Teny iditra mijaly (jaly)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Miaritra zavatra maharary mihatra aman' aina na zava-tsarotra manahirana: Mijaly mafy izy amin' io aretiny io
Miandry mafy: Nijaly mihitsy aho ambara-pahatonganao
Mitovy hevitra: fadiranovana ~ miaritra ny mafy mahatsiaro mangirifiry ~ miferinaina ~ mifia-dranomaso ~ miritra aina ~ mitoloko ~ mitondra kitra ~ mitondra ny mafy ~ mitondra ny maizina ~ mitondra ny tsy eran' ny aina ~ mitondra rofy ~ sendra ny mangidy tsy telina ~ voan' ny aza manody [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To suffer [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Souffrir [1.8]
Ohatra 
1Na dia mifonoka sy mijaly amin' ny aretina ao anaty lamba aza Rasoa, dia reny tsara ny tenin-janany. [2.470]
2Ny ankabeazan' ny olona amin' izany toerana voalazako izany no anisan' ny mijaly amin' ny fitondran-janatany. [2.472]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mijaly
Ny lasa : nijaly
Ny hoavy : hijaly
Filaza mandidy : mijalia
Ohabolana 

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20