Teny iditra matahotra (tahotra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mahatsiaro ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray na olona na zavatra tsy sahy hatonina: Matahotra an-drainy mafy Isambilo fa nisy ratsy nataony
Mitovy hevitra: an-koditra ~ an-tenda ny aina ~ kasoka ~ kenda ~ mamafy ketsa ~ manahy ~ manahy velona ~ manambadi-po ~ manangambovona ~ mandry an-driran' antsy ~ mandry an-driran-defona ~ mandry tsirangaranga ~ mandry tsy lavo loha ~ mangitakitaka ~ mangorohoro ~ mangovitra ~ midobodoboka ambavafo ~ mifihifihy ~ mihararetra ~ mihena velona ~ mihendratra ~ miholy ~ mihorohoro ~ mihoron-kodidoha ~ mihoron-koditra ~ mihotakotaka ~ mikoso-maso ~ mimalo ~ mipararetra ~ miraika ~ miraikibolomaso ~ miritra aina ~ mitaintaina ~ mitebiteby ~ mitsangam-bolo ~ mivadika ambavafo ~ raiki-tahotra ~ ranga ~ rano andravina ~ tai-dava ~ taibombona ~ tora-kovitra ~ tsiravina ~ velona ahiahy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To be afraid of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Craindre, être craintif [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : matahotra, mataho-
Ny lasa : natahotra, nataho-
Ny hoavy : hatahotra, hataho-
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20