Teny iditra rovitra
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny malagasy Sombinjavatra rotika: Notehiriziny ny rovitry ny saina [1.1]
Ohabolana 

Teny iditra rovitra
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Nisy sombin' ny tenany triatra ka niala, tataka, rotika: Rovitra ny lambako / Rovita alohan' ny aina
Simba, tapaka: Rovitra ny fihavanana
Voasamatsamaka, misaritaka: Ho rovitra ny fanjakana raha mitohy izao tsy fifankahazoan' ny mpitondra izao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Torn [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Déchiré [1.8]
Haiendriteny 
Filaza mandidy : rovita
Sampanteny 
 
Tovy hevitra triatra ~ riatra ~ mitsiaka ~ mitsiatsiaka ~ mitriatra ~ mitsefaka ~ misalasalaka ~ tataka ~ tata-bitrana ~ kotika ~ rota ~ rotika ~ mivorikitsay ~ tsy misy hitomboham-pilo
Kamban-teny 
Lohateny Rovitr' akanjon i Denise (Rapatsalahy Paul)
Ohabolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31