Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
Ohabolana : lahatra | |||||||||||||||||||||
Ohabolana 1 | Hosy be rano ka mahavery bainga. [2.558 #95]
Hosy be rano ka mahavery ny bainga. [2.165 #1215] Hosy be rano, mahavery ny bainga. [2.653 #1103] Lainga tsara lahatra, mahavery rariny, hosy be rano, mahavery bainga. [2.558 #1681] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Dans une rizière trop inondée d' eau, les mottes sont cachées. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Et il est difficile de les briser, puisqu' on ne les voit pas. L' excès est nuisible en tout. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 2 | Lainga tsara lahatra ka mandrobo ny mpihaino. [2.558 #1682] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 3 | Ny didy sy lahatra kosa an' Andriamanitra. [2.415 #41]
Ny fikasana no an' olombelona, fa ny didy an' Andriamanitra. [2.415 #41] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | L' homme propose et Dieu dispose. [2.415 #41] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Proverbe dit lorsqu'un projet n' a pas réussi. [2.415 #41] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 4 | Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana malagasy | Enti-milaza ny halehiben' ny fahaizana miteny sy mandahatra ka izay tsy mahazava sy manohana ny marina ananany dia mety ho resin' ny lainga voalahatra amin' ny teny mirindra tsara. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 5 | Ny mazoto no nambinina ka ny kamo avy koa no milaza ho miandry lahatra. [2.558 #3141] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 6 | Tohy vakan’ Antalaotra, tsara lahatra. [1.147 #T78] | ||||||||||||||||||||
Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||