Teny iditra tsakany > sakany
Sokajin-teny anarana sakana sy mpisolo
Fanazavàna teny malagasy Habe mifanohitra amin' ny lavany: Ohatrinona no haben' ity efitrano ity? Fito metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany
Habe salasalany, antonintoniny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The width [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Largeur [1.8]
Ohatra Efa tonta ihany ilay varavarana ka takela-kazo sahabo ho iray zehy sakany sy roa halavany no azo nakisaka hijereny ny ati-trano. [2.470]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra tsakany > sakany (sakana)
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan' ombivavy
Salasalany, atriatry: Sakan-karona. [1.1]
Voambolana 

Teny iditra tsakany > sakany
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Betsileo] Vantotr' ombivavy afa-miteraka [1.1]
Tovy hevitra vatony ~ andranarivavy

Fivaditsoratra 

Teny iditra tsakany > sakana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Fefy, gadra: Tokony hasiana sakana eto tsy hidiran' ny alika
Sampona, tambana: Ho tonga aho rahampitso raha tsy misy sakana. [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Something placed crosswise, a barrier [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Ce qu'on met de travers, barrière [1.8]
Ohatra 
1Mametraka sakana maro ny finoana; [2.445]
2Ny trano kotona dia avo loka, be sakana, lava tandroka. [1.437]
3Faohiny daholo izay sakana mety hanembantsembana ny fahafoizan-tena sy ny fahazoana tsara ny hafa. [1.369]
Sampanteny 
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra tsakany > sakana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] Tataom-baravarana [1.78]

Fivaditsoratra