Teny iditra fe-
Sokajin-teny endritenin' ny hoe fetra

Teny iditra fe
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Faritry ny rantsam-batana ambany hatreo amin' ny valahana no ho midina ka hatreo amin' ny lohalika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The thigh. [Mal. pah; Nias. gae; Dairi. kae; Toba. hae-hae. In many Polyn. languages vae, probably allied to this, is used for leg.] [1.2]
 The thigh [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Cuisse [1.8]
Voambolana 
Haiendriteny 
Tsotra : fe, feko, fenao, feny, fentsika, fenay, fenareo, fen', fen-, fem-
Tovonana : -pe, -peko, -penao, -peny, -pentsika, -penay, -penareo, -pen', -pen-, -pem-
Kamban-teny 
Renianarana tongotra
Anarana iray reny leferana, lohalika, pokopoko, talikana, votativo
Ohabolana 

Teny iditra fe
Sokajin-teny mpampitohy [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] nefa [1.78]
  [Bara] fa, nefa [1.78]
 "Fa hoe" (teny ampiasaina eo anelanelan' ny teny roa mba hilazana fa anarany fotsiny ny teny lazaina no manao ny asa voalazan' ilay teny voalohany saingy hoe manana ny toetra voalazan' ilay teny faharoa, fa raha ny marina tsy izany velively): Mitsangam-pe olona: mitsangana fa hoe olona, mitsangana saingy hoe olona, fa tsy manana ny tena maha-olona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used for the conjunction fa [1.2]

Teny iditra fe
Sokajin-teny anarana na mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Taimoro] Hajambana
Jamba [1.78]
  [Bara, Taisaka, Tanala] Jamba [1.78]
Fanazavàna teny frantsay  [Taisaka] Aveugle [1.82]

Teny iditra fe
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny anglisy  [Provincial] For tolana [1.2]

Teny iditra fe
Sokajin-teny kianteny [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy Teny kely ampiasaina eo anelanelan' ny teny iray miverina indroa, ilazana toetra na asa tsy zarizary: Manao fe manao: zara raha manao, manao tsy zarizary. (Tsara homarihina fa ity teny itỳ dia mifanohitra amin' ilay teny hoe: "dia", izay mitovy fampiasa indrindra aminy fa ny heviny kosa mifanohitra amin' ny azy: Manao dia manao: tena manao marina tokoa) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Used for emphasis as follows: teniko fe lehibe, manao fe manao
Fanazavàna teny frantsay Comme-ci comme-çà [1.3, 1.8]
 Se place entre un nom, un adjectif ou un verbe qui se répète, et lui donne le sens adverbial de : à peu près, un peu, pas trop, par acquit, sans zèle, avec indifférence: Trano fe trano io (C'est une maison comme ci comme ça) ~ Mazoto fe mazoto izy (Il est un peu zélé, pas trop zélé) ~ Olona fe olona izy (C'est un individu comme ci comme ça, un peu bête, un peu inabordable) ~ Manao fe manao (Faire à peu près, par manière d’acquit) ~ Homana fe homana (Manger sans goût) [1.3]
Kamban-teny 

Teny iditra fe
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsimisaraka] Arbre indéterminé [1.196]
Voambolana 

Teny iditra Fe
Sokajin-teny anarana (eva)
Fanazavàna teny malagasy  Vy. Singa mivaingana, faha-26 amin'ny fisokajiana miherina. [3.1]
Fanazavàna teny anglisy Iron [3.1]
Fanazavàna teny frantsay Fer [3.1]
Voambolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/15