Fizahan-teny

Ohabolana : zoto

Ohabolana 1Ny hakamoana itonoana, ny hazotoana ahandroana. [2.415 #3953]
Ny laina itonoana, ny zoto andrahoana. [2.415 #3953, 1.3]
Ny zoto ahandroana, ny laina itonoana. [2.558 #3385, 1.1]
Ny zoto andrahoana; ny laina itonoana. [2.165 #668]
Ny zoto handrahoana; ny laina itonoana. [2.653 #2536]
Fanazavana malagasyNy malaina hahandro homana ny tsizarizary fa ny mazoto kosa mihinana ny masaka: izay malainkisahirana tsy mba manana ny tsara. [1.1]
Dikanteny frantsayLe paresseux fait seulement griller la viande, celui qui est laborieux la fait bien cuire. [1.3]
Le paresseux se contente de faire griller la viande, celui qui est laborieux la fait bien cuire. [2.415 #3953]
L' homme actif fait cuire (sa nourriture, dans une marmite); le paresseux se contente de faire griller sur le feu. [2.165 #668]
Fanazavana frantsayCelui qui est diligent et zélé a beaucoup de profit, le paresseux gagne fort peu. [1.3]
Le paresseux a peu et le diligent gagne beaucoup ; ce proverbe vient d' une histoire malgache : il y avait deux voyageurs, l' un se contenta de faire cuire son riz sans vouloir aller puiser de l' eau au loin et le riz fut détestable ; l' autre prit la peine d' aller chercher de l' eau et apprêta un riz délicieux ; quand le premier alléché par la bonne cuisine voulut avoir sa part, il fut repoussé. [2.415 #3953]

Ohabolana 2Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina. [1.1]
Ny mandeha tsy zoto, ny mipetraka tsy laina. [2.415]
Ny mitoetra tsy laina, ny mandeha tsy zoto. [1.3, 2.415]
Fanazavana malagasyAdidy no aleha ary andraikitra no ijanonana, ka izay mahatsara zavatra no atao, fa tsy hoe akory izay mandeha dia olo-mazoto ay izay mijanona dia olo-malaina. [1.1]
Enti-milaza fa fanatanterahana adidy no atao fa tsy fitiavana hanao an' itsy na hanao an' iroa akory. [1.1]
Dikanteny frantsayRester n' est point de la paresse, aller n' est point du zèle. [2.415 #3731]
Fanazavana frantsayIndifférent pour rester ou pour partir. [1.3]
On est libre d' agir ou de ne pas agir. [2.415 #3731]

Ohabolana 3Tsy misy mafy tsy ho laitry ny zoto. [2.165]
Tsy misy mafy tsy laitran' ny zoto. [2.558, 1.1]
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. [2.653 #3524, 2.974 #37]
Fanazavana malagasyMora sy efa izay zavatra atao amin-joto, na dia izay sarotra indrindra aza. [1.1]
Tsy misy zava-tsarotra tsy vita rehefa misy ny faharisihaha sy ny herimpo. [1.1]
Dikanteny frantsayA cœur vaillant, rien d’impossible. [2.974 #37]
Avec de l' activité on vient à bout de tout. [2.165]

Fizahan-teny