Teny iditra |
divay
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Zavapisotro vita amin' ny ranomboaloboka navela hiketriketrika; misy alkaola eo amin' ny 11-12° eo ho eo ny divay ka mahamamo sy manimba raha sotroina betsaka; mety hahasalama kosa izy raha sotroina amin' ny fotoanan' ny sakafo ka tsy mihoatra ny androatokon' ny litatra amin' ny sakafo mandritra ny ny andro [1.1]
|
Fanazavàna teny anglisy | Wine [1.7]
|
Fanazavàna teny frantsay | Vin [1.8]
|
Ohatra |
1 | Omeo divay izahay!
[2.285]
|
2 | Namboly sy niompy koa izy ka sady nanao divay sy toaka no namboatra fromazy.
[2.113]
|
|
Ny fihaviany | Frantsay: du vin.
|
Lahatsoratra |
|
Teny iditra |
divay
|
Sokajin-teny | anarana
|
Fanazavàna teny malagasy | Karazan-kazo salasala [1.1]
|
Fanazavàna teny frantsay | Ketmie oseille [1.1]
|
| (du français « du vin »). [Sakalava]
Hibiscus sabdariffa L. (Malvaceae).
[Betsimisaraka, Bezanozano, Tanala]
Vitis microdiptera Baker (Vitaceae) (voir
famakientana).
[1.196]
|
Anarana siantifika | Hibiscus sabdariffa, Vitis microdiptera |
Voambolana |
|