mananda no resy. [2.653 #3181]
Toy ny angadimondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.558 #4260]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalizana dia resy izay manampy zavatra hafa. [1.1]
Izany hoe zavatra roa mitovy vidy izy roa ireo ka raha misy olona roa mifanakalo azy ireo, izay mbola manome sandany, na fanampiny, an' ilay iray hafa dia azo heverina ho resy, namaty antoka. [1.1]
Zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. [1.1]
Dikanteny frantsayComme une bêche usée et une poule (qu' on échange), celui qui donne quelque chose en plus y perd. [2.165]
Quand une vieille poule est échangée avec une bêche usée, c' est celui qui ajoute un supplément qui perd à l' échange. [2.415 #4362]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait : de même valeur. [2.415 #4362]
Parce que les deux choses sont considérées comme ayant exactement la même valeur. [2.165]

Ohabolana 5Aza malaina fa ny mosary indray maraina aza tsy efa fotsiny. [2.558 #472]
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana. [2.165 #680]
Ny mosary indray maraina aza tsy efa foana. [2.558 #3155]
Ny mosary indray maraina tsy efa foana. [2.653 #2353]
Dikanteny frantsayNe soyez pas paresseux; car quand la famine règne il est difficile de trouver à manger, même pour une seule matinée. [2.165]

Ohabolana 6Aza ny vady an-trano no atao tsy ho zavatra, fa izay mihaingo tsara avokoa. [2.165 #1805, 2.415 #1274]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas mépriser votre femme, car toutes celles qui sont bien habillées sont belles. [2.165]
Ne méprisez pas votre femme, car toutes celles qui se sont parées sont belles. [2.415 #1274]
Fanazavana frantsayNe vous laissez pas séduire. [2.415 #1274]
Restez fidèle et ne soyez pas séduit par la belle apparence d' autres femmes. [2.165]

Ohabolana 7Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenany mivarotra no mahaloiloy. [2.415 #1976, 2.653]
Boka mivaro-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan' ny mpivarotra no mampahaloiloy. [2.165 #2025]
Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mba soa ihany fa ny tenan' izy mpivarotra no mankaloiloy. [2.558]
Tantely an-tànam-boka, ka na soa aza afa-boninahitra (mankaloiloy). [2.558 #4077]
Dikanteny frantsayLépreux qui vend du miel : ce qu' il vend est doux, mais le marchand donne la nausée. [2.415 #1976]
Un lépreux vendant du miel: ce qu' il vend est bien doux, mais c' est le vendeur qui vous dégoûte. [2.165]
Fanazavana frantsayLe don n' est pas tout, il y a manière de donner. [2.415 #1976]

Ohabolana 8Dokotra homan-kabakabaka : homan-java-tsy mahavoky ny tena. [2.653 #855]

Ohabolana 9Fanambadian-tery setra dia ranomaso mivalana an-tava ihany. [2.165 #1742, 2.415 #1190]
Fanambadian-terisetra ka ranomaso mivalana an-tava ihany. [2.558]
Hany zava-tsy zaka, ny fanambadian-tery setra. [2.415 #1193]
Zava-tsy zaka ny fanambadian-tery setra. [2.165 #1741]
Zava-tsy zaka raha ny fanambadiana an-tery setra. [2.558 #5088]
Zava-tsy zaka raha ny fanambadian-tery setra. [2.415 #1251, 2.653 #3773]
Dikanteny frantsayC' est une chose insupportable qu' un mariage forcé. [2.415 #1251]
Il n' y a qu' une chose que je ne peux pas souffrir, c' est un mariage forcé. [2.415 #1193]
Un mariage contracté par force fait couler des larmes sans fin. [2.415 #1190]
Un mariage imposé cause des pleurs sans fin. [2.165]
Un mariage imposé est insupportable. [2.165]

Ohabolana 10Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. [2.558 #1350, 1.1]
Hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao zavatra. [2.165 #981, 2.415 #637]
Kitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao zavatra. [2.653 #1278]
Fanazavana malagasyTsy misy fisehoan-javatra tsy manam-pototra na antony. [1.1]
Dikanteny frantsayLa crécerelle ne s' agite pas en vain, c' est pour une proie qu' elle aperçoit. [2.415 #637]
La crécerelle ne tournoyé pas sans cause, mais c' est qu' elle aperçoit quelque chose. [2.165]
Fanazavana frantsayOn n' agit pas et on ne se réjouit pas sans motif ; se disait aussi des chefs qui n' agissent pas sans cause. [2.415 #637]
Proverbe souvent cité pour éveiller les soupçons ou insinuer le mal. Pas de fumée sans feu. [2.165]

Ohabolana 11Manao fanahin-tsokina : raha mahazo zavatra dia mivonkina. [2.415 #2299]
Dikanteny frantsayL' avare fait comme le hérisson qui se referme lorsqu' il tient quelque chose. [2.415 #2299]
Fanazavana frantsayIl enfouit son argent. [2.415 #2299]

Ohabolana 12Manao ny ain-tsy ho zavatra. [2.415 #6298]
Manao vy very ny aina. [2.415 #6298, 2.653 #1560]
Manao vy very ny ainy. [2.165 #886]
Dikanteny frantsayRisquer sa vie. Litt. faire de sa vie comme d' un morceau de fer perdu. [2.165]
S' exposer et sacrifier sa vie. [2.415 #6298]
Fanazavana frantsayCette expression s' emploie très fréquemment, mais il est difficile d' en discerner l' origine. [2.165]

Ohabolana 13Miala fo aman-kavana, fa ny monina irery zava-tsarotra ; miala fo aman-taona, fa ny oran-ko ritra. [2.415 #1101, 2.653 #1714, 2.558]
Dikanteny frantsaySoyez bien ouvert avec vos parents, car il est dur d'habiter seul ; travaillez de tout coeur à la saison propice, car la pluie cessera et la terre deviendra dure. [2.415]

Ohabolana 14Mpanakalo rano tratr’ orana : enjehin’ ny varotra ataony. [2.653 #1962]
Mpanakalo rano tratr' orana ka enjehin' ny varotra ataony. [2.558 #2571, 2.415]
Mpanakalo rano tratr' orana, ka enjehin' ny zavatra ataony. [2.165 #1716]
Mpivaro-drano tratr' orana ka enjehin' ny varotra ataony. [1.1]
Mpivaro-drano tratr' orana, ka ny varotra atao ihany no manenjika. [2.415]
Fanazavana malagasyIlazana ny mpanao ratsy ivalian' ny ratsy fanaony. [1.1]
Dikanteny frantsayMarchand d' eau pris par la pluie : il est poursuivi par ce qui fait l' objet de son commerce. [2.415 #2728]
Un débitant (litt. changeur) d' eau atteint par la pluie est ainsi poursuivi par la chose dont il s' occupait (c.à.d. par l' eau). [2.165]
Fanazavana frantsayOn est puni par où l'on a péché. [2.415 #2728]

Ohabolana 15Ny faniriam-potsiny ihany tsy mahatanteraka ny zavatra nokasaina. [2.165 #661]
Dikanteny frantsayLes désirs seuls n' accomplissent pas les choses que l' on avait l' intention de faire. [2.165]

Ohabolana 16Ny haingo natao ho zavatra, verin' ny vary masaka an-tava indray andro. [2.558 #3021]
Ny haingo natao lavananandro verin’ ny vary masaka an-tava indray andro. [2.653 #2245]
Ny haingo natao lavanandro verin' ny vary masaka an-tava indray andro. [2.415 #2450]
Dikanteny frantsayLes parures qu' on porte tous les jours sont dépréciées par un grain de riz cuit resté sur le visage une seule fois. [2.415 #2450]
Fanazavana frantsayLes plus belles choses sont dépréciées par un seul défaut. [2.415 #2450]

Ohabolana 17Ny harena no tian-kananana, ka ny aina no atao tsy ho zavatra. [2.558 #3033]
Ny harena no tian-ko azo, ka ny aina no atao tsy ho zavatra. [2.415 #6316, 2.653 #2250]
Dikanteny frantsayCe sont les richesses qu' on veut acquérir et on fait peu de cas de la vie. [2.415 #6316]

Ohabolana 18Ny tantara malaza, fa tsy misy zavatra tsy hitany, na ny ela na ny faingana, ka aza manadino ny soa nifanaovana. [2.415]
Dikanteny frantsayL’histoire porte loin sa renommée : il n’y a pas de chose qu’elle ne connaisse pas, soit dans le passé, soit dans le présent ; aussi il faut se garder d’oublier les bienfaits qui ont été échangés. [2.415]
Fanazavana frantsayLe sens est : la postérité le dira. [2.415]

Ohabolana 19Ny vola Ramangatsimahatola, ny aina Ramangatsiatakalo zavatra. [2.558 #3362]

Ohabolana 20Rafozana be menimenina, vinanto tsy azo ho zavatra. [2.415 #1469]
Dikanteny frantsayQuand les beaux-parents sont toujours mécontents et grognons, ils trouvent que le gendre n' est pas assez bien. [2.415 #1469]
Fanazavana frantsaySe disait des mariages qui finissent mal parce que les beaux-parents ne sont pas favorables. [2.415 #1469]

Ohabolana 21Raha hanao zavatra, aza manao hoe : " dombo ny angady " ; nefa raha hihinana manao hoe : " maranitra ny sotro " . [2.415 #3966, 2.165]
Dikanteny frantsayQuand vous allez au travail, ne dites pas : la bêche est émoussée ; et quand vous allez manger : la cuiller racle bien la marmite. [2.415 #3966]
Quand vous allez labourer, ne dites pas: "La bêche est émoussée" ; pour dire, quand vous allez manger: "La cuillère coupe bien" . [2.165]

Ohabolana 22Raha vinanto tsy azo ho zavatra, ny angadimondro no faingana. [2.653 #2725, 2.415]
Raha vinanto tsy azo ho zavatra : ny angadimondro no haingana. [2.558 #3680]
Dikanteny frantsayQuand le gendre n' est pas estimé des beaux-parents, ils prennent vite la vieille bêche pour le mettre à la porte comme on fait pour chasser les animaux. [2.415 #1473]

Ohabolana 23Rohibe tsy mahafaty zavatra, tady kely mahalavo vositra. [2.974 #278, 2.653]
Dikanteny frantsayGrosse corde impuissante ; faible lien qui renverse un bœuf. [2.974 #278]

Ohabolana 24Tao-zava-drafozana : avo roa toko ny aina. [2.415 #1477]
Dikanteny frantsayQuand on travaille pour ses beaux-parents on montre deux tiers de forces de plus. [2.415 #1477]
Fanazavana frantsayOn cherche à se faire bien voir des beaux-parents ou des chefs. [2.415 #1477]

Ohabolana 25Toy ny Vazaha matim-basy, ka matin-java-nataony. [2.165 #1393]
Vazaha matim-basy, ka matin-java-natao. [2.415 #3627]
Vazaha matim-basy : matin-draha hainy. [1.147 #V43]
Vazaha matim-basy : matin-java-natao. [2.558 #319, 2.653 #3654, 2.974 #290]
Dikanteny frantsayBlanc tué par un fusil : il est tué par son propre ouvrage. [2.415 #3627]
Pareil à un "Vazaha" tué par un fusil; il a été tué par une chose qu' il a faite lui-même. [2.165]
Quand un vazaha meurt d’un coup de fusil, il est victime de sa propre invention. [2.974 #290]
Fanazavana frantsayAllusion au fait que les fusils venaient des Européens ; ce proverbe se disait de l' homme pris dans ses propres paroles ou victime de ses propres actions ; dans la guerre franco-hova, le chef Rakoto se servait de ce proverbe pour dire que les Malgaches se serviraient du fusil pour tuer les Français. [2.415 #3627]
Le terme de "Vazaha" ne s' appliquait pas à tous les étrangers, mais seulement aux blancs d' Europe et d' Amérique, et non aux Hindous ou aux Arabes. [2.165]

Ohabolana 26Tsy azo ho zavatra. [2.415 #3998]
Tsy vanon-ko inona. [2.415 #3998]
Tsy vanon-ko zavatra. [2.415 #3998]
Dikanteny frantsayC' est un bon à rien. [2.415 #3998]

Ohabolana 27Tsy mahamafy fonosana ohatra ny zavatra maharatsiana. [2.558]

Ohabolana 28Tsy misy lozain’ ny zava-tsy fantatra. [2.558 #305, 2.653 #3522]

Ohabolana 29Very zava-tsy hay. [2.415 #61]
Dikanteny frantsayQui sait tout faire. [2.415 #61]

Ohabolana 30Zava-madinika amehezana zava-dehibe. [2.415 #3324]
Dikanteny frantsaySouvent une chose importante est liée avec une petite. [2.415 #3324]
Fanazavana frantsayTanguin qui jusque-là, était administré aux poulets : il fit périr ainsi beaucoup de monde ; irrité de tant de cruauté, le roi Andrianjaka interdit dans son royaume l' usage du poison nommé tanguin ; de cette défense date le proverbe ; plus tard les souverains eux-mêmes appliquèrent au peuple l' épreuve du tanguin. [2.415 #3324]

Ohabolana 31Zavatra amidy tsy azo tsanganan-kiady. [2.558 #5087, 2.653 #3771]

Ohabolana 32Zava-tsy ananana mahabakabaka, hoy ilay namahana saobakaka. [2.558]
Zava-tsy ananana mahabakabaka, hoy ilay namahan-tsabakaka. [2.653 #3772]

Fizahan-teny