Teny iditra fatyantoka > fatiantoka
Singan-teny faty ; antoka
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fahavoazana amin' ny zavatra iray fa kely noho ny nahazoana na nanamboarana azy no namarotana azy: Voan' ny fatiantoka aho tamin' iny varotra iny
Ny elanelan' ny vola nahazoana na nanamboarana zavatra iray sy ny vola azo tamin' ny nivarotana azy indray: Telopolo no fationtoko tamin' ny nivarotako iny vorontsiloza iny [1.1]
 [ faty antoka ] Fahavoazana amin' ny varotra, izay mihatra amin' ny olona nivarotra zavatra latsaka noho ny masonkarena na izay nahazoany azy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy [antoka, surety.] A loss sustained in trade by a bargain or contract. [1.2]
 A financial loss; bankruptcy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Perte, ruine (commerce) [1.8]
Ohatra 
1ka tsy ho fatiantoka ve raha tsy izany? [2.4]
2Tsy fatiantoka ho anay ny nidiran' ny Romana nanjana-tany. [2.643]
Ohabolana