Teny iditra ravinala
Singan-teny ravina ; ala
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Karazan-kazo lehibe izay mivelatra lehibe tahaka ny fikopaka ny raviny. Misy ilana azy avokoa ny tenan' ny ravinala manontolo: ny hodiny (rapaka), ny tahondraviny (falafa), ny raviny (raty); ary raha tsatohana antsy eo am-pototry ny raviny, dia misy rano madio sady mamy azo sotroina miboiboika [1.1]
Fanazavàna teny anglisy The traveller's tree. The leaves are largely used in house-building, for walls and roof, and for tables and plates; and the bark is used for floors. By piercing the base of the younger leaves with a spear or a knife, a quantity of pure water may be obtained. From the stem the people obtain an edible substance. Ravenala madagascariensis, Sonn. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay L'arbre du voyageur, connu sous le nom de ravenala. Urania speciosa [1.3]
 (de ravina : feuille, et ala : forêt). Sonnerat en a tiré le nom de son genre Ravenala madagascariensis Sonn. (Strelitziaceae). Le célèbre « arbre du voyageur », dont la silhouette a longtemps orné les timbres de Madagascar. Il fournit de nombreux produits utiles. Bourgeon terminal comestible après cuisson. Graines, également consommées après cuisson. Troncs, feuilles et pétioles employés en construction, après séchage, etc. D'après Mayeur, on en distinguait trois formes sur la côte Nord-Est au 18e siècle : mahabevola, honkodambo, ravina. [1.196]
Anarana siantifika Ravenala madagascariensis
Ohatra 
1Ela ny ela, tafavoaka ny ala, hono, ny ravinala. [2.117]
2Namakivaky ala maitso sy menamena izahay, ary nahita ravinala be dia be. [2.332]
Voambolana 
Tovy hevitra akondrohazo ~ bakabia ~ bemavo ~ fontsy ~ ravimpotsy
Kamban-teny 
Ohabolana 
Sary 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/07/13