Teny iditra dabo-
Sokajin-teny endritenin' ny hoe daboka

Teny iditra dabo
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Tsy manana anton-draharaha fa ny mipetraka na mandrimandry na mandehandeha foana ary ny homan-kanina no ataony
Mitovy hevitra: kamo [1.1]
 Dabo dia ny efa tsy manana anton-draharaha, fa ny mandry sy ny mipetraka sy ny mandehandeha foana ary ny homan-kanina no ataony [2.285]
Ohatra Raha misy koa diksionera ny amin' ny teny malagasy sy boky atao ho fanangonana ny teny malagasy samihafa, nefa misy hevitra ikambanana, sady havoaka ny hevitra izay tsy itoviany, dia ataoko malaina, kamo, kisinina, meda, dabo [2.285]

Teny iditra dabo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Valala karazan' ambolo [1.1]
Fanazavàna teny frantsay Variété de l' ambolo [1.3]
Voambolana 

Teny iditra dabo
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Betsimisaraka] Neophloga littoralis Jum. (Arecaceae). [1.196]
Anarana siantifika Neophloga littoralis
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2022/11/29