|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : bozaka

Ohabolana 1Bozaka aman' ahitra. [2.415 #1618]
Dikanteny frantsayLa populace c' est herbe et herbe. [2.415 #1618]

Ohabolana 2Bozaka aman' ahitra : ao hita-masoandro fa tsy tandrin' olo-miavona. [2.558 #967]

Ohabolana 3Ny aina tsy mba bozaka, ka raha maina ny lohany dia maniry indray ny fakany. [2.558 #2835]
Ny aina tsy mba bozaka, ka raha maina ny lohany maniry indray ny fakany. [2.415 #2770, 2.653 #2128, 2.974 #470]
Dikanteny frantsayLa vie n’est pas comme l’herbe, dont la tige peut reverdir, si la pointe se flétrit. [2.974 #470]
La vie n'est pas comme l' herbe qui repousse par la racine lorsque la tête est desséchée. [2.415 #2770]
Fanazavana frantsayLa vie est courte. [2.415 #2770]

Ohabolana 4Tsy misy hianterana ohatra ny bozaka : tanora sakafon' ny omby, nony antitra sakafon' ny fatana. [2.558]
Tsy misy hianterana toa bozaka : tanora, sakafon' ny omby ; antitra, sakafom-patana. [2.165 #1947, 2.415 #2779]
Dikanteny frantsayQui n' a pas le temps de vieillir, comme l' herbe: jeune, elle sert à nourrir le bétail, vieille, elle sert à nourrir le foyer (c. à. d. à brûler). [2.165]
Qui ne peut pas vieillir comme l' herbe : jeune elle nourrit les boeufs, vieille elle alimente le foyer. [2.415]

Fizahan-teny