Teny iditra sahala
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja...: Mandehana amin' izao ianareo fa efa sahala izao ny anjaranareo
Mitovy fa tsy sahala ireto satroka roa ireto, be vidy kokoa iroa volombatolalaka iroa
Sahala amy...: tahaka ny, toy ny: Ny maka tsy miera dia sahala amin' ny mangalatra ihany.
Mitovy hevitra: mifanahantsahana ~ mifanahatahaka ~ mifanakaikikaiky ~ mifandraidraika ~ mifandrindrarindra ~ mifanendrahendra ~ mifanendrihendry ~ mifanentanentana ~ mitovitovy ~ sahalahala [1.1]
Fanazavàna teny anglisy Alike, the same; cf. mitovy, tahaka, toy [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Identique, même [1.8]
Ohatra 
1Sahala ihany izany, hoy Zaka. [2.5]
2Malagasy sahala amiko avokoa ireo. [2.4]
3Ny sandriny iray sahala amin' izao. [2.606]
Haiendriteny 
Filaza mandidy : sahalà
Sampanteny 
Tovy hevitra sahalahala ~ mitovitovy ~ mifanahantsahana ~ mifanahatahaka ~ mifanendrahendra ~ mifandraidraika ~ mifandrindrarindra ~ mifanakaikikaiky ~ mifanentanentana ~ mifanendrihendry
Kamban-teny 

Teny iditra sahalà
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra sahala [fitanisana]
Fanazavàna teny frantsay Soyez égaux; terme par lequel on souhaite aux plaideurs qu'il n'y en ait aucun de vaincu [1.3]

Teny iditra sahala
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  [Tanosy] Antonona: vilany sahala [1.78]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/10/02