Teny iditra kotrano > kotranina (kotrana)
Sokajin-teny matoantenin' ny iharana
Fanazavàna teny malagasy Ampifampipohina, ampifampikatrohina: Aza kotranina ny vilia sao vaky
Helingelenina, kotabaina: Kotranin' ny mpamosavy isan' alina, hono, izy / Kotranin' ny fakampanahy lava izao izy
Asiana ka ahontsankontsana: Kotranina fasika ny tavoahangy hanadiovana azy [1.1]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : kotranina, kotraniko, kotraninao, kotraniny, kotranintsika, kotraninay, kotraninareo, kotranin', kotranin-, kotranim-, kotrani-
Ny lasa : nokotranina, nokotraniko, nokotraninao, nokotraniny, nokotranintsika, nokotraninay, nokotraninareo, nokotranin', nokotranin-, nokotranim-, nokotrani-
Ny hoavy : hokotranina, hokotraniko, hokotraninao, hokotraniny, hokotranintsika, hokotraninay, hokotraninareo, hokotranin', hokotranin-, hokotranim-, hokotrani-
Filaza mandidy : kotrano

Fivaditsoratra