Teny iditra volan-tsinana
Singan-teny volana ; tsinana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Les premiers jours de la lune
Croissant [1.3]
Ohatra Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Voambolana 
Kamban-teny 

Teny iditra volan-tsinana
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay Demi-cercle [1.3]
Ohatra Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana [2.996]
Voambolana 

Teny iditra Volan-tsinana
Singan-teny volan-tsinana
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razafintsalama Josefa
Lahatsoratra 
Raha nisoka, natao tsy hiverina;
nony maty, natao tsy hiposaka,
kanjo io ihany io mitsingerina,
fa ny zava-malefa-pitosaka ;
fisehoany dia mihelontrelona ,
fa mitsidi-mitranga milentika
ary impito no maty ka velona
fa tsy tena dia lasa mirendrika
iry volan-tsinana andrefana
mahalala fotoam-piherenana!

Samy faly no sady finaritra,
ka indreny miainga mirohotra
eo an-kianja hikorana maharitra
ireo maro kilonga isam-bohitra;
fa ny zaza kamboty, manjonitra,
mahatsiahy ilay kibo nitoerana
sy ny ray nanao sikim-ponitra ,
faingy hani-mandalo miserana
toraka io volan-tsinana andrefana,
tsy mandika fotoam-piherenana.
Ireo hazo amoron'ny tevana
velon-tsento mangina tarafiny,
fa ny sainy he! mihevangevana
ka maniry azy io hotahafiny...
Dia voavetso ny ela nilaozana,
ka ny endrika, bika, nananana,
no tanian-kimpody , hiaranana
toraka io volan-tsinana andrefana
tsy mandiso fotoam-piherenana!
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2023/11/20