Teny iditra mihinana (hinana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mitsako ary mitelina ventin-kanina mba hahavelona ny tena: Mihinam-bary ny Malagasy
Mitovy hevitra: homana ~ mamahan-tena ~ mamango ~ mambosibosika ~ mambosika ~ managorodana ~ manao indraim-bava ~ manao rapa-dango ~ manao sesimontotra ~ manao teli-moka ~ manao tombok' orona ~ manao tombokitsatsy ~ manao tranga ~ manao vakim-borona ~ manao voky ~ mandrapaka ~ mandrepoka ~ manendry ~ manesika ~ mangeboka ~ manoranorana ~ mianjady ~ mibibaka ~ mifotafota ~ mijao ~ mikesokesoka ~ miletra ~ mimontsina ~ miosanosana ~ mipaka ~ misatrasatra ~ mitelina ~ mitomboka ~ mitsamontsamona ~ mitsingintsingina ~ miviravira
Mikiky: Mihinana ny vy ny haro fesina
Mankahia, mampihena: Mihinana azy ny eritreriny
Maka zavatra ankeriny (aman' olona): Nihinam-bolan' olona, hono, Rangahy io
Mitovy hevitra: miharaka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To eat; to use up; to embezzle funds [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Manger; consommer; détourner des fonds [1.8]
  [Sakalava-Mayotte] [ mihinaña ] Manger [1.405]
Ohatra 
1Ary nony nihinana kelikely, hono, izy, dia hoy izy: [2.293]
2Aza mihinana ny varin' Andriambahoaka re ianareo [2.470]
3Eo ampanaovana izany anefa, mahazo mihinan-katsaka izay te hihinana ary na firy na firy. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mihinana, mihinan-, mihinam-
Ny lasa : nihinana, nihinan-, nihinam-
Ny hoavy : hihinana, hihinan-, hihinam-
Filaza mandidy : mihina
Kamban-teny 
Ohabolana 

Teny iditra mihinàna (hinana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mihinana [fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20