Fizahan-teny

Ohabolana : zezika

Ohabolana Akondro efa namoa, ka ny sisa no atero zezika fa izy lasan-kiraika. [Rinara 1974]
Akondro efa namoa : ny sisa no atero zezika, fa izy lasan-kiraika. [Veyrières 1913 #1796, Cousins 1871 #70]
Dikanteny frantsay Bananier qui a porté son fruit : fumez les autres, car pour lui, il va s' incliner et périr. [Veyrières 1913 #1796]
Fanazavana frantsay Se disait des vieillards. [Veyrières 1913 #1796]

Ohabolana Aza manao ohatra an' Ikotokely mandihy ambony zezika : faly foana mihaino ny fidobony, fa tsy mihevitra ny farasisa hanaikitra ny tongotra. [Veyrières 1913]
Dikanteny frantsay Ne faites pas comme Ikotokely dansant sur le fumier : tout content d' entendre ses pas, il ne pense pas au mal qui mordra ses pieds enflés par la maladie farasisa. [Veyrières 1913 #6215]
Fanazavana frantsay Le plaisir présent empêche de penser à ses suites funestes. [Veyrières 1913 #6215]

Ohabolana Be zezika fa fohy tera-bary. [Veyrières 1913 #2596, Rinara 1974 #891, Cousins 1871 #763]
Dikanteny frantsay Il y a beaucoup de fumier, et pourtant les épis sont très courts. [Veyrières 1913 #2596]
Fanazavana frantsay Se disait lorsque les soins n' amenaient pas le succès. [Veyrières 1913 #2596]

Ohabolana Nahoana fony niasa no tsy nanao ny tokony hatao fa nony kolokolo vao hanisy zezika ? [Rinara 1974 #2659]

Fizahan-teny