Dox : Amina Batsola

'Ndeha haka vola aho homena azy ary:
(Tamin' izay kosa nihiratra, tafafoha ny marary)

Lefahitra :
Komandy ô! ny andriana. Tadidio tsara
Hianao voa tahaka izao. Saiky latsaka aina hianao
Tamin' iny, ary izao, mbola misy azo atao...
Mbola hain' i Batsola ny hamonjy tahaka an' iny.
Matokia azy hianao fa satria mbola tiany.
Izao no hafany aminao : raha mbola tianao
Ny hamonjeny anao indray, ho avy izy. Renao ?

Mpitantara :
Somary nihatoka Rasata. Reny tsara ity niteny...
Amin' izay fotoana izay, tafaverina, mandreny :
Ranoro ka niato tampoka tambadiky ny varavarana.
Nihatokatoka ny lohany nahare ity anarana.

Lefahitra :
Ny andriana ò ! ny andriana, moa henonao tsara
Raha tianao ny hisiany, vonona aho hanambara...

Rasata :
Efa rera-doatra aho mila tsy hahaloa-bava
Ekeko ary anefa aoka hisy marika hanazava
Rehefa miala tery izy, dia aoka hanao donak' afo,
Resatsika ihany izao ka aoka tsy hihoatra tafo.

Lefahitra :
Matokia hianao ry Andriana fa izany dia ho to
Matanjaha fa lehilahy ka aoka tsy hamoifo.

Mpitantara :
Niandry kelikely kosa ifay vao niditra Ranoro
Dia nanisa vola izy. Ary raha mahay manoro
Tokoa, tokoa ny fanafody izay ilaina Lefahitra
Dia homeny folo heny sy hasondro-boninahitra !
Nitsimontsimona Lefahitra, nandray ny vola dia nanainga
Niriotra poatoizay izy dia efa tafahoatra bainga...
Iza moa ary izao no tovin' i Lefahitra hafatra ?
Ranoro ve sa Rasata ? Lainga fa tsy mahafantatra
Ny fanafody hamonjena ny maratra izy akory...
Tonga hilalao aina ka izay no mampahory...
Tonga tany Ankoriaka ny anaolahy, nefa tetika
Ny hahazoana vola ihany no nanaovany fihetsika.
(maty ny jiro)
(Ankoriaka ny décor)

Batsola :
Manao ahoana ilay malalako. Manao ahoana i Vohimarina

Lefahitra :
Tsy maninona tsy akory, efa hita miarinarina
Satria mihena hery angaha noho ny ratra voasasa
Ny poizina namely azy. Hita ho tena kely asa.
Ramatoa Ranoro vadiny dia mitsabo tsy miala
Eo akaiky eo foana. Noho izany manadala
Fa tsy hita mihitsimihitsy ny hampitana hafatra aminy
Ary izay rehetra entina, jeren-dRamatoa, sivariny,
Mety ihany angaha anefa ny hanomezanao kely
Sombiny amin' ny fanafody, tsy ho ody velively

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 31-32
Takila 33-34
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44