Teny iditra Antsam-pitiavana
Singan-teny antsa ; fitiavana
Sokajin-teny anarana (lohatenin-tononkalo) [fitanisana]
Mpanoratra Razakandraina Jean Verdi Salomon
Lahatsoratra 
Fa fitiavako ianao, fifaliako, fahasambarako…
Vahatr’aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako…
Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
Aminao no miantomboka ka mifarana ny fiainako… !

Fa fitiavako ianao, eritreritro, fanahiko…
Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
Tompon’ny safidim-poko, mpanapaka ny momba ahy !
Anjely hiambina ahy hatrany raha izaho alaim-panahy !

Fa fitiavako ianao, eny tena fitiavako !
Hira mamiko izany ka tsy afaka eo am-bavako!
Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !

Fa fitiavako ianao, è fitiavako madio…
Hoy ny teny fivoadiana atolotro anao anio :
Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !
Voambolana 
Tsanganana sy sary iray takila Ny lohateny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2024/01/22